Reniala any Atsinanana hoan’ny mponina any an-toerana

© UNESCO/Rhett Butler, ala Atsinanana, Madagasikara

Nampitain’ Harinjaka fa voaray ho ao anatin’ny lisitr’ireo anak’andriamaso lova iraisam-pirenena UNESCO [Liste du patrimoine mondial de l’Organisation des Nations Unies pour l’Education, la Science et la Culture] ireo Reniala 6 any Atsinanana: Andohahela, Andringitra, Marojezy, Masoala, Ranomafana, Zahamena. Nambaran’ny fampahalalam-baovao koa fa anisan’ireo toerana vitsy voaray ny « saham- boaloboky Lavaux » aty Soisa [vignobles en terrasses face au lac et aux Alpes, Lavaux, Suisse] any amin’ny faritry Cully akaikin’i Lausanne.

« Taratra lehibe, fiekena ny maha-tokana sy sarobidy ny faritra misy anay » [c’est un rayonnement considérable, une juste reconnaissance du côté exceptionnel de notre région] hoy ny mpitondra tany Lavaux.

Nodradradradrain’ny heno aman-jery Soisa fa ny serasera no hahazo tombontsoa voalohany amin’ity vaovao ity. Heverina fa hitombo 10% ka hatramin’ny 20% ny isan’ireo mpamangy vokatr’ity.

Hitombo izany harinkarena any Lavaux, dia lasa ny eritreritro mametra-panontaniana hoe harinkarena amin’ny faritra aiza any Madagasikara no hitombo vokatr’ity fanoratana ity ?

Miverina an-tsaiko koa fa tafaresaka tamin’ny tantsaha sasany tany and-Ranomafana izay mihevitra fa « lasan’ny ANGAP [Association Nationale pour la Gestion des Aires Protégées] sy ny mpikaroka manam-pahaizana ary ny ONG ny ala » aho, dia mipetraka ny fanontaniana hoe anak’ andriamaso holovain’iza no nanoratana ireo ala Atsinanana ?

Aoka hazava fa isan’ny faly amin’izao « fiekena ny maha- tokana sy sarobidy » ny ala Atsinanana izao aho, toy ireo toerana hafa voafidy dia faniriako raha mba ny mponina any an-toerana no handray ireo tombontsoa voalohany fa tsy hihafy hanomezana fahafaham-po ireo mpamangy sy mpikaroka fotsiny ry zareo.

[unesco.org >>]

[ANGAP – parcs-madagascar.com >>]

© UNESCO/Nhiam Burke, vignoble du Lavaux, Suisse

5 commentaires sur “Reniala any Atsinanana hoan’ny mponina any an-toerana”

  1. Marina mihintsy ny teninao – ary mampalahelo fa mahantra tokoa ny olona amin’ireny faritra ireny … ICTE, MICET ary ANGAP dia nahazo vola tany amin’ny firenena mikamabana momba ity fanendrena ho Lovan’izao tontolo izao ity, nefa dia tsy misy resaka ny momban’ny mponina amin’ireny toerana ireny fa fanadiadiana fotsiny. Ireo teratany vahiny mmpikaroka eny amin’ireny toerana ireny dia faly ery mitantara amin’ny internet fa ny fividian’izy ireo voankazo eny an-tsena dia efa manampy betsaka ireo mponina ka mampalahelo tokoa. Tsy rary raha vidim-boasay no takalon’ireo fahalalana sy harena azon’izy ireo amin’ireo faritra ireo.

  2. Ny tena loza dia raha tsy mizara ny harinkarena fa mijanona am-pelatan’ireo mpandraharaha ara-serasera toy ireo mpanao Hotely sy « guides » anefa mitombo ny vidim-piainana dia ireo osa ara-pivelomana toy ireo tantsaha indray no voatery hifindra-monina ka handao tsy satry ireo « alan-drazana »😦

    Misaotra nizara ny fandinihanao Harinjaka. Misy rohy tianao nampitaina ve ? fa ohatry ny tsy mandeha ilay izy😉

  3. excellent que tu abordes ce sujet, je prépare un post là-dessus (faut que je me bouge pour l’achever).
    Pour l’histoire, Bordeaux vient d’être classée au patrimoine de l’Unesco également et c’est GEANT!😀

    Ce classement est peut-être honorifique dans un sens, mais ça ne résoudra rien, comme Rav8 qui veut étendre les périmètres des parcs nationaux actuels.
    je l’ai constaté sur le terrain en début 2000 (avant, je ne travaillais pas encore!). D’où l’intérêt de passer du discours de l’écologie à celui du développement durable et de la biodiversité. (ceci est une lettre de motivation, private joke😀 )

    Mais c’est bien beau de critiquer que ce n’est pas encore la solution, mon post à sortir en propose un, pour avis et débat.🙂

  4. >Ce classement est peut-être honorifique dans un sens, mais ça ne résoudra rien

    T-à-fait, de plus je ne crois pas qu’il y ait « une » mais plutôt plusieurs solutions adaptéesà chaque contexte du lieu, les us-et-coutumes, … en tout cas chaque idée peux faire avancer le « schlimblick » donc mérite d’être discutée🙂 attend ton post avec impatience.

  5. […] il y a fort longtemps, il s’inscrit dans le développement de mon commentaire sur le post de Tomavana à propos du classement au patrimoine mondial de l’UNESCO des for&ec…, rejoignant ainsi les Tsingy de Bemaraha et le Rova de Manjakamiadana (lire mon post à ce […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :