07|11|01 – Tiharea any amin’ny festival Voix sacrées du monde [Lausanne]

I Talike sy i Delaky ary i Vicky izay mivondrona ao anatin’ny tarika Tiharea dia hanatanteraka rindran-kira vakoka Antandroy Malagasy [Beko] amin’ny Alakamisy 1 Novambra 2007, any amin’ny Église Saint-Laurent [place Saint-Laurent, Lausanne] amin’ny 19:30 ora alina, misokatra dieny amin’ny 18:30 ora ny varavarana.

Izany fampisehoana izany dia tanterahina ao anatin’ny « festival Voix sacrées du monde » izay haharitra hatramin’ny 11 Novambra 2007 [filankevitra +41 79 237 48 27].

Bio express : mpirahavavy telo tao amin’ny fianakaviana Gelle no nivondrona, tamin’ny taona 1997 ho tarika Tiharea na harena amin’ny fiteny Antandroy.
Amponga gasy Langoro sy Katsa ihany no ampiasainy fa hira vakoka Beko rano iray na « a cappella » ny ankamaroany, izay ravahin’ny Mangononoke, Tsinjabe, Tsimoniny, Tsotsoboke izay dihy avy any amin’ny faritra Atsimon’ny nosy.

Lahatsarimihetsika isaorana ny Club UNESCO de Pechina, Espagna

[Blaogin’i Talike – talikegelle.blogspot.com >>]

[festival Voix sacrées du monde – voixsacrees.ch >>]

3 commentaires sur “07|11|01 – Tiharea any amin’ny festival Voix sacrées du monde [Lausanne]”

  1. Misy beko? hira avy any atsimo? mba rahoviana ry zareo no ho aty atsimon’i La frantsa e? anisan’ireo mankafy ireo hira avy any atsimo aho. Misaotra nampahafantatra an’ity tarika Tiharea ity.

  2. Elaela indray izany Ra-nante9, faly mihaona aminao eto indray🙂

    Tsy misy fisaorana fa izaho koa tena mba isan’ny mankafy Beko saingy tamin’ny herintaona aho efa tsy nahita Tinondia >> ka mba hiezaka ihany.

    Araky ny fandaharam-potoana tsinjoko teo amin’ny blaogin’i Talike dia toa daty roa any Aotrisy sy Espagna sisa dia tapitra ireo andian-kira tamin’ity taona ity. Angamba amin’ny herintaona indray e😉

  3. […] Malagasy amin’ny fampiarahampeo sy fihirana ny vakoka Antandroy toy ny Beko ny tarika SALALA sy TIHAREA. Hanatanteraka rindran-kira aty Soisa ireo tarika roa ireo ny Zoma 7 Mey 2010 [20:30 ora] […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :