Samy manana ny toerany

Par : tomavana

Mai 24

Catégorie: iza, tsetsatsetsa

25 Commentaires

« Tsy maninona na avy aiza na avy aiza fihavian’ny razanareo, na Indonezia, na Afrika, na Indy, na Sina:
samy manana ny toeranareo amin’ny hoavy goavan’ity firenena ity ianareo.
Tsy maninona na mivavaka isan’Alahady any am-piangonana ianareo na mandeha any amin’ny Moske isaky ny Zoma:
samy manana ny toeranareo amin’ny hoavy goavan’ity firenena ity ianareo.
Tsy maninona na tanindrana na avy any anivontany ianareo:
samy manana ny toeranareo amin’ny hoavin’ity firenena ity ianareo » izany fankaherezana izany no hafatra napetrak’i James D. Mc Gee, Ambasadaoron’i Amerika andalam-podiana avy any Madagasikara raha nanao veloma ireo zatovo hoavin’ny Malagasy, mpianatra teny Ambohitsaina izy omaly [« Le Quotidien » 25.05.2007 – notaterin’i wanadoo.mg].

Bekotro maro holatra tamin’ny ady tany Viet-nam ny lehilahy manambara izany teny feno fahendrena izany, ary tsy gaga aho raha namaky fa nianatra tany Indiana toa an’i Lova izy😉 [Peu importe si vos ancêtres viennent de l’Indonésie, de l’Afrique, de l’Inde ou de la Chine: vous avez une place dans le grand avenir de ce pays. Peu importe si vous allez à une église chaque dimanche ou à la mosquée tous les vendredis: vous avez une place dans le grand avenir de ce pays. Et peu importe si vous êtes originaire de la côte ou des hauts plateaux: vous avez un avenir dans ce pays, James D. Mc Gee, ex-ambassadeur des Etats-Unis d’Amérique à Madagascar].

Tsy afaka ny hitsara izay maha-izy azy ny lehilahy amin’izay fehezanteny vitsy notsoahina avy atmin’ny kabary lava aho. Tsy eto ambany masoko rahateo izay kabariny feno. Kanefa tsy haiko ny tsy hanambara ny fankasitrahako ny fanambarany ampahibemaso izay kobonin’ny maro an’isa antsokosoko mangina any.

« Ra-James D. Mc Gee, mamelà ahy hindrana ny teninao, tsy maninona na avy aiza na avy aiza fihavianao [iza moa no mahalala raha andevo avy taty Madagasikara ny razambenao ?], manana ny toeranao anivon’ity firenena Malagasy ity koa ianao satria samy mponin’ity boriboritany ity isika, fa ny kisendrasendra no nahaterahanao tany ambadika tany ary izaho taty anivon’ny ranomasina taty.
Misaotra dia soava dia Ra-James D. Mc Gee ! »

[James Mc Gee fait part de ses soucis – wanadoo.mg >>]

[James D. Mc Gee – usmission.mg >>]

25 commentaires sur “Samy manana ny toerany”

  1. ary toerana misy any a tanana…
    Merci d’avoir poste les mots de McGee…
    des mots forts dans ces moments d’incertitude…

  2. Malalaka tokoa ny tanindrazantsika fa ny saintsika indraindray no mila ho tery😦
    Tsy misy fisaorana !

  3. ary sao dia ny sahoan-dresaka mampitahotra no betsaka ? aoka ho mailo tsy ho marivo salosana koa ny rehetra satria tsy tongatonga foana izao zavatra mahamonamonaina izao fa misy nanomana.

    ny hery hono tsy mahaleo ny fanahy kanefa dia mihatra ny lalàna rehefa avy ny tsy mety.

  4. >mihatra ny lalàna rehefa avy ny tsy mety.
    Nisy fanamarihana indrindra nambarany momba ny fampiharan-dalàna “Tokony hitovy ny fitondrana ara-pitsarana ny rehetra, na kalazan’ny politika izy na mpangataka tratra nangalatra vary kely. Ny fahataran’ny fitsarana dia fandavana ny fahamarinana. Ento manoloana ny mpitsara ry zareo, na avelao izy hody any an-tranony”
    [La justice doit appliquer les mêmes règles d’équité à tout le monde, des illustres politiciens aux pauvres mendiants accusés d’avoir volé un peu de riz. Mais une justice retardée est une justice refusée. Amenez-les devant les juges ou laissez-les partir >>]

  5. […] and ethnic origins, Tomavana reminds us the words of outgoing US ambassador, James McGee, who urges Malagasy of all origins to commit to the future of the country. Tsy maninona na avy aiza na avy aiza fihavian’ny razanareo, na […]

  6. Dikanteny ofisialy : « Firenena tena manana ny toerany raha i Madagasikara. Saingy tsy ho tsapany mihitsy ny haben’ny hery ananany raha tsy miray hina tanteraka ny mponina ao aminy. Mety ho mamiratra ny làlana miandry eo aloha, saingy tsy ho tanteraka izany raha tsy mifanome tànana ianareo rehetra.
    Manana anjara amin’ny ho avy mamiratra eto amin’ity firenena ity ianao, na avy any Indonésie, Afrika, Inde, na Chine no nihavian’ny Razambenao. Manana anjara amin’ny ho avy mamiratra eto amin’ity firenena ity ianao, na mpiangona isan’Alahady na mpamonjy Mosquée isaky ny Zoma. Ary manana anjara amin’ny ho avy mamiratra eto amin’ity firenena ity ianao na avy any amoron-tsiraka na avy eto afovoan-tany.» James McGee teny Ambohitsaina 23 May 2007 vakio ny kabary feno [Eng/Mg/Fr] >>.

  7. Hiharaha mahalala ny harenan’ny mala gasy :
    Fahalemem-panahy- fahatsaran-tarehy(na ny amoron-tsiraka, na ny afovoan-tany)-fahendrena(ohabolana)-fahalalana(maro ireo malagasy manam-pahaizana eran-tany)- harena ambonin’ny tany – harena ambanin’ny tany-tsy lany laniana na dia tonga daholo aza ny vahiny manovo- harena @ taozavatra maha tolagaga ny vahiny, ary mino aho fa raha misy fifaninana dia ao à voalohan-dohany ny malagasy.

    Ny loza anefa dia izao : « tsy misy fanetren-tena ny malagasy, ary hita ombieny ombieny izany, fa na izy mieboebo, na izy matahotahotra, na izy manao ny tenany ho ambany »

    Ny loza faharoa dia izao: “manao GASY TAFITA izy ,amidiny mora ny harenany, domin’ny vahiny tapany dia mandoa erany.Hany ka atoan’ny olona fitsetsitra ny mamy fotsiny , dia hihorahany,ataony hoe : « fetsy ireo fa mitandrema. »ary aeliny hoe : « mora vidy ! »

    Manana ny maha izy azy ny malagasy, tsy mila miseho fa efa manana, ary tokony amidy lafo.
    Aleo atao hoe : « any Madagascar tsara fa lafo, nefa tsy maha fatiantoka. »

    Aza mieboebo fa kodiaran-tsarety ny fiainana.
    Aza matahotahotra fa efa ao aminao ny tsara sy ny azo antoka.
    Aza mety ambakaina na araraotiny fa lafo vidy ianao ary tsy mahita mihaotra anao izy, fa ny ingénieur agricole aza manontany @ mpamboly.

    TSAROVY FA RUBIS MANDEHANDEHA IANAO, takarina sarotra alaina ry malagasy havana.

  8. Tongasoa Jocelyne😀 misaotra amin’ny fandraisanao anjara

    >Aza mieboebo fa kodiaran-tsarety ny fiainana.
    >Aza matahotahotra fa efa ao aminao ny tsara sy ny azo antoka.
    >Aza mety ambakaina na araraotiny fa lafo vidy ianao ary tsy mahita mihaotra anao izy,

    Angamba azo ampiana koa hoe mahaizà miray hina, fa na miara-tafita isika Malagasy na hiara-milentika.

  9. gaga aho nanoratra aho omaly , anio dia tsy hitako eo ny soratro asa na izaho no diso sa ??????
    Ny siny feno tsy mba mikobana ê! izany hoe ny malagasy rehetra tokony hanana ilay teny vahiny hoe: « silencieux mais efficace! » na « lentement mais sûrement ».

    sahona sa ahoana ? ???

  10. >ny malagasy rehetra tokony hanana ilay teny vahiny hoe: “silencieux mais efficace!” na “lentement mais sûrement”

    Angamba tokoa raha ny 50 %-n’ny mponina ihany aza no toy izany lazainao izany dia efa ho azo tsapain-tànana ny fiovan’ny toe-tsaina ary hita-maso ny fandrosoantsika.

    >anio dia tsy hitako eo ny soratro

    Avy nitsidika tany amin’ny valan-tahirim-pako SPAM fa tsy nahita soratrao tany aho😦

  11. miandry isika, ary ampitapitao, na copier coller o any ny resakintsika ê !
    iza no mahita : « toratoraka,voa -mason’angatra », « atsipy ny tady an-tandroky ny omby »…..

    raha izaho no prezida, dia tohanako tsara ny mpamboly hihinanako, izay aho vao manao zavatra hafa.

    Hoy aho namaly olona iray raha nanontany izy hoe:
    -« inona no mety hanalana ny vahiny any amin’ny tany samihafa? »
    – tohano any amin’ny taniny izy, asivo asa ho azy any, ary karama mahavelona azy dia tsy miala any @ tanindrazany izy.

  12. “Atsipy ny tady an-tandroky ny omby, atsipy ny tady any am-pon’izay mahalala” … marina iny tenin’ny Ntaolo iny : raha tiana hisy fiovana ny zavatra dia tsy mety ny mangina amin’izao sy miandry.

    Misaotra amin’ny fandraisan’ny tsirairay anjara sy ireo tolo-kevitra fandrao misy ihany ireo « mahalala » izay hamaky izany.

  13. erikerika maha tondran-drano ity, toa isika sy ianao ihany ry tomavana no miresaka eto .

    Ny problèmen’ny malagasy anie dia indraidray koa ambo-po diso toerana, ka tafita vao rendrika mandrakariva fa tsy tsara fototra sy fiorenana ê. Hoy izy hoe: « izaho aloha tsy ambanin’io ê! » fa maninona raha atao hoe: »mba hianarako ny toa io ». Mahavita trano tsara izy, fa ny composition’ny simà aha mafy horina ny trano tsy hainy, hainy ny maka tahaka, na dia lavenona aza no lokon’ny simà, fa vao domina ny trano dia mirodana ???!!!!. Mampiaiky ny vahiny indray ny fangalany tahaka, fa hoy izy ireo hoe : « MORA POTIKA » dia eo indray ny gasy.

    Ity koa no hita matetika « Tsy ampy fond ê ê ê! » ka ahoana daholo ny vahiny tsianinontsianinona tany aminy tany ireo nefa dia lasa « patron » tonga eto madagasikara, amin’izay miteny @ fiteniny izy mifampibitsibitsika hoe : » araho maso fa mpangalatra ». Manambany ny gasy izany. Ary ireto vahiny mamaritra tany hanovozana diamondra, dia ampiasaina ny malagasy, na vonoina raha mahazo be?

    Ny fahendrena mandresy an’izany rehetra izany: « AVANCER LENTEMENT MAIS SÛREMENT », maka ny endrikin’ny » fotoana », mandroso tsy mihemotra. Ny 25 septembre 2008 tsy miverina intsony. Hoy ny teny vahiny hoe : « inexorable », « tsy misy mahatohitra ».

    izaho manao hoe: ny tena fiainana dia ny mandroso, miantomboka @ zavatra kely dia miha lehibe hatrany, tsy taitra raha mirodana, fa mamboatra ihany , dia misy antony ny ahavelomana, dia mitantara ny fandresena rehetra na dia ny nandresena ny fahoriana aza, ny fifaliana moa dia manginy ihany.

    Ry malagasy mpiray tanindrzana amiko ô !
    faly ery aho mahita fa misy mamaky sy mamaly, misaotra ê !

  14. >Ny problèmen’ny malagasy anie dia indraidray koa ambo-po diso toerana … fa tsy tsara fototra sy fiorenana ê

    Tena mitovy hevitra aminao fa ny fitaitaizana sy ny fanabeazana no harena sy fototry ny fiaraha-monina.

    >ny tena fiainana dia ny mandroso, miantomboka @ zavatra kely dia miha lehibe hatrany

    Asa tokoa re raha izay mahatonga antsika taranaka taty aoriana tsy manana faharetana ka dia maika amin’izay fitadiavana « tany malemy anorenam-pangady » ary raha vao « indray mandeha monja no mata-vary » dia efa mitady « handevi-tsotrobe » sahady.

  15. nasiana sarin’ny vazaha be loatra teo anoloantsika ka nataontsika ho ireny no voninahitra. Gaga isika aty aoriana mahita vazaha tsy mikiraro, mahantra, maloto.Tsy natao tao @saintsika hoe « niosim-potaka koa ireny vao tafita », fa na miaraka @ vazaha aza, milazà ny gasy tsy kevokevoka ery?!!?, ny complet-ny no tonga dia notafintsika(nefa isika mahay mandraitra kanto kokoa noho izy, mahafinaritra mijery ny fitafiana tena malagasy, kanto ery). Gaga ny vazaha mahita antsika mi-complet: « prezident’ny inona loatra ity? », miala ny complet: »ity ve ilay olona tary?????? » . Raha hipetraka et madagasikara io vazaha io dia hoy izy @ namany : « azontsika ambakaina ireo, na dia mitafy volamena aza. »

    Aza ataon’ny olona ho fetsy isika, fa aoka ho ataon’ny olona ho « AZO ANTOKA, ARY MANANA NY MAHA IZY ANTSIKA NA @ FANAHY, NA @ FAHENDRENA, NA@ TALENTA (fa raha atao hoe fahalalana mantsy dia hirehareha indray isika, fa ny fahalalana sy ny talenta dia tsy mitovy, ilaina ny fahalalana, fa ny tena harena dia ny talenta) hananan’ny malagasy ireo.

    Iza no toy ny malagasy ??? Andriamanitra aza momba azy, raha sady mandeha @ fatahorana azy, ka velona ho an’ny fireneny?

  16. >ilaina ny fahalalana, fa ny tena harena dia ny talenta

    Izaho koa mino fa ifototoran’izay fandrosoana sy ny fanatsarana ny fiaraha-monina ny fahalalàna ka tena ilaina tokoa, saingy heveriko fa ny fahendrena sy fahaiza-mampiasa izay fahalalàna izany mbola sarobidy kokoa. Satria izay fahalalàna tsy voafehy dia mety ho loharanom-pahavoazana koa. Azontsika alaina ho ohatra ny fahalalàna mikasika ny angovo nokleary [nucléaire].

    Ny ahy izany ny fahendrena [sagesse, éthique] no mbola ataoko ambony kokoa nohon’ny talenta. Ny talenta mantsy heveriko ho dikantenin’ny « don » sa diso aho ?

  17. ny talenta dia fahaizana mampiasa ny saina ahantanterahana zavatra iray. Ny maha samihafa azy @fahalalana dia izy miasa dia mianatra ahatsara, hahatanteraka, mitady mandrakariva hanatsara ilay zavatra hainy.

    Ohatra: -tovovavy kely mahay sady tia mozika, dia nitady hevitra mandrakariva izy hicontacter an’ireny mpitendry mozika ireny, dianatsarany isan’andro ny feon-kirany, dia ren’olona ny hatsarany, dia nianatra mozika , nandalina mihitsy dia afaka nifaninana tamin’ireo fanta-daza, ary nanan-karena fatratra taty aoriana. Ny talenta tsy mba miala aminao, fa ao anatinao.

    Ny fahalalana kosa, mianatra vao miasa, indraidray aza very an-dalana eny raha tsy mahita ny sorim-pianarana nofidiana, marina fa afaka manovo sy mampitombo ny fahalalana izy ao @ asany , fa raha ny manan-talenta sy ny manam-pahaizana no mifaninana @ fivelomana, dia resin’ny manan-talenta ny manam-pahaizana, satria tsy afaka mampiasa ny lohany hangady tany izy hihinanany.

    Izay no tsy tokony hifanambaniana satria raha tsy nisy ny andevo, tsy velona ny andriana, raha tsy nisy ny mainty, taiza ireo fotsy ireo ? ary raha tsy nisy ny fotsy, taiza ireo mainty ireo ?
    Ny olona manao hoe « raciste ireo » no tena « raciste » satria mahatsiaro tena navahana izy ka tena tia hamaly faty, dia mampiasa an’io teny io. Avonavom-po sy fitiavan-tena ihany io.

    adi-hevitra ihany ny antsika. Indraidray aho toa entitra loatra angaha, miala tsiny tompoko.

  18. Hay tsy mitovy ny fahazahoantsika ny dikan’ny hoe « talenta. » Don hoy aho tetsy ambony fa « prédisposition » angaha no mazavazava kokoa. Ohatra olona mirefy mihoatry ny 2m, na olona manana ny sofina « matsilo » na « oreille absolue » raha hijanona amin’ilay ohatra mozika natolotrao.

    Mazava ho azy fa raha mihoatra amin’ny olon-tsotra dia manana tombony ilay olona avo raha hilalao baskety, saingy tsy nisy nahay tany an-kibon-dreniny. Torak’izany koa ny olona matsilo sofina raha handalina ny sehatra mozikaly.

    Talenta hoy ianao, « sagesse » na « éthique » izay nadikako hoe « fahendrena sy fahaiza-mampiasa izay fahalalàna » hoy aho. Na dia samihafa aza ny voambolaña, dia toa tsy mifanalavitra ihany isika rehefa zohina. Izay ny momba iny.

  19. >Ny olona manao hoe “raciste ireo” no tena “raciste” satria mahatsiaro tena navahana izy ka tena tia hamaly faty, dia mampiasa an’io teny io.

    Tsy mitovy hevitra aminao aho raha io fehezanteny iray io no raisina. Satria ny famaritana ny hoe « valy faty » dia manambara avy hatrany fa nisy « faty » tany aloha tany » ka itakiana « valina. » Mitovy ihany koa amin’ny hoe « valin-kitsaka. » mora kokoa amin’ny tongotra teo ambony ny manadino fa ny tongotra voahitsaka kosa dia sarotsarotra satria misoratra ao amin’ny nofony izany, ka tsy azony atao toy ny tsy nisy.

    Raha tsy hitantara izay niainako manokana amin’ny maha-Afrikana monina aty Soisa aho dia aoka hindramiko ny tantaran’ireo Jiosy tao ambanin’ny ziogan’ireo Nazi, na koa izay nihatra tamin’ireo ireo mainty fihodirana tany Amerika ary nitolonan-dry Dr Martin Luther King, na koa ny Apartheid izay notoherin-dry Mandela tany Afrika Atsimo vao tsy ela. Ireo rehetra ireo dia manamafy fa tsy azo idifiana fa misy mihitsy ny « fanavakavaham-bolokoditra » na « racisme » fa TSY AZO ODIAN-TSY HITA.

    Mila antsoina amin’ny anarany, tadiavina any amin’izay zohy iafenany ary atrehina maso, sy ifanazavana mba ho resy ampahabe-maso ny foto-kevitra toy izany. Fa raha odian-tsy hita dia misoko mangina toy ny homà-miadana.

  20. hoy aho t@ olona iray : « tsy fantany angaha fa olona tahaka azy io anoloany io, fa avy any an’ala angaha izy?? ». Raha mandinika ianao dia tsy ny maha fotsy na maha mainty no tena antony io racisme io (na dia eo aza ny tantara manao hoe « maloto ny hoditrany »), fa fanambonian-tena io. Raha vao hafa noho izy dia ambany izany. Raha vao tsy maharaka ny fisainany dia ambany izany, ary toa fanaon’ny olombelona tsy mivaditr’ovana, dia manao tsindry hazo lena ny tsy maharaka ny rythme-ny, manararaotra manandratra ny tenany ary mitombo harena @fanararaotana ny fohy fisainana. Natao hoe: « izany ny eto an-tany ê! »

    Nijaly mafy ny olona sendran’izany olona izany, nefa raha nianatra ny asa rehetra nampanaovina azy izy, dia nahaleon-tena, dia nijinja ny vokatry ny tananany ary resy ilay mpanao tsindry hazo lena, ka tsy nisy mpiasa intsony, ary raha nitohy ny asany ka nafindra t@ taranany dia tsy nisy ny mpanararaotra, satria nitombo ny olona dia nitombo ny vokatra.

  21. Marina mihitsy fa tsy ampy ny miravoravo tànana (se contenter de se lamenter). Tsy ampy koa ny fitoriana fotsiny ny tsy an-drariny … fa mila miotra hijoro ireo vahoaka sedran’izany fampijaliana izany. Saingy heveriko fa ilaina ihany koa ny lafiny faharoa dia ny fiaikena azy ho nampijaliana (la reconnaissance de leur situation de victime) mba ahafahany misaona (deuil) sy manako-pery (cicatriser) … satria izany no rariny (justice).

  22. « fa mila miotra mijoro ireo vahoaka sendran’ny fampijaliana be ». Marina izany.
    « satria izany no rariny » – ??
    Amiko ny rariny dia ny fampisehoana an’ireo olon-dratsy ireo, fa tsy tahaka azy ireo heveriny ho ambany ireo, tsy miankina @ ran’olona toy ny ataony (fa tsy maintsy mijinja ny asany izy na eto an-tany na any an-danitra raha misy koa ny lanitra, maro no nihevitra ho tsy hisy mpahita fa i PAPON aza 87 ans (sa firy moa ?)notsaraina ary nohelohina. Tsy misy afa-miala fa : « ny ratsy atao loza miantona, ny soa atao hilevenam-bola »).

    Ny rariny dia tsy mamongatra faty efa ela, satria tsy isika no nampijaliana fa ny razantsika (novalian’ny vazaha iray t@ étranger nilaza hoe : « ianareo nampijaly ny razanay ») io.
    Marina ny azy, fa ny tokony asehon-tsika tsy amin’ady, fa rà ho latsaka fahatany satria manam-bola hividianana basy ny fahavalontsika, fa @ fitakiana ny zon-tsika.

    RAHA TSY MIARA – MIASA DAHOLO NY MPIASA INONA NO HO HANINY EO, izy tsy mahay mahandro?

    raha tsy manaiky omeny karama kely ny malagasy, aiza no ahitana matières premières levona ny vola ampiasainy??

    samia manomana ny kibony @ ady hatrehina dia mita be tsy lany mamba ? sa???

  23. >Ny rariny dia tsy mamongatra faty efa ela, satria tsy isika no nampijaliana fa ny razantsika

    Mitovy hevitra aminao ireo olona mitsikera ny fizaran-tany nataon’ny filoham-pirenena Robert Mugabe any Zimbaboe. Nibodoan’ireo voanjo vazaha (colons) ireo tany mahavokatra. Nanjary sompitr’i Afrika i Zimbaboe. Satria tsy nisy fizaran-tany vaovao taorian’ny fanjanahan-tany dia mbola teo ampela-tanan’ny vazaha vitsy an’isa ihany ny tany lonaka. Noheverin’i Mugabe fa rariny raha ifanjarana ny tany. Tsy nahakarakara anefa ireo tompon-tany Afrikana vaovao. Mosarena i Zimbaboe.

    Marina tokoa fa izay rariny hoan’ny sasantsasany dia mety hifanipaka amin’ny tombotsoan’ny firenena. Ka mila fandanjalanjana fa tsy mitompo-teny fatratra.

  24. misaotra anao mamal an-tsakany sy an-davany ny teniko rehetra fa indraidray moa tsy hasarotina loatra koa ny fiainana sao « marary fo @ izany eo » hoy ny fomba fiteny talohaloha teo.

    Nisy olona nanontany ahy koa hoe: » inona no fanafodin’ny chômage ? » dia hoy aho hoe: « vonoy ny machine manao surproduction fa sady mandany angovo no tsy misy asa intsony ho an’ny olombelona …..?? » mandany vola mividy ny olona fa tsy mampiditra vola dia …… ny farany dia mitombo harena ny manana, ary ny tsy manana miha lany ihany ny kely hananany. Fandrihany @ loto indray ny mahantra sao mba manam-bitana, ka toa ny vola lany @ toaka sy sigara ihany no lany ao, izany hoe: « vola mamono fa tsy mamelona »

    « tsy hita ê ! nefa hita ihany fa hodiana tsy hita mba tsy hanampy trotraka. »

    soa ihany fa eo Andriamanitra.

  25. >“vola mamono fa tsy mamelona”

    Ny fanaovana ny vola ho andriamanitra dia tena mitondra any amin’ny fahafatesana tokoa.

    Tsy misy fisaorana fa mahafinaritra ny mitafatafa … ny hevitry ny maro no mahataka-davitra🙂


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :