Zavatra roa na telo mety tsy fantatrareo …


Zavatra roa na telo mety tsy fantatrareo momba an’i Soisa amin’izao fankalazana ny fetim-pirenena Soisa androany izao.

Tamin’ny 26 septembre 1993 vao lasa andro tsy fiasana ny 1 Aogositra izay fetim-pirenena Soisa efa nankalazaina hatramin’ny 1891.

Noforonin’i Alberich Zwyssig [1808-1854] tamin’ny taona 1841 saingy tamin’ny 1 Aprily 1981 vao tapaka ho hiram-pirenena Soisa ny « Fihirana Soisa »:

« Eny amin’ireo tendrombohitsika, rehefa mamirapiratra ny famohamandrin’ny masoandro, sady maminany ny andro soan’ny fiverenana, ireo hakanton’ny tanindrazana dia manainga ny fanahin’ilay mpankafy mitazana; mananika ny lanitra mivesatra hafaliana ireo vavaky ny fo votom-pinoana » [Sur nos monts, quand le soleil | Annonce un brillant réveil | Et prédit d’un plus beau jour le retour | Les beautés de la patrie | Parlent à l’âme attendrie | Au ciel montent plus joyeux (bis) | Les accents d’un cœur pieux | Les accents émus d’un cœur pieux. « Cantique suisse », hymne national de la confédération Helvétique]

Andro tsy fiasana androany, tsy misy miaramila manao matso [défilé] fa kabarin-dRamatoa filoham-pirenena avy eny amin’ny sahan’i Grütli no handravaka ny fahitalavitra [TV]. Fiverenana amin’ny tany no fanaon’ny Soisa ho fankalazana ny fetim-pireneny. Izay manana « chalet » dia misitaka any an-tendrombohitra.

Amin’ity taona ity, tsy hisy kabary na tsipy sainam-pirenena ho ahy fa toy ny mponina an-tanàna dia hanoina ny fanasan’ireo tantsaha aho ka hamonjy « brunch à la ferme » handrosoana sakafo vokatry ny tany. Ny hariva kosa dia hotazaniko avy eny amin’ny vohitra Salève ny lemak’i Genève sy ireo afondasy marobe isam-paritra🙂

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :