07|12|28 – 08|01|01 – Tanora 30’000 hiara-mivavaka eto Genève | Taizé

Efa nanomboka tonga ny sasantsasany amin’ireo zatovo miisa 30’000 izay hanatrika ny fihaonam-be Ekomenika Kristiana faha-30 karakarain’ny Taizé eto Genève, ny Zoma 28 Desambra 2007 ka hatramin’ny Talata 1 Janoary 2008 [30e Rencontre Européenne de Taizé à Genève]. Isaky ny faran’ny taona tokoa dia manasa ireo zatovo mba hivondrona amim-bavaka amin’ny tanàn-dehibe iray ny Taizé ary dia miangavy ny mponina mba hampiantrano ireto mpitsidika.

Io hitanareo eo ambony io ny tapakila metrô natotan’ireo orinasam-pitaterana RATP sy SNCF izay nozaraina tamin’ny mpivory raha tany Parisy no natao ny fihaonam-be faran’ny taonan’ny Taizé, taona 1994.

Hatry ny ela no efa nivonona amin’ny fandraisana sady efa somebiseby ery ireo fiangonana rehetra eto Genève sy Frantsa manodidina. Ny 300 amin’ireo zatovo 30’000 no hampiantranoan’ny mpiara-miangona amin’ny faritra misy anay. Ny sasany nandray tanora 5 ny sasany 2, arakarak’izay halalaky ny trano. Tsy voatery hanana fandriana ny mpandray fa ladina an-tany dia efa mety sady ireo mpilasy koa dia efa mivonona amin’ny fitondrana kidoromaivana (azo ahorona na abostina amin’ny rivotra).

Ny tontolo andron’ny Zoma 28 Desambra 2007 rehefa avy nozaraina ny sarintanin’i Genève, sy ny tapakilan’ny fitateram-bahoaka ary ireo tapakilan’ny fisakafoana dia atoron’ny mpiandraikitra azy ireo ny zotra tokony horaisiny mankany am-piangonanay. Dieny maraina ka mandritra ny tontolon’ny andro dia dia hisy namana hitsena azy ireny any amin’ny fiantsonan’ny fitanteram-bahoaka sy hitarika azy ireo hatrany am-piangonanay.

Efa vonona ao am-piangonana indray ny vatsy maivana azahoany maka hery sy mihinana sakafo mafana alohan’ny ahatongavan’izay haka sy hampiantrano azy.

Mizara roa ny fotoan’ny mpilasy, ny fotoam-pivavahana any amin’ireo fiangonam-paritra (isaky ny maraina) sy ny fihaonam-be fivoriana sy sakafo iraisana any amin’ny tranoben’ny Geneva Palexpo [ilay fanaovana fampiratiana fiarakodia malaza eto Genève]. Marihina fa ny alin’ny faran’ny taona “réveillon” dia hataon’izy ireo am-bavaka any amin’ireo fiangonana isam-paritra😉

Isan’ireo mandray anjara amin’ny fanentanana ny antokom-pihira Malagasy Valihan’i Jehovah mba hijoro vavolombelona hampahafantatra izay fomba fiderana ataon’ny tanora Kristiana Malagasy ny tolakandron’ny :
– ny Asabotsy 30 Desambra 2007 amin’ny 15:00
– sy ny Alatsinainy 31 Desambra 2007 amin’ny 15:00
samy any amin’ny tranobe malalaky ny Palexpo avokoa.

Sady miarahaba tratry ny Krismasy Sambatra ary dia efa mirary sahady taom-baovao 2008 finaritra hoan’ny tsirairay.

Tantara fohy: noforonin’i Frera Roger tamin’ny taona 1940, izay Pastora avy eto Geneva ny “communauté de frères de Taizé.” Mandava-taona dia aman’alina ireo tanora mirohotra mankany Taizé, Bourgogne, [any Frantsa ora roa avy eto Genève] mba hiara-mivavaka. Taizé dia sehatra fihaonana manokana amin’ny maha Ekomenika azy ka mampifandray ireo tanora avy amin’ny lafy valon’ny finoana Kristiana, samihafa fihaviana, samihafa fiteny, mba hiaraka indray mitady fomba hiraisam-peo ankalazana an’andriamanitra. Ny tanjon’ny Taizé dia ny hanampy amin’ny fandehanana amin’ny lalan’ny fifampihavanana indray, ka ny famoriana ireo tanora hihaona no fitaovana ampisainy. Maty novonoina Ramatoa tamin’ny tombok’antsy nandritra ny fotoam-pivavahana tamin’ny 16 Aogositra 2005 i Frera Roger ka i Frera Alois no mpandimby azy.

[Taizé – Genève – taize-geneve.ch >>]

[Fampahitsahivana farany hoan’ireo mpilasy – taize.fr >>]

3 commentaires sur “07|12|28 – 08|01|01 – Tanora 30’000 hiara-mivavaka eto Genève | Taizé”

  1. izany no tena hoe hery velona fa mahay mifanampy ny kristiana. Tratry ny fety koa enao.
    Ary toa tena tafiodrivodra miaro oram-panala mihitsy ny eto amin’ny takelakao an ! mangatsiako aho ‘zany.

    bonnes fêtes izany.

  2. Tsy misy oram-panala ety an-tanety hatramin’izao fa eny an-tendrombohitra ihany😉

    Tena misy lesona betsaka azo raisina mihintsy ny firaisan’ny olona hina. Anefa aleo aloha ny mpilasy izay afaka mampitaha amin’ireo tanàna hafa efa nolalovany no hilaza izay fahitany ny fandraisan’ny mponina.

    Misaotra ain’ny firarian-tsoa dia ho torak’izany koa aminao.

  3. […] tontolo hafa no manodidina antsika arak’ity sary iray ity anefa fomba fijery roa samihafa [mpanokantena nanatrika ny fivoriambe Taizé teto Genève tamin’ny faran’ny taona]. Arak’ity […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :