Zanahary ô, tahio ny tanindrazanay | Gilles Ramiarison

Gilles Ramiarison mpitendry zava-maneno sy mpamoron-kira malaza

Efa nisy ihany fotoana nanambarako ny fankafizako ilay hira « Nkosi sikelel’i Afrika » [Zanahary ô, tahio i Afrika] izay hira mamintina ny vavaka ataon’ny vahoaky Afrika Atsimo izay nisedra ny fanavakavaham-bolokoditra na « Apartheid » vao « niray saina » hiara-mamindra toa vahoaka iray. Tena loha-hevitra sahala ity hira Malagasy iray ity:

1- Zanahary ô, tahio ny tanindrazanay
Handroso lalandava, handry fahizay.
Enga anie hanjaka ao ny saina mahay miray,
Dia ho tany sambatra, ilay Madagasikaranay.

Marina fa tsy mbola azo lazaina fa miaina fahasambarana ny vahoaka Malagasy ankehitriny, tsy mbola azo lazaina koa fa « miray saina » satria mbola be loatra ireo herim-po lany amin’ny adilahy sy ny fifandirana😦

Dimampolo-taona aty aoriana anefa, dia mbola mitombona hatrany amiko ny finoan’ilay mpamoron-kira fa ho « sambatra » isika Malagasy raha manana « saina mahay miray ».

2- Ireo mpitondranay arovy lalandava koa
Tolory saina hendry, kinga sy mahay.
Ka ny marina anie no mba hanjaka ao tokoa,
Dia ho tany sambatra, ilay Madagasikaranay.

3- Ny taranakay tahio ho vanona tokoa;
Ireo no solofo, dimby, rahatrizay
Mba ho tena mahatoky, feno fahendrena koa,
Dia ho tany sambatra, ilay Madagasikaranay.

I Gilles Ramiarison no namorona ny tonony sy ny feon’io hira io [Fihirana FFPM 734]. Nodimandry ny Alakamisy 9 Aogositra 2007 tamin’ny faha-89 taonany izy. Nanatrika ny fahaleovantenan’ny Malagasy ny lehilahy fa tsy naharitra hahita maso kosa izay toriny amin’ny hirany dia i Madagasikara « ho tany sambatra ».

Azoko tsorina fa na dia laharana faharoa ihany aza ity hira « Zanahary ô, tahio ny Tanindrazanay » ity dia akaiky kokoa ny foko ny tonony noho ny « Ry Tanindrazanay malala ô! » [tonony: Pastora Rahajason, feony: Norbert Raharisoa] izay nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana fifidianana ho hiram-pirenena fony isika vao nahazo ny fahaleovantenantsika.

Raha mandinika ny lafiny firaisan-tsaina mipetraka anivontsika Malagasy aho ankehitriny, dia faniriako mafy ny ho diso fijery😯 matahotra aho mantsy sao ny làlana mifanohitra amin’i Afrika Atsimo no diavintsika ka ry zareo nanavakava-bolokoditra vao « tonga saina » ho mitovy zo ary isika kosa mitovy zo taloha vao mampiditra fizarazarana vaovao anavahana izay heverina ho « tena Malagasy » Ray sy Reny niteraka na taranaky ny mpiavy efa ela, sy ireo « safiotra » [hybride, métis] taranaky ny mpiavy vao, izay heverina fa Malagasy ihany saingy tsy tena 100 %, ka tsy mendrika ny hilatsaka hofidina ho filoham-pirenena😦

Bio fohy: teraka ny 30 Jolay 1918 ary nodimandry ny 9 Aogositra 2007 i Gilbert Ramiarison. Nampakatra an-dRtoa Raketamavo Hélène izay niterahany 6 mianadahy [lahitokana miampy 5 vavy].

Niasa toy ny mpitandro filaminana ny lehilahy rehefa nahavita fianarana. Taorian’ny taona 1950 kosa no nisafidianany ny ho mpanakanto ara-mozika matihanina [professionel]. Namorona hira miisa 300 mahery [hiram-pivavahana, hira fitiavan-tanindrazana, hira fanao amin’ny matso miaramila, hira vakodrazana, sns…] izy ary mpampianatra mozika [CNEM, CCAC sns…] sy mpitendry kalaza anivon’ny tarika maro malaza tamin’ny androny [tropis Jazz, Fumaroli, sns…].

[Nodimandry i Gilles Ramiarison – taratramada.com >>]

15 commentaires sur “Zanahary ô, tahio ny tanindrazanay | Gilles Ramiarison”

  1. Safiotra a toujours été un mot qui me dérangeait, je ne saurai te dire pourquoi au juste.
    Discussion similaire chez Crjo’s.

    RIP.

  2. Hummm, cel fait maintenant des annees que je ne suis pas rentre et en lisant ceci, j’apprehende un peu un retour potentiel…

  3. @ Tattum > Safiotra a toujours été un mot qui me dérangeait
    Sans doute parce que le mot même Safiotra sous-entend « non-pur », du pelage des zébus on parlera de « vandambandana fa tsy ranoray ».
    Merci pour le lien !

    @ Lova > j’apprehende un peu un retour potentiel
    Il est peut-être difficile pour ceux qui n’ont jamais eu a affronter le racisme et la discrimination de comprendre😦 peut-être c’est à ceux qui on vécu d’autres expériences de partager leur vécu ? Apporter un autre éclairage au débat😉

  4. Ankafiziko mafy tokoa io hira io, ary tsapa fa olona manam-pinoana tokoa ny mpamorona azy. Na tsy tò talohan’ny hikimpian’ny masony mandrakizay aza ny fahasambaran’i Madagasikara, izy kosa efa sambatra tao am-pony lalandava satria izay rehetra nihira sy mihira ary mbola hihira io hira io @ fony dia manamafy ny fanantenana fa ho sambatra tokoa ny Nosy. Amiko dia efa marobe ireo malagasy sambatra, miadam-po na dia tsy lafatra aza ny fiainany ao Madagasikara, fa ireo tsy mahafantatra sy tsy mahalala, sy tsy mbola misaintsaina ny fahatahorana an’Andriamanitra no mikorontana sy manao hazakazaka arahi-tosika ny hafa, ka tsy mampisy ny fandriahampahalemana. « JESOA NO VATOFEHIZORO » Hisy farany ihany ny atao fa matokia.

  5. > Amiko dia efa marobe ireo malagasy sambatra, miadam-po na dia tsy lafatra aza ny fiainany ao Madagasikara
    Misaotra betsaka Aro😀 tena marina ny teninao ary manosika hampieritreritra tsara ny amin’ny izay heverina ho fahasambarana … satria tsy endrika ivelany ihany.

    > “JESOA NO VATOFEHIZORO”
    Heveriko fa mifanojo ny hevitrareo sy itompokolahy Gilles Ramiarison nahatonga azy nanolotra ny endriky ny hira vavaka ho hiram-pirenena. Ary tena marina fa ny ohatry ny firenena toa an’i Afrika Atsimo dia mampahatsiahy antsika fa miova ny toe-javatra anefa mila fahatokiana sy manohy mitolona ny ho amin’ny ho avy … fa tsy miravoravo tànana fotsiny mandra-piandry izay ho avy.

  6. Coucou To,

    Un petit off topic si ca ne te derange pas trop.
    Je sais que la connection est difficile en ce moment mais le site « Global voices amin’ny teny Malagasy » a ete lance. On a besoin de traducteurs alors je me demandais si ca t’interessais ou si tu connaissais des personnes qui le seraient.
    A+,
    L.

  7. Merci pour l’invitation, si je peux donner un coup de main c’est bien volontier😉

  8. Cet article me revenait du coup en tête et je t’ai piqué cet article en cette mauvaise période au pays.
    Je l’ai éditer sur facebook >> lol

  9. C’est moi qui te remercie😉 comme cela je pourrais dire que j’ai été cité sur FB

  10. eeeeeeeee, rah mba misy firaisan-tsaina marina de tsy ho nisy izao korontana eto Gasikara izao,
    indrisy ry taniko

  11. Mampieritreritra tokoa ireo zava-miseho ankehitriny ireo.

    Misaotra namela hafatra ry Boozkel.

  12. heveriko fa tsy misy hira hafa afaka hahatonga saina ny gasy afatsy io hira io ary miangavy antsika rehetra mba hiaraka hanome sosokevitra ny mba hihiràna azy miaraka amin’ny fotoana iray eto madagasikara.Oh:alahady ../../10 ami’ny 7ora ariva: avela avokoa ny asa aman’andraikitra rehetra.hiara-hiredona io hiram-bavaka mahafaoka ny zava-drehetra io isika:dia ho tany sambatra ilay madagasikaran-tsika e!
    sa ahoana?
    De andao ko haparitaka araka izay azo atao io tononkira io eraky ny tranonkala rehetra indrindra any am’reny forum resa-politika ireny ( oh hoe sobika sns …), ho hitan-tsika fa hisy vokany izany.
    za aloha vonona fa miandry anao aho mba ampio e!
    zany an.

  13. Faly mamaky anao neutre!

    Hanao rohy n’aiza n’aiza manerana ny tany izany? Hevitra tsara tokoa, sady mba afaka mianatra ireo izay tsy mbola mahay io hira io. Dia tsara koa raha asiana rohy ahitana ny feonkira ara-naoty na valampeo sy valantsary.

  14. Ary hay mba misy ol mihevitra toa ahy koa! ny hevitro raha ny tena marina dia efa ela ihany aho, fony mbola kely, fa ny tsy nanaovana io hira io ho hiram-pirenentsika angamba no mahatonga antsika sy ny firenentsika ho toy izao? Toa ny mifanohitra amin’ny tonon’io hira io avokoa ny zavatra mitranga eto? Sa…?

  15. Tongasoa eto ianao ry Aloka ary misaotra amin’ny hafatrao.

    Mampalahelo tokoa fa ahiahy izay nosoratako tamin’ny taona 2007 ny fiheverako fa loza mitatao amintsika ny tsy misy fahatsapantena sy tsy fiovàna… aoka anefa isika tsy ho kivy fa samy haherifò!


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :