Manjombona ny hoavin’ireo « squats » eto Genève

Par : tomavana

Août 26

Tags:, , ,

Catégorie: tsetsatsetsa

2 Commentaires


Mitohy ny fifanandrinan’ny mpiantrano an-keriny sy ny Polisy eto Genève, satria raha mbola tsy nahita trano hialofana ny ankamaroan’ireo mponina voaroaka tao amin’ireo « squats » vao noroahina dia niditra « niantrano an-keriny » tao amin’ny trano izay misy rihana 6 eo amin’ny 5 Bd Emile Jacques-Dalcroze indray ry zareo omaly Asabotsy 25 Aogositra 2007.

Androany Alahady 26 Aogositra 2007 ihany anefa dia niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana ka nandroaka « tamim-pandriam-pahalemana » ireto mpiantrano an-keriny na squatters.

Tsahivina fa iray volana katroka lasa izay no noroahina ny « squat du Rhino » ary amin’ny Talata 4 Septambra 2007, ny fehim-potoana farany omen’ny Polisy ireo mponina ao amin’ny « squat de l’Arquebuse » hitadiavany vaha-olana sy handaozany ny trano izay onenany an-keriny, nanomboka tamin’ny taona 1994.

Samy manome toky ireo mpiantrano an-keriny sy ny Polisy izay mifanandrina eto Genève fa mbola hitohy fa tsy hijanona eto ity raharaha ity satria mbola miisa 27 ireo « squats » mijoro eto Genève.

[Nouveau squat à Genève – paris.indymedia.org >>]

[La Police a évacué le squat dans le calme – tdg.ch >>]

[lahantsoratra mikasika ity raharahara ity: Rotaka teto Genève >> | Miantso filaharana indray ireo voaroaka tamin’ny « squat du Rhino » >> | Nilavo-lefona andro orana ny tandroka menan’ny « squat du Rhino » >> | Vahoaka sesehena no nanoina ny antson’ny « squat du Rhino » >> | Miantso fanohanana ireo mponin’ny « squat du Rhino » >> | Noroahin’ny Polisy ny « squat de la Tour » >>]

2 commentaires sur “Manjombona ny hoavin’ireo « squats » eto Genève”

  1. […] taloha mikasika ireo « squats » eto Genève : Manjombona ny hoavin’ireo « squats » eto Genève >> | Rotaka teto Genève >> | Miantso filaharana indray ireo voaroaka tamin’ny « squat du […]

  2. […] ireo « squats » eto Genève : Efatra ora nisiana monja ilay « squat » farany teto Genève | Manjombona ny hoavin’ireo « squats » eto Genève >> | Rotaka teto Genève >> | Miantso filaharana indray ireo voaroaka tamin’ny « squat du […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :