Sao mba misy fitaovana tsy ilainao intsony any ho any ? | CH-Madagascar

Ny tetikasa Toby Risika na « Centre Risika » dia mikendry ny hanorenana « centre culturel », sy toeram-piasana hazo-vy [atelier de menuiserie-ferronnerie] ary sekoly fianarana tao-zavatra hoan’ny tovovavy [école ménagère] any amin’ny faritra Vakinankaratra, any Madagasikara.

Io tetikasa Toby Risika izay vatsian’ny « Groupe de Soutien Technique, CH-Madagascar » [GST] na Vondrona Soisa ho Fanohana ara-Teknika ireo ONG any Madagasikara io, no anaovan’ny Radio Soisa la première antso avo amin’ny alàlan’ny fandaharan’i Jean-Marc Richard « Chacun pour Tous » na ny tsirairay hoan’ny rehetra, nanomboka tamin’ny Alakamisy 18 Oktobra 2007 lasa teo ary ampitaiko etoana sao dia mba misy fitaovana tsy ilaintsika intsony any amintsika tsirairay any anefa mety mbola mahasoa ny hafa😉 Marihina fa amin’ny faran’ny volana Novambra 2007 izao sahady no handefasana ny « container » izay anampian’ny Masoivoho Soisa any Madagasikara eo amin’ny lafiny fitaterana.

Ny GST izay miasa ao anivon’ny « Fondation St-Paul de Fribourg » dia fivondronana Injéniera sy olona manana traik’efa aty Soisa izay manatanteraka asa hoan’ireo Fikambanana tsy Miankina amin’ny Fanjakana any Madagasikara [ONG | Organisation Non-Gouvernementale].

Ny fandaharana « Chacun pour Tous » kosa dia tetezamita mampifandray ireo mpanao asa fampivoarana izay mitady famatsiana ara-pitaovana sy ireo mpihaino izay mety mbola mitahiry fitaovana izay tsy ilainy intsony. Voafetra ho fitaovana sy fanampiana an-tsitrampo [bénévolat] ihany fa tsy vola no fangatahana ampitain’io fandaharana io [filankevitra sy fanolorana fitaovana +41 21 318 16 00].

tomavana | GST 2007

[Groupe de Soutien Technique – ch-madagascar.ch >>]

[Lisitr’ireo fitaovana tadiavina – rsr.ch/la-1ere/chacun-pour-tous >>]

[Hihaino ny antso 18.10.2007 >> | 19.10.2007 >> | 22.10.2007 >> | 23.10.2007 >>]

4 commentaires sur “Sao mba misy fitaovana tsy ilainao intsony any ho any ? | CH-Madagascar”

  1. Ny eto Dago aloha tsy misy zavatra verivery fotsiny amin’izao e! fatim-by aza mbola misy mangalatra…

  2. Tena marina mihintsy izany🙂 Matetika no aseho ho ohatra ireo fiarakodia sy kilalao amboarina amin’ny ambim-by fotsy sy viraty ary manomboka tonga saina ireo mpandinika fa mila mianatra amin’ny ny any amintsika ry zareo tandrefana … mbola mijanona ho faniriana ihany anefa izany fa tsy mbola arahin’asa.

    Atao ahoana fa ny lalàn’ny tsena dia ny mpividy hatrany no mandidy ka tsy tena mbola misy te-hitsabatsabaka amin’io tsena vaovao io aloha.


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :