07|11|16 – Erick Manana Roots Band sy Graeme Allwright [Neuchâtel, CH]

Teraka ny 1 Janoary 1959 i Rafilipomanana Erick Harisolofo izay fantatry ny maro amin’ny anarana-tsehatra nohafohezina hoe Erick Manana. Raha tany Antananarivo no nilatsahan’ny tavoniny dia tany Fianarantsoa kosa no nitomboany. Fomba fanao mahazatra ny Raibeny ny nandrotsirotsy an’i Erick amin’ireo hira « tendry bà gasy » an-gitara raha nampatory azy fony kely, ary mbola io Dadabe io ihany koa no nanome azy ny gitarany voalohany ho fankalazana ny faha-12 taonany. Tovolahy efa nahafolaka gitara izy nony nifindra-monina tany Antananarivo.

Tokony ho tany amin’ny taona 1976 tany ho any, dia mpiaradia telolahy ry zareo no nanangana ny tarika « Lôlô sy ny Tariny » dia i Lôlô [Rakotomanga Angélo] sy i Bebey [Rakotomanga Mathurin] ary i Erick. Amin’ny maha mambran’ny « Lôlô sy ny Tariny » i Erick no nihaona voalohany tamin’i Graeme Allwright, Neo-Zealandey mihira amin’ny tena Frantsay, izay nanatanteraka fampisehoana tany Antananarivo tamin’ny taona 1979.

Ny famelombelomana indray ny hasin’ny hiran’i Razilinah, isan’ireo ngezalahy mpanakanto Malagasy namorona ny « tendry gasy » tamin’ny gitara, no nandrenesana ny anaran’i Erick voalohany izay mbola Erick Razilinah fotsiny aloha, vao nahazaka tena sy nivadika ho Erick Manana taty aoriana.

Hanohy fianarana any Bordeaux, Frantsa no nandaozan’i Erick an’i Madagasikara ary rehefa nandray anjara tamin’ny fampisehoana maro samihafa izy dia nofidin’i Graeme Allwright ho mpitendry gitara raikitra mpiaradia aminy nanomboka tamin’ny taona 1990.

Maro ireo mpanakanto hafa niarahany niasa [Parson, Tselonina, Mahaleo, D’gary, Salala, Régis Gizavo, Jaojoby, Mily Clément, Anna Tanvir sns …], sangany amin’ireny ny namoronany ny tarika « feo gasy » niaraka tamin’i Rakoto Frah sy Fafa-n’i Mahaleo.

Resaka raki-kira indray, ankoatry ny raki-kira izay niombonany tamin’ny tarika Lôlô natonta kapila tamin’ny taona 1981, dia tamin’ny taona 1993 izy dia namoaka raki-kira « Bonjour Madame la guitare » ho fahatsiarovana an-dRazilinah. Avy eo izy namoaka ny « Barikavily ». Ary tamin’ny taona 1997 izay nivoahan’ny raki-kirany « vakoka » sy nandrombahany ny fankasitrahana « Grand Prix du Disque de l’Académie Charles Cros » no tena nampalaza azy ivelan’ny mpihaino Malagasy. Manaraka nisesy ireto raki-kira « Taniko » [1999], « Maty ilay masoandro », « Voninkazo adalada » ireto ary ny raki-kira nivoaka farany tamin’ny taon-dasa [2006] dia ny « Best Of Erick Manana ».

Mpanakanto roa efa nifankahalala hatramin’ny 28 taona lasa izany no indray hiara-hanatanteraka rindra-kira any Neuchâtel [Suisse]. I Erick Manana omban’ny tarika « Roots » mpiara-dia aminy sy i Graeme Allwright, ny Zoma 16 Novambra 2007, manomboka amin’ny 21:00 ora alina ao amin’ny Espace Perrier de Marin, any Neuchâtel [Espace Perrier de Marin, Rue Charles Perrier 2, 2074 Marin – Epagnier, Neuchâtel, Suisse]. Misokatra dieny amin’ny 18:30 ny varavarana hoan’ireo izay hanatrika ny sakafo Malagasy.

Izany dia karakarain’ny Association Mamisoa [Solidarité Madagascar, Neuchâtel] ho famatsiana ireo tetik’asa tohanany any Madagasikara sy ny fikambanana Kiwanis International, serving the Children of the World™ [filankevitra sy famandrihana +41 79 278 14 48].

Vidim-pidirana : fampisehoana 35.- CHF | sakafo 25.- CHF | mitambatra 60.- CHF | famandrihana mialoha 55.- CHF [pré-location].

[Graeme Allwright – biographie par Fabicolor aka Ghislain Debailleul >> | fr.wikipedia.org >>]

[Association Mamisoa, Solidarité Madagascar, Neuchâtel – mamisoa.ch >>]

[Kiwanis International – kiwanis.org >>]

12 commentaires sur “07|11|16 – Erick Manana Roots Band sy Graeme Allwright [Neuchâtel, CH]”

  1. dia mankafiza zany e!

  2. Mbola tsy fantatra izay fandehany satria hazakazaka ihany ilay mirava avy miasa dia mandeha avy hatrany, sady Neuchâtel mbola 125 km avy eto Genève. Sady be ny fiarakodia ny Zoma hariva noho ireo olona mpaka rivotra faran’ny herinandro😉 ampitaiko eto ihany raha lasa any aho.

  3. Merci à Erick et aux musiciens et chanteurs du roots Band;
    Modeste: Saxophone
    Passy: Valiha
    Solofo: Trompette
    Rivo: Apongabe
    Lucienne et Lalo: Choristes
    Hery: Accordéon
    Rija: Guitare
    Dina: Contrebasse
    Ces artistes ont tous de belles carrières et il est difficile de les réunir. Je les remercie d’avoir accepté de venir à Neuchâtel pour un concert qui sera vraiment exceptionnel (Ils viennent de Renne, de Bordeaux, de Paris de Strasbourg) Il ne sera plus possible de renouveler cet exploit avant quelques années malheureusement. Au nom de l’Association Mamisoa et des amoureux de la musique malgache je remercie le Kiwanis International,Graeme Allwright, Erick Manana, tous les musiciens et choristes ainsi que Tomavana .wordpress

  4. Rasoajojo quelle joie de te lire ici😀

    Cool toutes ces précisions et d’avoir rendu justice aux musiciens en attribuant les noms aux visages / instruments. Il est vrai qu’Eric est le plus connu mais le groupe grâce à leurs talents individuels offrent une dimension supplémentaire. Humm … d’ailleurs désolé d’avoir utilisé cette photo où manquent les filles et Rija😉

    Sinon, il n’y a vraiment pas de quoi me remercier, tout le plaisir et pour moi et encore un grand merci à vous d’organiser de telles manifestations d’envergures et de qualités pour l’expression des artistes Malagasy. Ils en ont grands besoins.

    D’ailleurs, à propos de ton initiative de lancer un « fond culturel » pour la promotion de la culture Malagasy … c’est quand tu veux pour une interview😉

  5. c’est très volontiers pour l’intervew merci pour les artistes. Juste un mot d’Erick Manana qui est là en ce moment et qui précise qu’il est né à Tana et non à Fianarantsoa et qui est heureux de vous retrouver à Neuchâtel le 16 novembre.
    « Manao Veloma Finaritra » Erick Manana

  6. Misaotra betsaka amin’ny fitsidihana sy ny fanitsiana😀 atao akory fa na « ny mihinam-bary aza misy latsaka »

  7. Mitady ny cordonnées-n’i Erick aho, hisy hetsika hatao ny malagasy aty Sarthe amin’ny 5 jolay ho avy io.
    Misaotra mialoha.

  8. Alefako aminao mivantana ny imailaky Rasoajojo satria izy no miara-miasa amin’i Erick Manana akaiky🙂 Misaotra tamin’ny famangiana Léon

  9. mana ahoana Tompoko!
    misy fanontaniana ho an’i Rasoajojo:

    ahoana no afahako mifanoratra amin’i Erick Manana fa izahay malagasy eto Dakar/ Senegal dia mikasa hampafantatra ny zakanto malagasy amin’ny alalan’ny hira sy zavamaneno (gala)?
    Izahay dia fikambana mitandro ny zon’ny malagasy eto an-toerana sy mandray anjara amin’ny asa fanasoavana ho an’ireo niangaran’ny vintana na tra-boina eto an-toerana sy any Madagascar (cyclones sns…).

  10. Tongasoa eto Harisoa, mahafinaritra izany fiaraha-mientan’ny samy Malagasy any aminareo izany fa tsara raha mitohy. Alefako aminao mivantana dieny izao ny imailaky Rasoajojo.

  11. […] [Erick Manana – Mombamomba fohifohy >>] […]

  12. […] [Erick Manana – Mombamomba fohifohy >>] […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :