Eo am-piandrasana ny ivoahan’ny raki-kira CD izay nomena ny lohateny hoe « Songs for a Sleepwalker » [hira hoan’ny mpanonofy mitsangantsangana] i Eric Kolo sy ny tariny izay mitondra ny anarany dia handray anjara amin’ny fetin’ny mozika izay ankalazaina any Neuchâtel.
Ny tarika KOLO dia hanafana ny « lapihazo lehibe » [grande scène] ny Zoma 22 Jona 2007, manomboka amin’ny 22:15 ora alina, tsy misy vidim- pidirana.
[tranokalan’ny tarika KOLO – kolo-music.net >>]
[KOLO amin’ny myspace – myspace.com/kolomusic >>]
Publicités