Isandra soa soa ! (tapany voalohany)

Ny nahapotika ireo fahavalon’ny Repoblika

Isaky ny faha 12-n’ny volana Desambra toy ny androany, dia mankalaza ny fandreseny hoan’ny fahafahany ny mponin’ny tanànan’i Genève. Tamin’ny taona 1602, ny “Escalade” na fihoaram-pefy dia nitranga nandritra ny alin-dririnina tena maizina, ka ny mifanolo-bodi-rindrina “Savoyard” [avy any Savoie] ihany no nanafika. Nohon’ny firaisan-kinan’ny mponina dia tsy nahomby fa resy ireto mpanafika.

Mbola ankalazaina mandrak’ankehitriny i “Mère Royaume” izay nandraraka ny vilany mangotraka feno lasopy tamin’ny lohan’ireto mpanafika [sary eo ambony]. Ho fahatsiarovana dia mifanome tànana izay tanora sy antitra indrindra ka mamaky sôkôla misarina vilany sady mihiaka hoe “toy izao no nahapotika ireo fahavalon’ny Repoblika” [ainsi périrent les ennemis de la République !].

Ranomaitso

Fahiny elabe, taorian’ny andro faha-vazimba saingy mbola talohan’ny andro faha-vazaha. Asa raha nitondra akory ny anarana hoe Madagasikara ny nosintsika tamin’izany fotoana izany. Any amin’ny faritra Andrefan’i Fianarantsoa antsoina hoe Isandra no mikoriana ny renirano Ranomaitso izay mandonaka ny tany izay maro mpamboly tokoa. Ireo tanàna iandohan’izany renirano izany dia nampitondraina ny anarana hoe Andoharanomaitso, any no isehoan’ny tantara.

Isan’ny mponina malaza mazoto miasa any amin’ny faritr’Isandra ny mponina tao Andoharanomaitso. Vitsy ireo tany mipetrapetra-potsiny, fa vita asa avokoa ny tany manodidina ny fonenana, na tanimbary izany na tany vohitra. Sady nanana biby fiompy koa ny mponina any ka tsy nahalala izany mosarena izany. Mponina sady matanjaka no salama, satria ampy sakafo.

Dahalo

Hatrizay, hatrizay koa dia efa nisy hatrany ireo olona tsy mba misasatra miasa fa kamo anefa mitsiriritra ny an’ny hafa. Ireo izay manao ny halatra ho antom-pivelomana. Mpanao an-keriny, mpandroba, mpanimba ary fantatra amin’ny anarana hoe Dahalo. Isan’ireo tanàna notsiriritin’ny Dahalo hatry ny ela ireo tanànan’Andoharanomaitso nohon’ny hamaroan’ny vokatra tao.

Maro ireo Dahalo nanandrana nanafika fa tsy « nahafaka » satria miray hina ny mponina tamin’ireo tanàna ireo. Tsy nitsahatra ny halatr’omby any amin’ireo faritra sy tanàna hafa manodidina « moramora » alaina, fa Andoharanomaitso kosa tsy nisy mpanafika intsony.

Araky ny fitomboan’ny isan’ireo tanàna notafihin’ny Dahalo no niantombohan’ny fanontaniana izay momba ny faritr’Andoharanomaitso. Tokana ny tsoak’hevitry ny vahoaka fa  matoa tsy misy manafika dia tsy mba sahin’ireo Dahalo io faritra Andoharanomaitso io !

Ny fihantsiana

Tonga tany an-tsofin’ity Raindahin’ny Dahalo na Mpanjakan’ny Dahalo izany feo izany. Niteraka fahatezerana mafy tao anatiny izany, satria heveriny ho fanimbazimbana ny herin’ny tafika izay tarihiny ny fihevitra fa misy tanàna « atahorany ».

Nanapak’hevitra ary izy ny hamerina ny « voninahiny » izay « very » ka mba hanaporofoana izany dia :
– hitarika ny tafiny hanafika an’Andoharanomaitso izy,
– ary hampandrenesiny mialoha ny mponina ao mba ahafahany milavo-lefona tsy miady dia tsy hokasihiny tanàna,
– saingy amin’ny andro atoandro no hanaovany izany mba ho hitan’ny rehetra manodidina fa tsy misy afaka manohitra ny heriny. « Omany ny omby fa ho tonga aho haka ny anjarako ! » no feo nalefany niaraka tamin’ny andro sy ny ora, ho fampitandremana sy fampihorohoroana ny mponin’Andoharanomaitso.

Izay nandre dia natahotra ary maro aza ireo naneso hoe « ela ny ela ka sendra izay nahasaky azy i Andoharanomaitso, be vava loatra moa koah ! » Vetivety dia niely ny feo ary tonga teny an-tsofin’ny mponina tao Andoharanomaitso izany.

Ny valinteny

Nivory ny mponin’Andoharanomaitso, toy izao no fandehan’ny adihevitra: « na dia omena aza izay angatahin’ireto Dahalo dia tsy misy hanakana azy hiverina fanindroany, sy fanintelony sy hikasi-tanàna ny mponina satria tsy azo itokisana ny tenin’ny Dahalo. Ary na dia manaja ny teny izay nomeny aza ity Mpanajakan-dahalo ity dia hisarika ny Dahalo hafa manodidina izany filavoan-defona tsy miady izany ka dia hataon’ny Dahalo rehetra filàna toy ireo tanàna manodidina hafa Andoharanomaitso. Ny handao ny tanàna rahateo tsy vahaolana satria handositra ho aiza ? Ny manodidina tsy misy antenaina fa maneso aza ny betsaka »

Rehefa avy « nalainy halavany, nalainy sakany, nalainy rirany », lanin’ny mponina nivory ny fanapahan-kevitra, fa tsy ho « resy tsy miady » fa hiady sy hanohitra ny fihantsian-dry zareo ka hiaro-tena, sy hiaro ny fanànana sy ireo tanànan’Andoharanomaitso. « Tongavà fa vonona handray anareo Andoharanomaitso, fa tsy misy omby alailaim-potsiny aty ! » Toy izany ny feo nandeha namaly ilay fihantsiana. Ho raikitra izany ny ady.

tohiny : Isandra soa soa ! (tapany faharoa) >>

[De la marmite en chocolat et les ennemis de la République >>]

[La fête de l’Escalade pour les nuls – de toutes facons >>]

5 commentaires sur “Isandra soa soa ! (tapany voalohany)”

  1. […] sahady. Nandao ny RN7 teo Antsampanana dia nanohy niankandrefana nizohy an’Andoharanomaitso « Isandra soa soa ! […]

  2. maika be hamaky ny tapan’ny faharoa o!

  3. Misaotra amin’ny famporisihana hatrany, fa mba mangataka faharetana kely na dia izany aza😉

  4. ohatran’ny mampatsiahy ahy ilay dessin animé ‘fourmiz » izy ity, fa tena nisy ve io sa?

  5. Iza no mahalala raha misy avy any Isandra ny « scénariste »-n’ny « Fourmiz » ?😉

    Sady inona ary ity maimaika ity ? Ikalakely angaha mety milaza izay hiafarany rehefa mitantara alohan’ny hatorian’ny ankizy iny ? … « ny tohiny » hono no hanambara azy … arak’ilay fomba fiteny🙂


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :