Mbola faharoa indray ny Malagasy [rugby CAN 2007]

© DTS via moov.mg, Madagasikara 11 – Oganda 42.

I Oganda [« Crane » na karandoha] no nandrombaka ny amboaran’ny tompon-dakan’i Afrika amin’ny taranja rugby taona 2007 izay natao tany Antananarivo ny lalao famaranana. Resiny tamin’ny isa 42 noho 11 i Madagasikara [Maki].

Ny Ivoriana kosa no laharana fahatelo raha nandresy ny Kenyana tamin’ny isa 20 noho 17 izy ireo.

Tsahivina fa isan-droa taona no iadiana ny tompon-dakan’i Afrika amin’ny taranja rugby, ary tamin’ny taona 2005 dia i Marôka no nanakana antsika tsy ho tompon-daka raha nandresy antsika 46 noho 6.

Angamba hisy ny hiteny hoe « mbola faharoa indray ny Malagasy » raha izaho kosa anefa dia miarahaba sy MISAOTRA NY MAKI namelombelona fanantenana tao am-pon’ireo mpiray tanindrazana maro, ary mbola manantena hanao tsaratsara kokoa amin’ny roa taona ho avy satria « raha indroa mandeha ve no mata vary dia handevin- tsotrobe ? »😀

Ny lalao araky ny isa :
Toetr’andro : Tsara
Toerana : Kianjan’i Mahamasina
Isan’ny mpijery : 15 000
* * ** * * ** * *
min faha-2 , 3-0, Anthony Kinene, N° 9 [pénalité]
min faha-15, 3-3, Fenohery Rakotondrazaka, N° 15 [pénalité]
min faha-20, 6-3, Anthony Kinene, N° 9 [pénalité]
min faha-28, 6-6, Fenohery Rakotondrazaka, N° 15 [pénalité]
min faha-32, 11-6 [essai]
min faha-32, 13-6, Anthony Kinene, N° 9 [transformation]
min faha-38, 18-6, Edmond Tumusiime, N° 10 [essai]
min faha-38, 20-6, Anthony Kinene, N° 9 [transformation]
min faha-40, 20-11, Jacquôt Harinirina, N° 11 [essai]
min faha-46, 23-11, Allan Masiko, N° 14 [droap-goal]
min faha-60, 28-11, Allan Masiko, N° 14 [essai]
min faha-72, 33-11 [essai]
min faha-72, 35-11, Anthony Kinene, N° 9 [transformation]
min faha-79, 40-11 [essai]
min faha-79, 42-11, Anthony Kinene, N° 9 [transformation]

[Les Ougandais, rois d’Afrique – moov.mg >>]

[Les Makis ont flanché ! – madagascar-tribune.com>>]

[Les Makis échouent en finale – midi-madagasikara.mg >>]

[Les Makis d’un cran en dessous des Ougandais – lexpressmada.com >>]

3 commentaires sur “Mbola faharoa indray ny Malagasy [rugby CAN 2007]”

  1. marina mihitsy ilay lazainao momba ny fandrahoam-bary ! saingy…afaka 2 taona ve tsy ho masaka ny…ivorianina ?

  2. tsssss🙂 nampalahelo indray izany , tahak’izay aho tsy nanao tombatombana omaly. Tokony ho tohana ireo mpilalao Rugby ireo nohon’ny ny vokatra entiny raha ampitahaina amin’ny taranja hafa fa tena mamokatra tokoa ny « ecole de rugby , ecole de la vie » natao tany madagasikara taona maromaro lasa izay. Matoa finaliste in-droa de efa isan’ny equipa atahorana any Afrika any izany. Na dia izany aza dia malahelo kely ry zalahy.

  3. @ Rajiosy ny tena tanjona ve tsy ny handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany na « championnat du monde » e ? Amiko dingana fotsiny ny CAN rugby😉

    @ Hrj Tokony mba avela hijery ny lalao famaranana aty Frantsa tokoa ry zareo😉 ankoatr’izay misy resaka adim-bola ampitain’ny Madagascar-tribune😦


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :