07|09|25-29 – Andro Soisa | Journées Suisses [Antananarivo]


Tanterahina any Antananarivo nanomboka tamin’ny Talata 25 Septambra 2007 ka hatramin’ny Asabotsy 29 Septembra 2007 ireo « Andro Soisa » na « Journées Suisses ». Izany no atao dia ny mba hikitikihana ny vahoakan’Antananarivo handrisika azy hikarokaroka sy hahalala bebe kokoa ny mombamomba an’i Soisa fa tsy hionona amin’ny kihonohono « ny chocolat sy famantaran’andro ary banky » fotsiny.

Marobe ny hetsika apetraka, ary raha tsy nalaky niverina aho fa mbola tany an-toerana dia ity iray ity no mba novonjeko, ny « fanandramana fampitahana an-jambany » [dégustation à l’aveugle] chocolat Robert, na Epiceo, na Lindt, na Nestlé. Tsy chocolat ihany anefa fa misy koa fanandramana tsiron-tsakafo netim-paharazana Soisa, sy fandefasana sarimihetsika, fampahalalana ny tao-trano « architecture suisse contemporaine » [hoan’ireo mahalala i Le Corbusier aka Charles-Édouard Jeanneret-Gris dia teratany Soisa], hihaino mpihira sy mpiangaly Jazz, hijery mpandihy na koa handihy amina mozika-na VJ Soisa.

Ireo izay liana dia afaka ny hanaraka ireo fandaharana ireo izay miparitaka amin’ny toerana samihafa toy ny AFT [Alliance Française de Tana] sy ny biraon’ny Holcim na koa mandray anjara amin’ny adihevitra mikasika ny fitsinjaram-paritany na « fédéralisme », ny toe-karena, ny fitsinjovana ny tontolo iainana, ny mombamomba ny fiainan’ny Malagasy aty Soisa, ny Soisa miaina aty Madagasikara, ny fiaraha-miasa ho fampandrosoana.

Dia mba ilazao ihany ny havanareo raha misy manatrika an’ity « fiainan’ny Gasy aty Soisa » ity fa mba liana te hahafantatra izay tantarainy any an-tanindrazana any aho😉

[Un voyage au pays helvétique – les-nouvelles.com >>]

[Cinq jours pour découvrir la Suisse – les-nouvelles.com >>]

[1er Août 2007 à Ambohibao : Fête Nationale Suisse – madagate.com >>]

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :