Efatra ora nisiana monja ilay « squat » farany teto Genève

Par : tomavana

Août 31

Tags:, , ,

Catégorie: tsetsatsetsa

1 Commentaire


Tamin’ny Alarobia 29 Aogositra 2007 tamin’ny vaovaon’ny 23:00 no nandrenesako tamin’ny radio fa eo am-pandroahana ilay « squat » any amin’ny 45 rue de Saint-Jean, vao niantranoana an-keriny ny Polisy teto Genève.

« Indreto fa mbola miverina indray izahay ! » [Nous revoilà !] izany no sorabe narantirantin’izy ireo teny amin’ny rindrina ivelany teo raha niditra ity trano foana ry zareo ny tolak’andron’io Alarobia io.

Taorian’ny fidiran’ny Polisy an-tsehatra dia heno fa 25 ny olona tra-tehaka tao ary ny 3 amin’izy ireo no niakatra fampanoavana vokatry ny fanadihadiana. Mangataka ny hanasaziana ny mpitandro filaminana iray izay nanampatra herisetra kosa Rtoa Géraldine Jacot izay mpanao gazetin’ny fahita-lavitra-m-bahoaka TSR [Télévision Suisse Romande] izay voadaroka sy simba fitaovana nandritra izany fandroahana izany izy, na dia nanao fanamiana akanjo misy sorabe « TSR » sy milanja ny fakan-tsarimihetsika ary nihorakoraka ny maha-mpanao gazety aza. « Tsy tazana tsara mantsy ny badge manamporofo ny maha-mpanao gazety azy » no fialan-tsiny naroson’ny mpitondra-tenin’ny Polisy raha nanontanian’ny mpanao gazety momba ity raharaha ity izy.

Tsahivina fa ny « squat du Rhino » izay vao noroahina no naharitra indrindra, 19 taona, ny « squat de Jacques-Dalcroze » izay nanomboka tamin’ny Asabotsy lasa teo dia naharitra 24 ora, ary ity « squat de Saint-Jean » ity dia zara raha naharitra 4 ora. Ny mponin’ny « squat de l’Arquebuse » kosa izay tokony horoahiny ny Talata 4 Septambra 2007 dia nahazo famindram-po hatramin’ny Alakamisy 20 Septambra 2007 rehefa niangavy an’i Daniel Zapelli, « procureur général de la république de Genève » i Patrice Mugny, ben’ny tanàna am-perin’asa izay nanaiky ho mpanelanelana ireto mpiantrano an-keriny sy ireo mpitandro ny filaminana.

Raha mitohy izao dia matahotra aho fa ho vitan-dry zareo mihitsy ny hametraka Polisy iray ambadiky ny varavaran’ny trano foana tsirairay, amin’izay tsy sahirana mandroaka intsony fa manakana ny fiantranoana an-keriny indray no hatao. Mety ho fomba hafa koa anefa ny miady amin’ny antony mahatonga ireto mpiantrano an-keriny ireto dia ny fahavitsian’ireo trano ahofa ipetrahana anefa ny trano foana marobe.

Ahiako tsy hitsahatra mihitsy ity raharaha ity satria vitsy dia vitsy ireo trano azo ofaina eto Genève ankehitriny, latsaka 0.2 % ireo trano foana [taux de vacances] raha 2% no afahan’ny lalànan’ny « ity sy inday » mihodina tsara eto Genève [loi de l’offre et de la demande].

[EVAC DE SQUAT A GENEVE : aveu de la politique des matraques ! – ch.indymedia.org >>]

[Une journaliste de la TSR prise à partie par la police à Genève – tdg.ch >>]

[lahantsoratra taloha mikasika ireo « squats » eto Genève : Manjombona ny hoavin’ireo « squats » eto Genève >> | Rotaka teto Genève >> | Miantso filaharana indray ireo voaroaka tamin’ny « squat du Rhino » >> | Nilavo-lefona andro orana ny tandroka menan’ny « squat du Rhino » >> | Vahoaka sesehena no nanoina ny antson’ny « squat du Rhino » >> | Miantso fanohanana ireo mponin’ny « squat du Rhino » >> | Noroahin’ny Polisy ny « squat de la Tour » >>]

Un commentaire sur “Efatra ora nisiana monja ilay « squat » farany teto Genève”

  1. […] taloha mikasika ireo « squats » eto Genève : Efatra ora nisiana monja ilay « squat » farany teto Genève | Manjombona ny hoavin’ireo « squats » eto Genève >> | Rotaka teto Genève >> […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :