Tafahoatry ny 150’000 sahady ny mpijery | LA BANDA GOTSO

© festival-donia.com, Mamy Gotso

Efa telo volana aho no nandre momba ny tarika LA BANDA GOTSO fa izao vao tapa-kevitra ny hizara aminareo ny tarika vaovao misy an’i Mamy Gotso, mpanankanto Malagasy. Ny antony dia satria tao anatin’ny tapa-bolana monja dia miisa 150’000 mahery ny isan’ireo nijery ny « clip » farany navaokany « Chabal y va tamponner » izay mankalaza an’i Sébastien Chabal ilay mpilalao rugby avo ranjanana frantsay [1,92 m | 115 kg].

Ho fanazavana ny antony mahabe ny mpijery toy izao dia azo ambara tsy am-pihambahambana ny fifanandrifian’ny fivoahany amin’ny fanatanterahana any Frantsa ny fifaninanana ho tompon-daka eran-tany amin’ny taranja rugby sy ny fankalazana fatratra an’i Sébastien Chabal na « Chabalmania » any Frantsa. Tsy dia resaka fanatanjahantena loatra koa no ventesin’ity hira ity fa na ny lohateniny aza dia azo lazaina fa nadika tamin’ilay hira iray « Zidane il a frappé, coup de boule » izay efa re ombieny ombieny tamin’ny taona 2006.


Chabal y va tamponner, LA BANDA GOTSO

Mpanakanto samihafa fihaviana [Malagasy sy Frantsay ary Gabôney] izay natambatry ny fitiavana mozika sy fanatanjahan-tena ny tarika LA BANDA GOTSO izay azo adika hoe « ny tarika naman’i Gotso » [la bande à Gotso]. Ahitana an’i Mamy Gotso, Naivo Rajoelina, « Pacogasy » aka Hervé Curat, Boudha Cardot ary Lucien Tinnirello.

Na dia samy tia mozika izy ireo dia i Mamy Gotso ihany no mpanakanto matihanina fa i Pacogasy izay tany Madagasikara fahiny dia mpampianatra taranja fanatanjahan-tena ary i Boudha kosa dia mpandraharaha, manana orinasa mamboatra tee-shirt, ary samy monina any Libreville, Gabon izy roalahy.

Ity ambany ity ilay hira voalohany nandrenesako io tarika io [mikasika rugby ihany koa izy ity] « Au contact il faut aller : Coupe du Monde de rugby 2007 » izay toa mampahatsiahy ny hira « Pas le temps, pas le choix faut y’aller » mandravaka ny andiana horonantsary [série TV] « Prison break » hirain’i Faf LaRage anaran-tsehatr’i Raphaël Mussard izay mpanankanto manana ila Malagasy koa no sady mpanao hip-hop malaza monina any Marseille, Frantsa.

Mazava ho azy fa tokony samy hanaja izay mpifanandrina aminy izay rehetra manao fanatanjahan-tena satria lalao ihany io fa tsy ady😉

Fanampim-baovao, vakio koa ny dinidinika nifanaovan’i Pacogasy tamin’i Maral Amiri izay tanterin’ny afrik.com [Rugby à la sauce afro – Après « Zidane y va marquer », voici l’hymne de soutien à l’équipe de France de rugby – afrik.com >>]

[labandagotso.com >>]

[youtube.com/user/labandagotso >>]

[dailymotion.com/labandagotso >>]

[Sébastien Chabal – fr.wikipedia.org >>]

[Zidane il a frappé, coup de boule – youtube.com >>]

[faflarage.fr >>]

[Pas le temps, pas le choix faut y’aller – youtube.com >>]


Au contact il faut aller, LA BANDA GOTSO

6 commentaires sur “Tafahoatry ny 150’000 sahady ny mpijery | LA BANDA GOTSO”

  1. Resaka rugby ihany, hanao ny lalao famaranana amin’ny fiadiana ho tompon-dakan’i Afrika CAN rugby 2007 ny ekipam-pirenena Malagasy « Maki» sy ny ekipan’i Oganda, amin’ny Asabotsy 29 Septambra 2007 ho avy izao any Antananarivo.

    Tamin’ny lalao manasa-dàlana dia nandresy 25-32 ny ekipa Ivoriana ny Maki, ary 12-24 kosa ny Kenya sy ny Oganda « Les Makis en vedette face aux Eléphants ivoiriens ! » – madagascar-tribune.com >> | « Les Makis en finale contre l’Ouganda » – lexpressmada.com >>. Marihina fa isan-droa taona no iadiana ny ho tompon-dakan’i Afrika CAN rugby.

  2. […] dans la mêlée. Bien entendue seule la Culture Malgache en est ressortie gagnante : en clips chez To,en danses (pas de Haka) chez Ta, en Lettres et en équipe (comme chez les All-Blacks…) chez […]

  3. Ary henoko amin’ny radio eo ihany io hira chabal io fa tsy nanmpoiziko hoe Mamy Gotso😉

    Raha no tokono hoe izy tokony maharesy Makis amin’io final io fa toa efa resin’izy ireo Ouganda ireo … nefa aleo malina ihany fa ny baolina lavala🙂

  4. Toa mandeha foana any amin’i « centre de Marcoussis » ireo hira ireo mandritra ny fanazarana ataon’ny « les bleus »😉

    Ahoana, nijery rugby tany amin’ny Vélodrome ve omaly ?

  5. this song is really hot
    please I’ll more information from Mamy Gotso
    He is so sexy

  6. Hi Michaela, unfortunately no news since last year, hereunder his last interview’s link [in french]
    Mamy Gotso Interviewed by sobika.com | septembre 25, 2006 >>


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :