Ankamatatra

Ankamatatra, ankamatatra ity izay mahay milaza … io sary ambony io dia:
– nalaina androany Alakamisy 2 Aogostra 2007 teto amin’ny fetin’i Genève [fête de Genève] ?
– sa nalaina nandritra ny hetsika nataon’ny mpanohitra an’i Sarkozy ?
– sa nalaina nandritra ny rindran-kira tsy nisy vidim-pidirana izay nataon’i Doc Gynéco ?

© Cyril Beney, 20min.ch
Raha namaly marina in-telo ianareo ianareo dia tsy mila mamaky ny tohiny satria efa fantatrareo fa tsy afaka nanatanteraka hatramin’ny farany ny rindran-kirany i Doc Gynéco mpihira frantsay sady nitonon-tena ho mpanohana an’i Nicolas Sarkozy nandritra ny fetin’i Genève io alina androany io.

Vao niditra ny lehilahy dia tsy nitsahatra ny sioka sy ny namafy rano ary ny rantsana manondro lanitra tsy isaina intsony. Hira dimy monja no vita dia voatery nandao ny sehatra tsy hiverina intsony ny lehilahy na dia nanao ny asany aza ny Polisy ka nisambotra tamim-pitoniana ireto mpanohitra dimy izay namelatra ity sorabe ity.

Tsy misy antony azo itazonana ireo tanora ireo anefa ka fotoana fohy monja taorian’ny fisavana nataon’ny Polisy dia tafaverina indray sady vao mainka aza romotra. Mitohy ny ra-kiafina ataon’ny zatovo sy ny mpitandro ny filaminana ary ho lava ny alina ka dia naleoko nody natory😉

[Concert chaotique pour Doc Gynéco – tdg.ch >>]

[Doc Gynéco hué lors d’un concert en Suisse – tempsreel.nouvelobs.com >>]

© Laurent Guiraud, tdg.ch, tsy nitsahatra ny sioka

9 commentaires sur “Ankamatatra”

  1. afa-po🙂

    Ratsy hoa ity politika politika ity , zao zao ny tena very fihinanana🙂 sady voatoraka voataby🙂

  2. 1) j’aurais parie que c’etait le titre de la version francaise du film de michael moore: « sarko facho, gyneco collabo, amerlo..sicko🙂

  3. @ Hjk Ny olana dia « fandoto iray tandroka dia mahaloto rano iray siny » olom-bitsy ry zareo fa tena efa niomana … ny fety rahateo tsy misy vidim-pidirana.

    Amiko tsy dia i Doc Gynéco no kendren-dry zareo fa ny safidin’ny Office de tourisme eto Genève. Heveriny angamba fa tsy tokony mpihira toy ireny izay manohana hevitra « fanavakavahana » no anokafana ny fetin’ny Genève fa mba mpihira mitory teny fampiraisana, fampihavanana sy fandeferana satria izany no iainan’ireo tera-tany marobe samihafa aty Genève😉

    @ Lova Gotcha ! J’ai eu a peine le temps de dégainer pour une photo et pas le temps pour une deuxième prise la Maréchaussée avait déjà plié la banderolle et embarqué les manifestants pour contrôles😉 Je n’ai pas eu toujours le reflexe d’avoir mon appareil photo avec moi mais cela fait un moment que je me suis dis qu’ils ne manquaient ni d’humour ni d’idées pour leur slogans🙂

    J’ai aimé les premiers Moore, maintenant je trouve qu’il « surf trop » sur la vague en se faisant du fric au passage … as-tu entendus parler d’un reportage « interdit » sur lui ?

  4. Non mais ca m’intrigue ce reportage. On ne peut lui refuser le fait qu’il fait tres bien son travail de contre-pouvoir.

  5. « Manufacturing Dissent » >> [fabriquer la contestation] de Debbie Melnyk et Rick Caine, couple de cinéastes de Toronto, ont réalisé un documentaire qui questionne les méthodes de Michael Moore « Peut-on exiger d’un documentariste les mêmes critères de recherche de la vérité que ceux d’un journaliste? » – cyberpresse.ca >>

    Bien que je n’ai pas eu l’occasion d’assister à la projection j’avais entendu une interview du couple au mois de mai 2007, lors de sa projection au festival du documentaire « Vision du réel » >> de Nyon, CH.

  6. – Ny zavakanto (Hira sy ny sisa)
    – ny fiangonana
    – ny fianarana
    raha vao ieo no idiran’ny resaka politika dia potika.
    Izany hoe raha ny mpihira no hita fa manohana mpanao politika dia tsy haharitra izy.
    Raha ny Directeur’ny école no miditra antoko politika tsy ho ela dia hitsipozipozy ny sekoliny.
    Ary raha ny mpitondra fivavahana no manao politika dia mitarika ny ondriny any amin’ny tsy izy izy.

  7. Tongasoa eto amin’ity sehatra ity, faly mandray anao etoana Michel😉

    Nahaliana ahy ary noveheriko fa mendrika valiny lavalava kokoa izay hevitra naposakao teto ka dia aty no amaliako azy … >>

  8. […] 31 janvier 2008 “Ary raha ny mpitondra fivavahana no manao politika dia mitarika ny ondriny any amin’ny tsy izy izy” hafatra napetraky Michel >> […]

  9. Sady « Conseiller municipal » no mambran’ny birao misahana ny serasera anivon’ny antoko TIM i Gothlieb [hatsikana, hira, sns …] izay mpivoy ny fandaharana fanta-daza « Kidaona maraina ».

    Namoaka lahatsoratra mitovitovy hevitra aminao mikasika ny filatsahan’ny mpanakanto hanao pôlitika ny gazety madagascar-tribune.com – 01.02.2008 >>.


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :