Ny soratra mitoetra | 130 taona niorenana ny TPFLM


Ao anivon’ny fankalazana ny Jobily faha-140 taona niorenan’ny Fiangonana Loterana Malagasy >> dia hosokafana amin’ny fotoam-pivavahana izay atao eny amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy [FLM] eny Ambatovinaky, Antananarivo ny Alahady 26 Aogositra 2007 ny herinandro hankalazana ny Jobily faha-130 taona niorenan’ny Trano Printy Fiangonana Loterana Malagasy [TPFLM].

Tamin’ny taona 1877, no nanombohan’ny «Imprimerie de la Mission norvégienne». Fanontana printy ireo boky fivavahana tamin’ny teny Malagasy no antom-pisiany, isan’ireo nimasoany hatrany am-piandohana koa anefa ny fanaparitahana fitaovana amin’ny teny Malagasy amin’ny alàlan’ireo gazety izay natontany «Ny sakaizan’ny tanora» [1878, Sakaizan’ny ankizy madinika], «Ny mpamangy» [1882], «Sekoly alahady» [1936].

Tamin’ny taona 1974 no natolotry ny Misiona Norveziana sy Amerikana ny Malagasy ny fitantanana ka Andriamatoa Abela Arnesa ary avy eo Ingahy Randrianantoandro Raymond [1993] no tale nifandimby tamin’ny TPFLM.

Lohatenin-boky 250 isan-taona no atontan’ny TPFLM ankehitriny izay mitoetra eo Antaninarenina [ambonin’ny kianja maitson’Antsahamanitra any Antananarivo] ary hatramin’ny nampihodinana ny milina dikamprinty tonga lafatra vaovao Heidelberg Print Master 742 izay manamprinty taratasy 12’000 isan’ora, manomboka amin’ity taona ity dia tanjona ny hampiakatra ny isan’ny boky vaovao avoaka ho avo telo heny, mba hahatratra 750 lohateny isan-taona.

Marihina fa ny TPFLM dia miaina amin’ny toetr’andro ka namoaka tamin’ny 2003 ny « Disksionera TPFLM » amin’ny CD-ROM [fampiasa amin’ny solosaina PC (ordinateur)] vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny « Cabinet Andraina Project Ltd ».

Amin’ny andron’ny blaogy sy ny Internet, ary na dia nampitomboina isa ho telo aza ny fiteny ofisialy fampiasa any an-tanindrazana dia tsy mivoina amin’ny foto-kevitra ijoroany ny TPFLM fa mbola mihevitra ny maha-zava-dehibe ny fanomezan-danja ny teny Malagasy amin’ny alalan’ny fanontana boky amin’ny teny Malagasy madio. Noho izany dia mbola isan’ireo tanjony foana ny mamporisika ny Malagasy handala sy hitia hatrany ny tenin-drazana satria iaraha-mahalala fa « ny sary sy ny feo mandalo fa ny soratra mitoetra ».

Un commentaire sur “Ny soratra mitoetra | 130 taona niorenana ny TPFLM”

  1. tahin’i JESOSY DAHOLO E


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :