Am-pilaminana ny fampitsaharana ireo « squats » tato ho ato

Par : tomavana

Sep 25

Tags:, , ,

Catégorie: tsetsatsetsa

3 Commentaires


Vokatry ny fifanakalozana sy ny fifandaminana nipetraka teo amin’ireo mpiantrano an-keriny sy ireo mpitandro ny filaminana, ary indrindra ny fanelanelanan’ny ben’ny tànana eto Genève, dia nitsahatra am-pilaminana ny Alarobia 19 Septambra 2007 izay ankatoky ny fe-potoana nifanarahana [20 Septambra 2007] ny « squat de l’Arquebuse » [rue de l’Arquebuse 13] rehefa naharitra 13 taona.

Voalohany izao no tsy nilana fanatrehan’ny mpitandro ny filaminana ny fampitsaharana « squat ». Diso anefa izay nalaky nihevitra fa ny fahanginan’ireo mpiantrano an-keriny dia midika fa nandresy ny Polisy satria ny Asabotsin’io ihany, ny 22 Septambra 2007 dia niantranoan’ny sasany an-keriny indray ny tranobe foana ao amin’ny rue de la Coulouvrenière 40.

© Laurent Guiraud, tdg.ch, ny « squat de la Coulouvrenière »

Trano foana kosa no novantanin’ireo Polisy raha nikasa ny handroaka ireto mpiantrano an-keriny ry zareo omaly Alatsinainy 24 Septambra 2007, satria nisafidy ny tsy hifanandrina ireto mpiantrano an-keriny ka nandao mialoha ity « squat de de la Coulouvrenière » vao niforona ity.

Satria voararan’ny lalàna ny mandroaka mponina mandritra ny tonon’andro ririnina, dia angamba hitsahatra hatreo aloha ny fandroahana amin’ity taona ity satria efa miha-mangatsiaka sahady ny toetr’andro. Tsy maintsy mbola hiverina ihany anefa ity raharaha ity rehefa mipody ny andro tsara, satria miisa 26 ireo trano mbola iantranon’ny sasany an-keriny eto Genève.

[Les squatters quittent l’Arquebuse dans le calme – tdg.ch >>]

[Des squatters s’installent au 40, rue de la Coulouvrenière – tdg.ch >>]

[Le squat s’est vidé avant l’arrivée de la police – tdg.ch >>]

[lahantsoratra taloha mikasika ireo « squats » eto Genève : Efatra ora nisiana monja ilay « squat » farany teto Genève >> | Manjombona ny hoavin’ireo « squats » eto Genève >> | Rotaka teto Genève >> | Miantso filaharana indray ireo voaroaka tamin’ny « squat du Rhino » >> | Nilavo-lefona andro orana ny tandroka menan’ny « squat du Rhino » >> | Vahoaka sesehena no nanoina ny antson’ny « squat du Rhino » >> | Miantso fanohanana ireo mponin’ny « squat du Rhino » >> | Noroahin’ny Polisy ny « squat de la Tour » >>]

3 commentaires sur “Am-pilaminana ny fampitsaharana ireo « squats » tato ho ato”

  1. coucou e, tonga soa e, nanahoana ny fialan-tsasatra, alefaso ny sary fa mba efa te hahita anay,biz

  2. Sali e, elaela indray izany🙂 hazakazaka be ny tany an-tanindrazana ary mbola mitohy hatraty ka dia mialatsiny fa mbola mangataka faharetana kely « vary iray venty » amintsika.

  3. […] 10.- CHF ny vidim-pidirana, satria ny Artamis dia isan’ny squat >> malaza amin’ny fivoizana zava-kanto « ambanin’ny tany » [underground] hoan’ny […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :