Ny erikerika no maha-tondra-drano

Par : tomavana

Août 9

Catégorie: rano, tsetsatsetsa

Poster un commentaire

© Keystone, tdg.ch, tanànan’i Olten androany

14°C ny mari-pana androany Alakamisy 9 Aogositra 2007. Maizina toy ny andro ririnina ny andro, mitovy ny hazavan’ny maraina, ny atoandro sy ny hariva. Tsy nitsahatra nirotsaka ny orana hatramin’ny Talata. Tondraka ireo onibe sy renirano maro eto Soisa. Difotra ny tetezana maro, voatery nakatona ny làlana maro noho izany. Natsahatra koa ny lalam-by sasany. Noho ny fampitandremana mialoha sy ny traikefan’ny fitondrana dia tsy nisy aina nafoy. Efa mikajy ny vola tokony onerany kosa ireo mpiantoka mpiaro amin’ny loza voajanahary [assurances].

Toa lavitra sahady ny Alahady 5 Aogositra 2007 izay 30° C no nitsidihanay an’i Genève amin’ny bisikleta😦 Antenaiko fa mba hafàna kokoa noho izany ny toetr’andro any Antananarivo na dia nohon’ny amin’ny fisokafan’ny Lalaon’ny nosy ihany aza😉 efa hatry ny fotoana lava moa izao no nambaran’ny filoham-pirenena fa tsy ny fandraisana anjara intsony no tanjona [ce n’est plus de participer qui importe] fa ny ho Nosy tompon-daka mihitsy eo amin’ny isan’ny medaila.

Enga anie ka ho mahomby kokoa ireo atleta Malagasy noho ireo mpikarakara ny fanomanana ny lalao. Satria ny erikerika ihany no « maha-tondra-drano ».

[Intempéries: les dégâts devraient se chiffrer en millions – tdg.ch >>]

[Antisportifs – zagasy.blogspirit.com >>]

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :