Miantso fanohanana ireo mponin’ny « squat du Rhino » [Genève, CH]

Par : tomavana

Juil 11

Tags:, , , ,

Catégorie: tsetsatsetsa

2 Commentaires


© Alex Baladi, ch.indymedia.org, sary itatra iantsoana fanohanana ireo mponin’ny « squat du Rhino » izay hita manerana ireo fiandrasana fitanteram-bahoaka sy hita any amin’ny takelaka gazety teto an-tanàna androany.

Ho tohin’ny raharaha fandroahana ireo mponin’ny « squat de la Tour » dia miomana amin’ny « famangian’ny Polisy », izay heverina ho amin’ny Alatsinainy 16 Jolay 2007, ny mponin’ny « squat du Rhino ».

Miantso ireo tapaka sy namana sy ireo rehetra liam- pahafahana eto Genève sy ny manodidina ny mponin’ny « squat du Rhino » hanao hetsika fanohanana ny Alakamisy 12 Jolay 2007, manomboka amin’ny 18:00 ora hariva eo anoloan’ny « squat du Rhino » [boulevard des Philosophes 24, Genève | filankevitra raha mila fampiantranoana +41 78 842 09 73].

Mombamomba fohifohy: rehefa foana tsy nisy nampiasa nandritra ny folo taona, dia tamin’ny taona 1988 no nanombohan’ny « squat du Rhino » izay tranainy indrindra sady akanga sisa nanamborana amin’ireo « squat » eto Genève. 65 ireo olon-dehibe monina ao izay miandry vohoka ny 2, miampy ankizy 12, sy zaza menavava 2. Raha ny ampiasana ny trano indray dia « appartements » 15, sy « studios » 2, sy efitrano famerenan-kira 2, sy trano fiasan’ny mpanankanto 3 [ateliers], ary toerana fampiratiana iray sy efitrano fampisehoana 2 [salles d’expositions et de spectacles].

[« squat du Rhino » – rhino.la >>]

[Vaovao tsy miankina – ch.indymedia.org >>]

2 commentaires sur “Miantso fanohanana ireo mponin’ny « squat du Rhino » [Genève, CH]”

  1. […] Rhino » >> | Vahoaka sesehena no nanoina ny antson’ny « squat du Rhino » >> | Miantso fanohanana ireo mponin’ny « squat du Rhino » >> | Noroahin’ny Polisy ny « squat de la Tour » >>] Publié par tomavana rempli dans […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :