07|12|10 – Haja sy Rariny hoantsika tsirairay

« Fandraràna ny gazety Nichane [Marôka] », sary nadika tamin’i casafree.com >>

« Ity site-nao ity tomavana dia riche, bien fait ary feno idée, ny anton’ny expose_ko lava dia tsara ny manavaka ny fananana idée ka milaza izany: idealiste nefa ny ilaina dia ny mampihatra ny idée »

Izany no namaranan’ny mpamaky Raz-Steven ny hafatra napetrany nanoina na lahantsoratro : andro iraisam-pirenena hoan’ny ankizy >> . Mila fotoana hoy aho tamin’izany ny famaliana ireo lohahevitra maromaro nasongadiny tamin’izany. Azo raisina ho tohin’io resaka io ity androany ity.

Ho ahy manokana dia tsy heveriko ho firavoravoan-tanàna velively ny “fanambarana” ny zava-misy sy izay fandàvana ny hangina manoloana izany. Fantatro fa mety tsy mahafa-pò ny mpamaky sasany izay mba kely anjara atolotro etoana saingy izay mahalailay ahy ihany no aotraoriko arak’ilay « izay fantatro ihany no ambarako anao. » Sady izaho koa anie tsy mihevitra ny hanova fiaraha-monina iray manontolo samirery e.

– Voalohany aloha dia tsy heveriko ho azo tanterahin’olon-tokana izany, na dia misy hatrany aza ireo mitori-tena ho “mpamonjy” ny fiaraha-monina, ny fokontany, ny firenena … isaky ny fifidianana.

– Faharoa, isan’ny antony amoahako ireo hevitra etoana ny fahafantarako fa tsy manana izay vaha-olana aho satria fohy hevitra ihany ny olon-tokana fa « ny hevitry ny maro no mahataka-davitra. »

– Fahatelo, ny manaparitaka izay fantatro ihany no noraisiko ho andraikitra, fa arak’izay fandraisany ny vaovao dia anjaran’ny tsirairay indray ny mampiasa ny fahendreny amin’izay fanapahan-kevitra tandrify ho raisiny na tsia. Raha izaho manokana dia tsy mba manana toro-lalàna hoan’ny hafa na dia fantatro ihany aza izay tokony hataoko😉

– Fahaefatra, heveriko ho fampiharana ny fahafahako ny « manambara izay fantatro » ka tsindraindray dia fahafinaretana ho ahy koa ny mampindrana izany fahafahana izany hoan’ireo izay heveriko ho tsy manana izany. Mbola azo tohizana lava fa aleo hijanona eo sao mihoatra.

Fankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny zon’olombelona androany [Journée des Droits de l’Homme | Human Rights Day]. Vaovao roa no hampitaiko amintsika hanambarana fa misy fivoarana ireo toe-draharaha ifanakalozantsika eto, na dia azo heverina ho miadana aza izany fivoarana izany, raha ampitahaina amin’ny halavan’ny lisitra ireo tanjona alohan’ny ahafahana manambara fa mitoetra anivon’ny « Haja sy Rariny hoantsika tsirairay » ny any Madagasikara [Dignité et justice pour nous tous | Dignity and justice for all of us no lohahevitra amin’ity taona ity].

[Léger mieux dans le quotidien des Malagasy >>]

« Napetraka tamin’ny Zoma 7 Desambra 2007 lasa teo ny tetik’asam-pirenena hiadiana amin’ny herisetra sedrain’ny ankizy [plan d’action national de lutte contre la violence à l’endroit des enfants] »

[La protection des enfants renforcée – lexpressmada.com – 10.12.2007 >>]

« Nandray fanapahan-kevitra ny hametraka lalàna ny fanjakana, mba hiarovana ireo zaza kambana amin’ny fomban’ny Antambahoaka izay mihevitra ho fady ny fitaizana azy ireo »

[Mananjary, les jumeaux mieux protégés à l’avenir – lexpressmada.com – 10.12.2007 >>]

[Lisitra : Fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona – lexilogos.com >>]

FANAMPIM-BAOVAO 1 : tsy fantatro izay antony fa tsy notazonin’ny fanjakana Malagasy ny lohahevitra mikasika ny “haja” [Dignité] fa niova ho « Justice et Universalité » ny lohahevitra hodinihina mandritra ny herinandro amin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny zon’olombelona any Madagasikara ary ny fandinihana izay fanatsarana azo tanterahina mikasika ny toe-piainan’ireo ankizy sy izay ankilam-baon’ny fiaraha-monina no ifantohana amin’izany :

« Isan’ireo firenena nanao sonia ny fifanekena iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona i Madagasikara, hoy Ramatoa Bakolalao Ramanandraibe, Minisitry ny Fitsarana. Tsy ampy velively raha izay fanaovana sonia fotsiny. Mila fiezahana kokoa isika mba hahatanterahana izany. »

[Priorité aux enfants et aux marginalisés – lexpressmada.com – 11.12.07 >>]

FANAMPIM-BAOVAO 2 : nisy fifaninanana an-kira izay isan’ireo hetsika sy fanentanana natao :

« Heverina fa tsy hijanona fotsiny amin’ny hetsika sy fanentanana ny fankalazana lehibe fa hitondra fiovana lehibe sy azo tsapain-tanana eo amin’ny fanajana ny zon’olombelona. »

[Fanambaràna ny zon’olombelona, Ho feno 60 taona amin’ny 2008 – taratramada.com – 11.12.07 >>]

2 commentaires sur “07|12|10 – Haja sy Rariny hoantsika tsirairay”

  1. […] [Haja sy Rariny hoantsika tsirairay >>] droits de lhomme, Genève, human rights day, journée mondiale, justice […]

  2. Fanampim-baovao :
    – mandritra ny herinandro no ankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny zon’olombelona any Madagasikara,
    – raha nihalava ny fotoana, dia nihena kosa ny lohahevitra ka « Justice et Universalité » sisa … angamba latsaka teny an-dalàna ny “dignité”😉


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :