07|06|05 – Andro iraisam-pirenena hoan’ny tontolo iainana | World Environment Day

« Fiempoan’ny ranomandry – Fanontaniana mahamay ? » [La fonte des glaces – Une question brûlante | Melting ice – A hot topic ?] no loha-hevitra tiana hampitaina amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena hoan’ny tontolo iainana taona 2007 [wed07].

Mety ho lavitra antsika Malagasy any an-tanindrazana izay tsy mbola mahita akory izay ranomandry voajanahary, izany fanontaniana izany. Tena voakasika anefa isika raha miepo ny ranomandry any amin’ny tendrom-boriboritany. Satria hiakatra ny salan’haavon’ny ranomasina, amin’ny maha-nosy an’i Madagasikara dia ho maro an’isa ireo olona any amoron-tsiraka voatery hifindra monina vokatry ireo tanàna difotry ny rano.

Raha izaho manokana dia nahita ny fihemotry ny ranomandry maharitra na « glacier » satria raha niverina tany Arolla [Valais, CH] aho amam-polo taona taty aoriana dia nahita maso ny fiovana lehibe misy amin’ny ranomandry maharitra [glaciers éternels] fa tsy nitovy tamin’ireo sarim- pahatsiarovana nalain’ny ray aman-dreniko fony izahay naka rivotra tany, raha 6 taona monja aho tamin’izay.

Teto Soisa dia zara raha nisy oram-panala nilatsaka nandritra ny ririnin-dasa. Asa raha mbola hahita maso ireo ranomandry maharitra ireo ny taranako, na honohono sisa hivela. Raha izaho manokana aloha dia isan’ny hetsika tsotra ho fitandrovako ny fahasalamako [mihetsiketsika] sy ny tontolo iainako [tsy mamokatra CO2] ny fampiasako bisikleta eto an-tanàna. Fantatro fa maro ireo hevitra tsotra ampiharin’ny tsirairay amin’ny andavan’andro, aoka tsy hisalasala ny mizara izany isika, fa ny « tao-trano tsy efan’irery » ary iombonantsika ny boriboritany😉

Tantara fohy: tapaka tamin’ny 5 Jona 1972 fa hankalazaina ny « andro iraisam-pirenenea hoan’ny tontolo iainana », nandritra ny fanokafana ny fivorian’ny Firenena Mikambana momba ny « tontolo iainan’ny olombelona » [Conférence des Nations Unies sur l’environnement humain] tany Stockholm. Tamin’io andro io koa no nanorenana ny Tetik’asan’ny Firenena Mikambana ho fiarovana ny Tontolo Iainana [PNUE | Programme des Nations Unies pour l’Environnement].
Miova isan-taona izay loha-hevitra hodinihina: 2006 – Déserts et désertification – Ne désertez pas les zones arides! | 2005 – Des villes vertes, un plan pour la planète! | 2004 – Avis de Recherche! Mers et océans: morts ou vivants? | 2003 – L’eau: deux milliards de personnes en meurent d’envie | 2002 – Donnons une chance à la Planète | 2001 – Connectez-vous à la cyber toile de la vie | 2000 – Faisons de l’an 2000 le début du millénaire de l’environnement. Il est temps d’agir! | 1999 – Notre terre, notre avenir : sauvons-la ! | 1998 – Pour la vie sur terre – sauvons nos océans | 1997 – Pour la vie sur terre | 1996 – Notre Terre, notre habitat, notre domicile | 1995 – Nous, les peuples: unis dans la défense de l’environnement mondial | 1994 – Une terre, une famille | 1993 – La pauvreté et l’environnement – briser le cercle vicieux | 1992 – Une seule terre; soigner et partager | 1991 – Les Changements climatiques et la nécessité d’un partenariat mondial. | 1990 – Les enfants et l’environnement | 1989 – Alerte au réchauffement climatique !| 1988 – Quand le peuple privilégie l’environnement, le développement est durable | 1987 – Environnement et logement : mieux qu’un toit | 1986 – Un arbre pour la paix | 1985 – La jeunesse: population et environnement | 1984 – La désertification | 1983 – La gestion et le stockage des déchets toxiques: La pluie acide et l’énergie | 1982 – Stockholm dix ans plus tard (rappel des préoccupations environnementales) | 1981 – Les nappes phréatiques ; Des substances toxiques dans les chaînes alimentaires humaines et les aspects économiques de l’environnement | 1980 – Un nouveau défi pour la prochaine décennie – développement sans destruction | 1979 – Un seul avenir pour nos enfants – développement sans destruction | 1978 – Le développement sans destruction | 1977 – Préserver la couche d’ozone; érosion et dégradation du sol ; bois de feu | 1976 – L’eau : source de vie | 1975 – Les établissements humains | 1974 – Une seule terre.

[Andro IP hoan’ny tontolo iainana 2007 – unep.org/wed >>]

[Tetik’asan’ny Firenena Mikambana
hoan’ny Tontolo Iainana – unep.org >>]

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :