Zatovo Malagasy 4 folaka am-batony | Lozam-pifamoivoizana tany Sérignac [FR]

Sarin’ny sisan’ilay fiara Peugeot 405 ivelan’ny lalàna RD 928 any Sérignac [Tarn-et-Garonne] niharan’ilay loza omaly alina Alahady 24 Jona 2007 [sary nadika tamin’ny ladepeche.com].

Amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena izao dia resaka hoavin’ny firenena no henoko miverimberina. Ny ankizy sy ny tanora no hoavin’ny firenena, ary maro ireo tanora mandrato fianarana aty am-pitandranomasina, mandao fianakaviana, mihafy mitady karataka isaky ny andro fialan-tsasatra sy ny faran’ny herinandro [week-end]. Manana nofinofy ny amin’izay asa aman-draharaha any aoriana any.

« Tantely amam-bahona anefa ny fiainana » ka raha ny sasany manao arendrina sy miomana ny hifety ny 26 Jona, ny hafa kosa miari-tory ireto tanora 4, tovolahy roa sy tovovavy roa, anelanelan’ny 19 taona ka hatramin’ny 25 taona izay vao niharanan’ny lozam-pifamoivoizana tany Sérignac [Tarn-et-Garonne] omaly alina, Alahady 24 Jona 2007, ka folaka am-batony sy maty tanora .

Ankoatr’izy efatra mianadahy dia misy koa tovovavy iray izay maratra mafy. Azonareo vakiana ny antsimpirahany momba ity loza ity izay navoaky ny gazety « la Dépêche du Midi » androany.

Tsy mahalala manokana azy dimy mianadahy ireo aho fa mba namana koa no nandrenesako ity vaovao ratsy ity dia mba ampitaiko aminareo satria nanohina ny foko. Ary any amin’ny fianakavian’izy ireo sy ireo tapaka sy namana no nalehan’ny saiko voalohany. Tsy hitako anefa izay ambara afatsy ny hoe, maniry koa aho raha maniry ny azahoan’izy ireo fiononana.

[Quatre morts dans la voiture devenue folle – ladepeche.com >>]

[Sérignac : appel aux dons des familles de victimes – ladepeche.com >>]

[Accidents à Toulouse, les quatre corps rapatriés ! – midi-madagasikara.com (via wanadoo.mg) >>]

4 commentaires sur “Zatovo Malagasy 4 folaka am-batony | Lozam-pifamoivoizana tany Sérignac [FR]”

  1. Triste… à chaque fois que je lis ou apprends ce genre de drame, ça me fait froid dans le dos, à me dire « non, ça n’arrive pas qu’aux autres ».. Ca réveille dans les tréfonds de ma personnalité🙂 le sens du fihavanana. Et de compatir pleinement, sincèrement par amitié et par solidarité.
    Pour le 26 Juin, pas envie de resservir le même type de post de depuis 2 ans..

  2. > “non, ça n’arrive pas qu’aux autres”
    Je partage tes sentiments et puis cela me rappelle que la vie est précieuse et il faut la chérir.

  3. Namako ilay nitondra an’ilay fiara, i Anatole no famatarana azy.Izy ilay mpikarakara fampisehoana, mitondra artiste vazaha any Dago toy i Busta Flex,…
    Malahelo azy mafy aho sy ireo hafa koa.
    Fa dia inona moa ary no afaka atao afatsy manotrona am-bavaka ny fanahin’izy ireo sy ireo fianakaviana navelany.

  4. Niniako tsy napetraka teto ny anaran’izy dimy mianadahy ho fanajana azy ireo sy ny fianakaviany.

    Marina ny an’ny Ntaolo hoe tombon-dalàna ny azy ary mety mihevitra isika hoe dia lasa aloha loatra. Anjarantsika izay tavela anefa ny mihevitra ny ho avintsika tsirairay. Raha izaho manokana dia isan’ny mihevitra fa tsy ny halavan’ny andro iainana no zava-dehibe fa izay tanterahina mandritra izany fotoana izany [de la vie, ce n’est pas la durée qui importe mais ce qu’on en fait].

    Dia maherezà sy manàna fiononana Hasina a, ary sady misaotra amin’ny famangianao no manantena koa handray sy hamaky anao etoana amin’ny fotoam-pifaliana amin’ny manaraka.


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :