Ny fahatongavan’ireo mpilasy | Taizé GC02

Mbola eny ivelany dia efa misy manondro izay toerana ahafahan’ireo tanora misoratra anarana sy mahafantatra izay toeram-pivantanany ireo zatovo maro hanatrika ny fihaonam-be Ekomenika Kristiana faha-30 karakarain’ny Taizé manomboka androany Zoma 28 Desambra 2007 eto Genève [30e Rencontre Européenne de Taizé à Genève].

Ny sasany amin’ireo tanora toy ny avy Letônia dia efa an-dalana telo andro maninjitra [3 jours de voyage] ka ny famatsiana ara-sakafo aloha no maika vao manaraka ny fisoratana anarana. Misy kosa Frantsay avy any Aveyron [viaduc de Millaut] izay nanofa fiarabe [dia 8 ora + natory tamin’ny ‘gymnase’ 60km alohan’i Genève] ka avy dia mitanjozotra any amin’ny birao fisoratana anarana.

Tanora avy any Slovakia izay mbola valaky ny dia kosa ireto amin’ny sary eto ambany ireto. Ny mpiangona avy eto Genève no manotrona sy mamatsy, manatitra ‘tarte’ ny sasany, mandroso kafe mafana ny sasany, mandika teny amin’ny finday ny sasany😉

Nisokatra androany tamin’ny 16:00 ora tany Palexpo ny fotoana. Ary raha te hahafantatra bebe kokoa dia aza misalasala ny manaraka izay vaovao farany ao amin’ny blaogin’ny ‘Taizé à Genève’ [taizegeneve.blog.tdg.ch>>] na koa raki-tsary ao amin’ny vohikalan’ny haino aman-jerim-pirenena ‘Radio Suisse Romande’ [taize.rsr.ch >>] mikasika izay antsipirian’ny fivoriana.

3 commentaires sur “Ny fahatongavan’ireo mpilasy | Taizé GC02”

  1. Merci pour ton reportage photo de Taizé GC02 !

  2. Bienvenue Maurice😉

    Tout le plaisir est pour moi, merci d’avoir fait un détour par ici et encore bravo pour tout ce boulot accompli.

  3. […] arak’ity sary iray ity anefa fomba fijery roa samihafa [mpanokantena nanatrika ny fivoriambe Taizé teto Genève tamin’ny faran’ny taona]. Arak’ity tonom-bavaka manaraka fahita […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :