Maniraka ny Atsantsa

Ahoana no avalinareo ireto fanambarana manaraka ireto « maniraka ny Dahalo hiambina ny omby » na koa hoe « maniraka ny Amboadia hiambina ny ondry » ? Raha toa ka mamaly ianareo fa mifanipaka ny tanjona kendrena sy izay enti-manana hahatrarana izany tanjona izany [le but et les moyens mis en œuvres] dia tsy azoko disoana izany valinteninareo izany.

Dia ahoana indray ary no fihevitrareo ny fanapahan-kevitra ny hanome ny anarana Atsantsa [requin | shark] ilay sambo vaovao izay hampiasain’ny Malagasy ho fanaraha-maso sy fiarovana ireo velaran-dranomasina fanjonoana sy ho fampiharana ny lalana mifehy ny fanjonoana any Madagasikara. Tsy izany ve no hoe « maniraka ny Atsantsa hiambina ny trondro » ?

Bio express : Naharitra 10 volana ny fanamboarana ny sambo Atsantsa. Raha 35 metatra ny halavany sy 9,2 metatra ny sakany dia 2,95 metatra kosa ny halaliny ary mahatratra 13,5 nœuds [25 km/h] ny hafainganam-pandehany. Miisa 21 ireo mpiantsambo matilo ilaina hampihodina azy ary ny dimy amin’izy ireo dia manam-boninahitra.
Notanterahina tany amin’ny « Chantier Naval de l’océan Indien » Port-Louis, nosy Maurice, tamin’ny Alarobia 24 Oktobra 2007 ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny sambo Atsantsa izay hiantsona maharitra any Mahajanga, izay seranam-piantsonan’ireo sambo vaventy vahiny manjono aty Madagasikara.

[sary tany amin’ny wronawalger.blogspot.com >>]

[Atsantsa | Fiche tech. – cspmadagascar.mg >>]

[Sécurité côtière, remise officielle de l’Atsantsa – lexpressmada.com >>]

[Le « Atsantsa » s’investira davantage – madagascar-tribune >>]

7 commentaires sur “Maniraka ny Atsantsa”

  1. tsy haiko tomavana a!
    Aleo laniny any daholo😀

  2. Hoan’Ikalakely, tantara fohy mikasika ireo Zandary [Gendarmes] mandeha manenjika Dahalo. Izay tanàna itobiany no miantoka ny sakafo mandra-pahavitan’ny « mission ». Dia ny Dahalo tsy azo fa ry zalahy Zandary no voky aloha.

    Maharitra ny mission, farany leo ny mponina eo an-tanàna dia mandroaka azy ka manao hoe : « angamba matahotra anareo ny Dahalo, misaotra betsaka fa afaka mody amin’izay ianareo. »

    Ny tena marina anefa dia aleony mody ireto zandary fa sao lany ny ambim-bava kely eo an-tànana no sady misy bevohoka tsy manam-bady ireo tovovavy eo an-tanàna😦

  3. Hahaha, sady mampihomehy no mampalahelo.
    Kely loatra kosa aloha ny karaman’ireo zandary anefa ny asa andrasana aminy tena mazana be e. Zara aza misy olona manome sakafo azy.

    Nisy asa nataoko izay mikasika ny mpivaron-tena fa ny zandary no tena mpanolana,mpitondra aretina ary mahabevohoka zazavavy aty an-tànana aty. Miaraka amin’ireo saoferana taxi brousse.

    Mampalahelo

  4. Ny ahy mba honohono fotsiny fa ny anao izany tena notsapainao tànana mivantana. Atao ahoana tokoa fa « dommages collatéraux » daholo ireny rehetra ireny.

  5. Fanampim-baovao novakiako tamin’ny gazety androany : taloha dia roa monja no isan’ny sambon’ny CSP [Centre de Surveillance de Pêche]. Taty aoriana dia nisy sambo Japoney tratra tsy an-drariny tany amin’ny ranomasintsika ary dia navadika ho sambo mpiambina fahatelo. Dia ny « Atsantsa » izany no sambo fahaefatra.

    « Le Centre de Surveillance de Pêche a constaté 268 infractions de janvier à octobre 2007 contre 310 l’an dernier » | Midi Madagasikara – 12.11.2007 >>

  6. Fanampim-baovao tena maresaka be mihintsy ny Atsantsa any amintsika fa saika isan’andro dia misy lahantsoratra mikasika azy. Ny ampitaiko farany dia ny mikasika ny velaran-dranomasina fanjonoana manodidina an’i Madagasikara : 1’140’000 km2😯 Harena zalahy anaty rano ao e, fa ambeno soa !

    « Madagascar dispose d’une Zone Economique Exclusive [ZEE] d’une superficie de 1’140’000 km2, presque le double de sa superficie. Ses eaux territoriales s’étendent jusqu’à 12 miles des côtes, et occupent une surface de 113’131 km2. D’autre part, le plateau continental couvre 117’000 km2. » | Madagascar Tribune.com – 13.11.2007 >>

  7. Manampy amin’ny fikarohana sy avotr’aina taorian’ny nianjeran’ilay fiaramanidina laharana IY626 tany Kômôro ny sambo Atsantsa friendfeed.com/tomavana – 30.06.2009 >>


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :