Nilavo-lefona andro orana ny tandroka menan’ny « squat du Rhino » [Genève, CH]

Par : tomavana

Juil 24

Tags:, , , ,

Catégorie: tsetsatsetsa

4 Commentaires


© Keystone, letemps.ch, nongotana hidaraboka amin’ny tany ny tandroka menan’ny « squat du Rhino » taorian’ny fandroahana ny mponina tao

Rehefa avy 19 taona nanoherana dia nongotan’ny Polisy omaly alina ny tandroka mena izay reharehan’ireo liam- pahafahana nandravaka ireo trano telo amin’ny boulevard des Philosophes 24 eto Genève. Noroahin’ny Polisy omaly Alatsinainy 23 Jolay 2007 nanomboka tamin’ny 14:00 ora tolakandro tokoa mantsy ireo mpiantrano an-keriny nonina tao amin’ny « squat du Rhino » [Retour des Habitants dans les Immeubles Non Occupés].

Mba ho fanoherana ny fanararaotan’ireo mpandraharaha ara-trano [spéculateur immobilier, régisseur], izay mamela ny trano ho tsisy mpanofa, hahavitsy ireo trano ofaina sy hampiakatra ny hofan-trano, dia trano foana 128 mahery no niantranoan’ny tanora an-keriny nanomboka tamin’ity « squat du Rhino » ity izay ngeza indrindra sady ampovoan-tànana indrindra ny taona 1988.

Ankehitriny anefa niova ny toe-draharaha ara-panofan-trano eto Genève satria nohon’ny fahavitsian’ireo trano ahofa dia fanirian’ny mpitondra ny hanome alàlana ireo mpandraharaha ara-trano ny anarenana ireo trano izay mbola azo amboarina mba hanampy isa ireo hofain’ny mponina. Efa nanomboka ela ny fandroahana, fa sangany tamin’ireo « squat » ity « squat du Rhino » nadaraboka omaly tolak’andro ity. 27 sisa ireo « squat » mijoro eto Genève.

© Gregory Yetchmeniza, « Dauphiné Libéré », MAXPPP, via lemonde.fr,
«
atody miady amim-bato »

Tantaran’ny fandroahana:
– Talata 10 Jolay 2007, noroahin’ny Polisy ny « squat de la Tour » mifanolo- bodi-rindrina amin’ny « squat du Rhino ».
– Alarobia 11 Jolay 2007, niantsohetsika fanohanan’ny vahoaka ny mponin’ny « squat du Rhino ».
– Alakamisy 12 Jolay 2007, vahoaka sesehena [4000 araky ny Rhino, 1000 hoy ny gazety lecourrier.ch ary 300 kosa araky ny Polisy] no nanoina ny antso fanohanan’ny « squat du Rhino ».
– Alatsinainy 23 Jolay 2007, 14:00 nofefen’ny Polisy amin’ny alàlan’ny fiara maro ireo làlana manodidina ny « squat du Rhino ».
– Novakian’ny Polisy ny varavarana ary 28 ireo olona tra-tehaka tao.
– Nahazo alàlana ny handao an-kahalalahana ny toerana ireo vehivavy roa bevohoka.
– 16:00 ora tolak’andro, nanomboka nilatsaka ny orana, tsy mitsaha mitombo ny mpijery sy mpanatrika ary mahatratra 500 mahery.
– Tsy misy mahazo mivoaka na miditra, afatsy ny solotenan’ny fikambanana « miaro ny zon’olombelona » [ligue des droits de l’homme] mba hanara-maso ny asan’ny Polisy.
– 18:00 ora hariva,nihamafy ny orana, nanomboka ny fanondranana nataon’ny Polisy ireo tra-tehaka, nanomboka koa ny fitoraham-batobn’ny mpanohitra.
– Namaly tamin’ny setroka mandatsa-dranomaso [bombe lacrymogène] sy ny tafondron-drano [canon à eau] kosa ireto mpitandro ny filminana.
– Nihamafana ny « fifandonana » ka nanafika ireto mpanohitra ny Polisy mba ahafahan’ny fiara faharoa miainga.
– Hany heriny, dia tsy nihambahamba ny mandry an-dalambe mba hanakana ny fiara fahatelo ny mpanohitra sasany. Herim-po verimaina …
– Tamin’ny 18:30 ora dia vita ny fandroahana.
– Nanomboka tong ireo mpiasa hamefy ny trano tsy ahafahan’ireo tanora miverina.
– Mailo ny Polisy izay manahy fanafihan’ny tanora.

« Nodimandry i Rhino. Mikiaka ny fahatezerany ireo mpanohana sasany, ny hafa kosa mitomany mangina arovan’ny elony » [Rhino est mort. Des sympathisants crient leur colère, d’autres sanglotent sous leur parapluie | tdg.ch – 24.07.07].

[Tahirin-tsarin’ny fandroahana ny « squat du Rhino » – tdg.ch>>]

[Le squat historique évacué sous les lacrymogènes – tdg.ch >>]

[Le Conseil d’Etat et le procureur font sauter Rhino – letemps.ch >>]

[Lisitr’ireo squat sisa mijoro eto Genève – letemps.ch >>]

[Vahoaka sesehena no nanoina ny antson’ny « squat du Rhino » >>]

[Miantso fanohanana ireo mponin’ny « squat du Rhino » >>]

[Noroahin’ny Polisy ny « squat de la Tour » >>]

© Olivier Vogelsang, tdg.ch, ireo mpanohitra aparitakin’ny Polisy amin’ny alalan’ny tafondron-drano teo anoloan’ny « squat du Rhino » omaly 23.07.07

4 commentaires sur “Nilavo-lefona andro orana ny tandroka menan’ny « squat du Rhino » [Genève, CH]”

  1. Merci pour l’update Vola. La photo du jeune en torse nu, qui ne cache aucune arme donc ne représente aucune menace à priori, tenu à la gorge par l’un des innombrables Robocops qui lui fait face parle d’elle même😦

  2. […] [Nilavo-lefona andro orana ny tandroka menan’ny « squat du Rhino » >>] […]

  3. […] >> | Miantso filaharana indray ireo voaroaka tamin’ny « squat du Rhino » >> | Nilavo-lefona andro orana ny tandroka menan’ny « squat du Rhino » >> | Vahoaka sesehena no nanoina ny antson’ny « squat du Rhino » >> | Miantso fanohanana […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :