07|10|12+14 – Andron’i Madagasikara 07 any amin’ny Zoo-n’i Zurich [Zurich, CH]

Ho an’ireo izay mahatadidy dia efa lasa ifamotoanana ny mandeha mikorana any Zurich ny tapatapaky ny volana Oktobra, satria telo taona mifanesy izao no andraisan’ny antokom-pihira Valihan’i Jehovah anjara amin’ny fankalazana ny andron’i Madagasikara [Madagaskar tage] izay atokan’ny Zoo-n’i Zurich hanohanana ny Valan-javaboaharin’i Masoala, izay manomboka amin’ny Zoma 12 Oktobra 2007 ka hatramin’ny Alahady 14 Oktobra 2007 ny andianay faha-efatra [hatramin’ny taona 2003].

Maro ireo hetsika any an-toerana ary singanina amin’izany ireo fampisehoan’ny Valihan’i Jehovah izay tanterahiny isaky ny adiny iray any amin’ny faritra Masoala eo anivon’ny Zoo. Ny tontolon’ny Asabotsy 13 sy ny Alahady 14 Oktobra 2007.

Marihina fa tsy misy vidim-pidirana manokana amin’izany vako-drazana izany, fa ny vidim-pidirana amin’ny Zoo ihany no aloa, ary tsahivina fa misy fidirana mivantana avy hatrany aty amin’ny faritra Masoala fa tsy voatery mihodidina any amin’ny vavahediben’ny Zoo-n’i Zurich.

Karazana masoivoho ihany ireo tanora ao amin’ny antokom-pihira ireo satria izany hetsika izany dia natokana hampahalalana bebe kokoa ny vakoka sy ny fombafomba fiainan’ny vahoaka Malagasy … mba ho famenon’ny fampahafantarana ireo biby rahateo. Ary maro tokoa ireo mpijery mijanona miresaka sy liana ny hahalala bebe kokoa aorian’ireo fampisehoana.

Tsaroako aza tamin’ny herintaona fa nangataka ny mba anaovana ny hira sy dihin’ny « Mandihiza Rahitsikitsika » ity ramatoa vazaha iray, dia notanterahin’ny tarika izany no sady nasainy ilay ramatoa hiara mandihy aminy [😯 vazaha mandihiza rahitsikitsika !] Ka tsy nisy izay anavahana izay antokom-pihira sy mpijery intsony, fa olona marobe miara-mikorana no sisa tazana😀

Masoala-Kely taona hafa
2011 >> | 2010 >> | 2008 >> | 2006 >> |

8 commentaires sur “07|10|12+14 – Andron’i Madagasikara 07 any amin’ny Zoo-n’i Zurich [Zurich, CH]”

  1. Salut,

    Misaotra amin’ny article e.
    MIrary soa hatrany.

    Mamy

  2. Faly mamaky anao eto ry Mamy😀

    Tsy misy fisaorana, ary izaho aza no mialatsiny fa tsy ho afaka hanaradia anareo aho amin’ity indray mitoraka ity. Anefa matoky aho fa asandratrareo avo ny voninahitr’i Gasikara🙂
    P.S: mba itondray sary ho voandalana hozaraina e !

  3. […] 2006 : Andron’i Madagasikara hoan’i Masoala >>] [Madagaskar-Tage 2007 : Andron’i Madagasikara 07 any amin’ny Zoo-n’i Zurich >>] […]

  4. […] [Madagaskar-Tage 2007 – Masoala >>] […]

  5. […] in Masoala-Kely #… on 06|10|14+15 – Andron…VJ in Masoala-Kely #… on 07|10|12+14 – Andron…VJ in Masoala-Kely #… on Madagaskar-Tage 2008 | Masoala…VJ in Masoala-Kely #… […]

  6. […] oct 2007 at 22:20 07|10|12+14 – Andron’i Madagasikara 07 any amin’ny Zoo-n’i Zurich [Zurich, CH] &la… […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :