Ny teny toy ny atody, raha foy manana elatra


Fandrahonana fanapahana fiaraha-miasa indray izao no malaza any Madagasikara any ankehitriny. Taorian’ireo vazaha tia tsabatsabaka amin’ny raharaham-pirenena, taorian’ireo mpivarotra solika mpanararaotra dia anjaran’ny FMI sy ny fanjakana Soisa indray izao. Araky ny fanambarana nataon’ny filoha Marc Ravalomanana nandritra ny fihaonany tamin’ireo Loholona [senateur], izay natao ny Zoma 13 Jolay 2007 teny Iavoloha.

« Izaho tsy hiaraka amin’ny FMI [ndlr. Fond Monétaire International] intsony fa hitady lalan-kafa rehefa tsy ekeny ny fanafoanana ny sazin-ketra » taratramada.com [« Je suis prêt à rompre avec le FMI qui exerce trop de pression sur la gestion interne du pays [ndlr. amnistie fiscale présidentielle du 26 juin 2007]» madagascar-tribune.com | les-nouvelles.com | lexpressmada.com ].

Manarak’izany dia nambaran’ny filoha ny faniriany ny hanapaka ny firaha-miasa amin’i fanjakana Soisa nohon’ny tsy fitovian-kevitra mikasika ny raharahan’i Tantely Andrianarivo [« le président annonce qu’il ne veut plus coopérer avec la Suisse » madagascar-tribune.com].

Efatra andro monja taorian’izany fandrahonana izany, dia niova tanteraka anefa ny feon-dakolosy, satria nandritra ny dian’ny filoha tany Sambava ny Talata 17 Jolay 2007 no nanambarany fa « tsy misy rahona ny fifandraisana amin’ny FMI » lexpressmada.com . Mikasika ny fifandraisana amin’i Soisa kosa dia mbola tsy naharay izay taratasy ofisialy manamarika ny fiovan’ny fifandraisana izay mipetraka ny Masoivoho Soisa any Madagasikara ka tsy afaka mamaly [la zone d’ombre annoncée il y a quatre jours concernant les relations diplomatiques avec la Suisse n’est pas confirmée par les actes officiels, lexpressmada.com]. Izany hoe tsy narahina hetsika ilay teny fa nijanona ho fanambanana ihany [menace].

Ity fiverenana amin’ireo fandrahonana natao sy ireo fanambarana tsy arahin’asa ireo dia mampahatsiahy ny tenin’ny Ntaolo manasa ny tsirairay mba « hamadika im-pito ny lelantsika alohan’ny hitenenana » satria mety ho zavatra hafa ny tiantsika ambara, anefa hafa ny fandraisan’ny mpihaino na mpamaky antsika azy.

Raha namaky ny fanambaran’i Andriantavison Bruno, minisitry ny fifandraisan-davitra sy ny paositra ary ny fifandraisana izay « mangataka ny mpanao gazety ho tena matihanina amin’ny asany sy hanaja ny fitsipika mifehy ny asa fanaovan-gazety » taratramada.com [appel au respect des normes professionnelles et déontologiques, lexpressmada.com], dia ny « mpitari-bato vilam-bava » no tonga ato an-tsaiko ka « hafa ny tondroin’ny tanana, hafa ny tondroin’ny molotra » [meneur ayant la bouche de travers (par exemple suite à un accident vasculaire), la main désigne une direction, la lèvre en désigne une autre].

Marina fa manana anjara andraikitra ireo mpanao gazety, fa andraikitra voalohany hoan’izay mamoaka ny teny fanambarana ny maka toky tsara fa tafita ny hafatra tiany ambara, satria « ny teny toy ny atody, raha foy manana elatra » [il incombe à celui qui fait une déclaration de s’assurer que son message est bien compris, car « la parole est comme un œuf d’oiseau, après l’éclosion il vole de ses propres ailes »].

7 commentaires sur “Ny teny toy ny atody, raha foy manana elatra”

  1. Tsy izy mihintsy ilay excuse-n’ny presidence. Ny mpanao gazety indray izany no izany no voahoso-potaka nefa teny naloaky ny vavanao izay (araka ny fahazoko ny tenin’ny gazety) … f’angaha moa ireny tsy misy communiqué de press e ? raharaham-pirenena no resahina🙂

  2. Raha ny filazan’i ‘Za Gasy! dia niaraha-nahita tamin’ny fahitalavitra sy re tamin’ny radio mihintsy ilay tenin’ny filoha😉 fa tsy misy resaka idiran’ny mpanao gazety.

    Mampahatsiahy ahy ilay « série TV: spin city » [1996-2002] mitantara ilay ben’ny tànana’i New-York sy ny « spin doctor » na mpanolo-tsaina ara-pifandraisana [conseiller en communication] i Michael J. Fox no milalao an’i Mike Flaherty. Na dia efa nomanina avokoa aza ny valinteny dia mbola manivaka ihany ilay ben’ny tanàna ka izay heviny heverina ho tokony hijanona ho tsiambaratelo no ambarany ampahibemaso🙂

  3. Vao voalohany kosa no mba nisy filoham-pirenena niaro ny majinika momba ny solitny. Hoy izy tamin’nizay raha nitsidika ny QMM tany fort-dauphin: « samy mijery CNN izao isika ary tsy misy fisondrotana ny solika koa asondrosondrotrareo fotsiny amin’izao. Rehefa tsy hanao enreo de ho raisiko ny andraikitra ». Ny ampitsony iny ihany de nampidinin’ny total sy shell ny vidin’ny solika. Mahafinaritra io raha ny fijeriko azy.
    Faharoa de tsy ny mpanao gazety mihitsy no diso amin’ireny. Tsy mila comuniqué izany fa rehefa hitanao fa mandeha amin’ny TVM ny kabarin’ny filoha de efa mahasolo communiqué izay. Izaho de nahita io kabary io tamin’ny télé tamin’izaho tany teo. Aoka izay le fanaratsiana mpanao gazety e. Mba manao izay ho hafany ihany ry zalahy ireo.

  4. Faly mandray anao etoana ry Nante9.

    Raha azoko tsara dia tsy fanondroa-molotra mpanao gazety no tanjon’ilay fampandrenesan’ny ministry ny fifandraisan-davitra sy ny paositra ary ny fifandraisana fa fampahitsahivana mikasika ny lalaon’ny nosy izay ho avy. Resaka fifandraisana [communication] dia tena ratsy filatsaka ilay fotoana [agenda] fa narohin’ny mpamaky amin’ilay raharaha hafa.

    Araka ny hevitro ny fomba mipetraka amin’ny « mpiara-miasa » dia ny fifanantonana ahafahana mandanjalanja ny hevitry ny lafiny maro no voalohany fa tsy ny kabary ampahibemaso.

    Ny tiako ambara dia tena zava-dehibe mihintsy ny mahafehy ny fifandraisana [maîtriser la communication] ka ny fampiasana ny kabary am-pahibemaso dia tokony ampiasaina amin’ny fotoana mahamety azy mba tsy hanome endrika « handroso mihemotra ».

    Tsy fitsikerana handravana ny ahy fa faniriana ny hahatsara kokoa. Satria herim-po verimaina fotsiny izay fotoana lany nohon’ny « hevitra tsy azo … mampihazohazo » … ny fiatrehina ny ady amin’ny fahantrana anefa mila ny herim-pon’ny rehetra😉

  5. f’angaha i Rava8 moa ry nante9 no tompon’ny solika eran-tany ? mahagaga ahy indray izany hoe: Rehefa tsy hanao ianareo de ho raisiko ny andraikitra… izany ve tsy mampihomehy ?
    ataoko angamba fa mbola tsy mahaleo tena isika malagasy amin’ny resaka solika … ahitsiho ny teniko raha diso fa ny offre sy ny demande no manao ny marché an’ny baril ao @ CNN

    Miverina amin’ity ady hevitra ity aho satria namaky tamin’ny gazety aho fa hoe tezitra mafy tamin’ny mpanao gazety ny filoha ary hoy ilay gazety:
    Le président de la République fustige ainsi les journalistes d’avoir relayé des déclarations d’intention sur une éventuelle rupture de collaboration avec le FMI. « Je dis souvent qu’il faut savoir peser ses mots »[…]

    Tsy tokony omena tsiny velively ny mpanao gazety eto fa fomba fiadin’ny mpanao politika koa ve moa tsy efa hiaraha mahalala … Ilay fitondrana sy ilay kabary taitaitra ambony vavahady no tsy lanin’ny vavoniko loatra loatra ny tena marina. Tsara be ilay hevitra hoe hiala @ FMI🙂

  6. Ohatry ny mitovitovy hevitra daholo isika raha ny mikasika ireo mpanao gazety amin’ity raharaha ity.

    >« Je dis souvent qu’il faut savoir peser ses mots »[…]
    Io indrindra ilay « mpitari-bato vilam-bava » nambarako tetsy ambony. Izy tenany no tsy mahalanjalanja tsara na « namadibadika im-pito ny lelany alohan’ny hanaovany fanambarana » dia ny « mpitondra hafatra » no omeny tsiny.

    Misy ilay fiteny hoe « si tu n’as pas de parole, tu perds la face » avadiky ny any Marseille hoe any hoe « t’as pas de face » jereo Akhénaton >>.

    Tenin’ny Ntaolo hamaranako ny teniko « tsy misy tsy diso izay mandia ny tany, fa izay mivari-lavo no adala indrindra ». Raha hendry, dia tsy tokony hivari-lavo intsony i Ra8 rehefa tra-tehaka [flagrant délit]. Ary fitiavan-tanindrazana ny ahy no anambarako fa tokony hanaja tena izy mba tsy ho toy ireo olona tsy « manan-tava »😦

  7. Ny Asabotsy 21 Jolay 2007 andron’ny fetim-pirenena Belza [belge] raha nanontanian’ny mpanao gazety miteny frantsay ny praiministra Belza Yves Leterme izay miteny flamand raha hainy ny hiram-pirenena Belza amin’ny teny frantsay, dia ny hiram-pirenena Frantsay no nohirainy fa tsy ny Belza [la Marseillaise fa tsy la Brabançonne], notantarain’i Mialy >>🙂

    Aoka tsy ho kivikivy ambony ihany isika Malagasy fa mbola misy manoatra lavitra noho i Ra8😉


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :