07|12|16 – Amazing Grace | Gospel Malagasy [Lausanne, CH]

Hotanterahina ny Alahady 16 Desambra 2007, manomboka amin’ny 15:00 ora tolakandro ny antsam-panahy ‘Gospel Amazing Grace’ ataon’ny antokom-pihira Malagasy Zaram-pifaliana, ao amin’ny fiangonana protestanta Croix d’Ouchy [sampanan-dàlana avenue d’Ouchy sy avenue de l’Elysée, Lausanne, CH | filankevitra +41 76 407 41 56 | +41 76 310 29 30].

Tsy misy vidim-pidirana.

flyer >>

2 commentaires sur “07|12|16 – Amazing Grace | Gospel Malagasy [Lausanne, CH]”

  1. Manao ahoanaiTomavana
    Mba ilazao tatitra ihany fa mahaliana. vao nanao vohikala iray io mbola eo am-panamboarana,fa ianao ve mpanao gazety e?toa arakao daholo ny vaovao rehetra. Hisy toerana hoan’ny Diaspora ao anatin’io site vaovao io mba hifampizarana sy hifampitam-baovao.
    Hanitra

  2. Misaotra ny mitsiditsidika hanitra a !

    Tsy dia mahazatra ahy ny fanaovana tatitra ka misaotra amin’ny fampahitsahivana. Azo ambara fa vitsy an’isa ihany ny antokom-pihira “Zaram-pifaliana”, 3 vavy sy 4 lahy anefa tena manana traikefa sy fahamatòrana amin’ny fihirana ry zareo. Maro ny mpijery ary vazaha ny ankamaroany mpijery (2/3). Hira “gospel” amin’ny teny Anglisy daholo izay miisa 16 no nataony izay nozaraina tapany roa nelanelanina “entracte” 5 min. Nofaranana tamin’ny hira “Avia ry mino” rodobe (miaraka amin’ny mpijery) ny fotoana nohon’ny fangatahan’ireo mpanatrika Malagasy🙂 Nahafinaritra ny fotoana dia amin’ny herintaona indray izany.

    Tsy mpanao gazety ny havanao fa amin’ny maha-malagasy dia ambaran’izay mahafantatra ahy izay zavatra mba henony mikasika an’i Madagasikara aty amin’ny manodidina aty. Rehefa mitantara izay natrehiko indray aho dia valian’ny mpiray tanindrazana hoe “mba nandre ihany ve dia tsy mba nizara ?” Avy eo dia marobe ireo telefaonina fanontaniana hetsika rehetra io, dia izany no nahatonga ahy hanokatra ity sehatra ity “izay fantatro ihany no ambarako anao”😉 Tsara ny vohikala fa dia hamangivangy matetika e.


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :