Rotaka teto Genève

© rebellyon.info, Polisy sy ny tafondron-dranony ao ambadiky ny setroka mandatsa-dranomaso mifangaro amin’ny doro-kodiaran’ireo « Black Bloc »

Rehefa mandre an’i Genève amin’ny filazam-baovao ianareo dia angamba resaka raharaha iraisam-pirenena na fifanekena ara-pandriam-pahalemana na banky no vaovao renareo. Azo lazaina tokoa fa ny mponina eto Soisa dia tony [calme] raha oharina amin’ny hafa anefa mba mety mitroatra ihany izy rehefa mahatsiaro ny tsy an-drariny.

Taorian’ny nandroahan’ny Polisy ireo mponin’ny « squat de la Tour » telo herinandro lasa izay dia azo lazaina fa mety ho zendana ireo vahiny mpamangy an’i Genève raha nahita ireto fietsiketsehana sy fifanandrinana amin’ny Polisy saiky ho isan-kerinandro, indrindra ilay vao tamin’ny Asabotsy 28 Jolay 2007 tolak’andro lasa teo.

Taorian’ny antson’ireo mpanohana ireo mponin’ny « squat du Rhino » [Retour des Habitants dans les Immeubles Non Occupés] izay vao noroahina tsy ela, hanaovana hetsika fanohanana dia mihoatry ny 1’000 ireo olona tonga nilahatra. Betsaka izany raha eto Genève satria tsy mba zatra ny milahatra an-dalambe anehoana ny tsy fankasitrahany ny vahoaka.

© rebellyon.info, filaharana arahina mozika

Nizotra tamim-pilaminana ny filaharana tamin’ny fiandohany tamin’ny 15:00 ora tolakandro. Tokony ho tamin’ny 16:30 dia niditra an-tsehatra ireo « Black Bloc » [anarchopedia >> |anarchiste sady anticapitaliste] izay nanomboka ny nihantsy ny mpitandro ny filaminana sy nanandrana ny namoha an-keriny trano foana iray. Nanomboka ny nitifitra setroka mandatsa-dranomaso mba hanaparitahana ny mpilahatra ny Polisy.

Azo lazaina fa nizara roa ny mpilahatra, ny tapany voalohany liam-pandriam-pahalemana [non-violent] nanohy an-kasarotana ny filaharana. Ireo « Black Bloc » [wikipedia >>] izay miisa 50 any ho any kosa izay miakanjo mainty sy manao saron-tava mainty [cagoule] dia nijanona sy nifanatrika tamin’ny Polisy sy ny fiarany izay mitondra ny tafondron-drano.

Na dia zavatra tsy mahazatra aza ny rotaka eto Genève dia azo lazaina fa manana traikefa amin’ny fitandroana ny filaminana ny Polisy ka tsy misy olona naratra ary telo kosa no isan’ireo olona nosamborina nohon’ny fihetsiny [doro- kodiarana, doro-fiara, fanakiahana lokom-piarakodia, famakiana fitaratra-ben-trano na vitrine, fitoraham-bato ireo mpitandro ny filaminana ets…]. Tokony ho tamin’ny 19:00 hariva any ho any no niverina amin’ny laoniny ny filaminana teto an-tanàna.

Azo ahiana tsy mbola hitsahara anefa ireto fifanandrinan’ny mpiantrano an-keriny sy ny Polisy ireto satria mbola miisa 27 ireo « squat » mijoro eto Genève sady efa fantatra sahady izao, araka ny fampitandremana nalefan’i Daniel Zapelli « procureur général de la république de Genève » handaozan’ny mponina ao ity trano ity alohan’ny Talata 4 Septambra 2007, fa ny « squat de l’Arquebuse » izay nanomboka tamin’ny 1994, no horoahin’ny Polisy manaraka.

Tsara ny andro tamin’ny Asabotsy ka tsy mba isan’ireo nifangaroharo tany aho fa naleoko naka aina tany anivon-javaboahary tany an-jaridaina, mbola vizaky ny namonjy fety andrak’alin’ny Zoma tany Paléo🙂

[Manifestation contre les expulsions : la police genevoise rince à l’oeil ! (tahirintsary) – rebellyon.info >>]

[Le Black Block squatte la manif de Rhino – tdg.ch >>]

[Squat Rhino: la manifestation qui dérange – letemps.ch >>]

[Lahantsoratra rehetra mikasika an’i Rhino – tdg.ch >>]

[lahantsoratra mikasika ity raharahara ity: Miantso filaharana indray ireo voaroaka tamin’ny « squat du Rhino » >> | Nilavo-lefona andro orana ny tandroka menan’ny « squat du Rhino » >> | Vahoaka sesehena no nanoina ny antson’ny « squat du Rhino » >> | Miantso fanohanana ireo mponin’ny « squat du Rhino » >> | Noroahin’ny Polisy ny « squat de la Tour » >>]

© rebellyon.info, filaharana nandalo teo anoloan’ny « squat de l’Arquebuse »

2 commentaires sur “Rotaka teto Genève”

  1. […] mikasika ity raharahara ity: Rotaka teto Genève >> | Miantso filaharana indray ireo voaroaka tamin’ny « squat du Rhino » >> | Nilavo-lefona […]

  2. […] squat » farany teto Genève | Manjombona ny hoavin’ireo « squats » eto Genève >> | Rotaka teto Genève >> | Miantso filaharana indray ireo voaroaka tamin’ny « squat du Rhino » >> | Nilavo-lefona […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :