Ny sary koa toy ny tanim-boanjo

Par : tomavana

Août 6

Tags:, ,

Catégorie: tsetsatsetsa

Poster un commentaire

© tdg.ch

Angamba tsy mandroroa ny masoko fa hiaiky miaraka amiko ianareo fa tena sahala amin’ilay sary izay nandravahako ny lahantsoratra « Alaivo mora | SlowUp » ity sary nalain’ny mpaka sarin’ny gazety « Tribune de Genève » nandritra ny SlowUp fahatelo natao ny Alahady 5 Aogositra 2007 teto Genève ity ? [sary notsongaina tamin’ny raki-tsary tao amin’ny tdg.ch >>]

Lahantsoratra roa samihafa, lohahevitra iray ihany ary « sary mitovy »🙂 toy ny anarana dia tena tanim-boanjo tokoa ny sary alaina ka « samy mamangitra izay tiany atao » [le nom est comme un champs d’arachides, chacun choisit celui qu’il veut].

Ankoatr’izay, baliaka ny masoandro, nihoatry ny 30° C ny mari-pana ary maherin’ny 30’000 no totalin’ny mpandray anjara nandia ireo 26 km izay natokana hoan’ny fiara mandeha amin’ny alalan’ny herim- batana [déplacements par la propre force musculaire na Human Powered Mobility HPM].

Malagasy folo izahay no nanararaotra nanao fitsidihana an’i Genève tamin’ny dia ara-bisikleta. Nony antsasa-dàlana, rehefa mitatao vovònana ny masoandro dia nijanona teto amin’ity tranon-tantsaha ity izahay ary dia teo ambany alokaloky io hazo paoma ankavia amin’io sary io no nankafy ireto vokatry ny tany naroso ho sakafo tao.

Tamin’ny 16:00 ora tolak’andro dia an’ny fiarakodia mandeha solika indray ny laka mandritra ny herintaona😦 tsy aritro sahady ny hiavian’ny fandaharana manaraka … « analàna azy moramora »😉

[30’000 personnes ont participé au slowUp des fêtes de Genève – tdg.ch >>]

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :