07|05|21-25 – Fiangonana hoan’ny rano any Afrika [Entebbe, UG]

Par : tomavana

Mai 21

Catégorie: fanohanana, rano

Poster un commentaire

« Toa-rano », sary nadika tamin’i Aérobrush >>

Satria « ny hevitry ny maro no mahataka-davitra ary ny tao-trano tsy efan’ny irery » dia misokatra androany any Entebbe any Oganda [Ouganda] ny fivoriana iraisam- pirenena izay natokan’ny vondrona iraisam-pinoanan’ny fiangonana hikatsahana vaha-olana maharitra amin’ny tsy fahampian’ny rano any afrika.

Ny « Conférence du Réseau œcuménique de l’eau » [ROE] izay sampan’ny « Conseil œcuménique des Églises » [COE] no mikarakara izany fivoriana izany, izay tsahivina fa fivondronan’ireo sampan’asa fampandrosoana Kristiana mba:
– hanandratra ny feon’ny Kristiana amin’ny fitondrana anjara-biriky amin’ny adihevitra fikatsahana vaha-olana maharitra amin’ny tsy fahampian’ny rano,
– hanaitra ireo Fiangonana amin’ny hamaihan’ny raharaha mikasika ny rano,
– hitarika fiaraha-miasa iraisam-pinoana amin’ny ambaratongan-draharaha rehetra.

Ny fivoriana dia manomboka ny Alatsinainy 21 May 2007 ka hatramin’ny Zoma 25 May 2007, eo ambany fiantranoan’ny Minitry ny Rano sy ny Tontolo Iainana Ogande ary andraisan’ny manam-pahaizana sy ONG maro anjara.

[Conférence du Réseau œcuménique de l’eau [ROE]
sur la réponse des Eglises à la crise de l’eau en Afrique >>
]

[Réseau œcuménique de l’eau, ROE – water.oikoumene.org >>]

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :