Tafo 170 may sy tsy manankialofana miisa 800 | Hain-trano any Anosinakoho [Mananjary, MD]

Par : tomavana

Juil 3

Catégorie: fanohanana, tsetsatsetsa

2 Commentaires

Vao tsy ela no nampitaina teto ireo doro-tanàna tany Mahanoro dia heno indray izao fa tamin’ny Zoma 29 Jona 2007 no may ireo trano falafa [na fontsy] miisa 170 tao Anosinakoho, any Mananjary, amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany [morontsiraka atsinanan’i Madagasikara], olona no 800 tsy manankialofana vokatr’izany voina izany.

Efa zary mahazatra fa toy ireo voin’ny afo nianjady tamin’ireo tanàna hafa teo aloha dia na afo saribao [charbon de bois] tsy maty tsara na « court-circuit », izany hoe loza tsy nampoizina no niavian’ny afo [incendie d’origine accidentelle] tokony ho tamin’ny 10:00 ora maraina raha olom-bitsy ihany no tao an-tanàna satria mpanarato ny ankamaroan’ny mponina ao.

Niitatra malaky ny afo izay namafisin’ny rivotry ny morontsiraka. Tsy ampy anefa ny herim-pon’ny mponina vitsy tavela miampy ireo « camion-citerne »-n’ny mpamono afon’ny ADEMA [Aéroport DE MAdagascar] sy ny orinasa SOGEA-SATOM [isan’ny namboatra ny làlana RN25, rantsan’ ny orinasa frantsay Vinci aty Afrika, leader mondial du BTP] ka voatery narodana tamin’ny alalan’ireo « bulldozers » ny trano maro sisa mitsangana mba hanakanana ny afo tsy hiitatra. Naharitra roa ora ny ady tamin’ny afo.

Niditra an-tsehatra koa ny Miaramila sy ny Zandarimaria mba hiambenana andro aman’alina ireo trano rava sy hiarovana amin’izay halatra sy fandrobana. Ireo tsy manankialofana miisa 800 kosa dia nampiatranoana vonjimaika ao amin’ny SFF [Sekoly Fanabeazana Fototra na EPP] Joseph-Robert ao Anosinakoho mandritra izao fialan- tsasatry ny mpianatra izao. Manambana sahady anefa ny kere nohon’ny tsy fahampian’ireo sakafo hozaraina amin’ireto tra-boina izay namoy ireo fanànany manontolo.

Vao tsy ela no nisy voina maro nidona tamin’ny mponina any Mananjary, tsahivina fa

– tamin’ny volana Janoary 2007 dia tondraky ny rano tanteraka i Anosinakoho nohon’ny rivo-doza Clovis araka ny tatitra nataon’ny mpiblaogy Arimanana Olivier [Farafangana Online Networks >>] sy ny gazety [05.01.07 | madagascar-tribune.com >>],

– tamin’ny volana Oktobra 2006 [vao tsy ampy iray taona akory] no nirehetan’ny trano maro tany amin’ny « Bazary kely » any Andovositra, Mananjary [14|10|2006, tafo 145 may, olona 500 tsy manankialofana],

Ity tantara mampalahelo ity dia mampahatsiahy, raha misy ilana izany, fa tena mila fanampiana tokoa ireo mponina any. Enga anie ka mba hanampy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra MAIKA ity fanoratana ireo Reniala amin’ny lova iraisam-pirenena UNESCO ity, satria i Mananjary, renivohitry ny Antambahoaka dia isan’ ireo tanan-dehibe any amin’ny faritra misy ireo Reniala ireo🙂

Mombamoba fohifohy: ny tanànan’i Mananjary dia tanàna amoron- dranomasina Oseana Indiana, izay fefen’ny renirano Mananjary any atsimo ary lalovan’ny lakandrano Pangalana [Canal des Pangalanes] Tsahivina fa ny Pangalana dia mampitohy hatrany Farafangana ka hatrany Foulpointe. Anelanelan’i Mahanoro [avaratra] sy Manakara [atsimo] no misy an’i Mananjary ary miisa 50’000 any ho any ny mponina ao.

[Sarin’i Mananjary – loran aka laurent gebel >>]

[Miverina mirehitra i Madagasikara >>]

[Incendie, 800 sans-abri à Mananjary [30.06.07] lexpressmada.com >>]

[Grave incendie à Mananjary, 800 sans-abris et Ar. 70 millions de pertes – madagascar-tribune.com >>]

2 commentaires sur “Tafo 170 may sy tsy manankialofana miisa 800 | Hain-trano any Anosinakoho [Mananjary, MD]”

  1. […] pandant que votre propre pays vis dans le noir – comme en enfère – si en prend en compte tout ces feux […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :