07|05|18 – Alim-bavaka iraisam-pirenena [Genève, CH]


Ao anatin’ny fankalazana ny nifidianan’ny vahoaka ny Reformasiona teto Genève ny Alahady 21 May 1536, dia hisy alim-bavaka [veillée de prière] izay andraisan’ny fiangonana Kristiana samihafa fiteny maro eto Genève, izay hotanterahina ao amin’ny Temple de la Fusterie [place de la Fusterie, Genève | ao akaikin’ny place du Rhône], manomboka ny Zoma 18 May 2007 amin’ny 18:00 ora hariva ka hifarana ny Asabotsy 19 May 2007 amin’ny 08:00 maraina.

Ny anjara fanentanana Malagasy dia ny Zoma alina manomboka amin’ny 20:00 ora ka hatramin’ny 20:30 ora alina ao ambany fitarihan’ny fiangonana iraisam-pinoana Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina, [FKMSM].

Ora Mpanentana

18:00 Fiangonana Loterana [Eglise luthérienne]
19:00 Fiangonana advantista [Eglise adventiste]
20:00 Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa [FKMSM, Eglise œcuménique chrétienne malgache de Suisse]
20:30 « Redeemed Christian Church of God »
21:00 « Eglise nationale du Seigneur Jésus Christ»
22:00 « Communauté œcuménique de Béthanie »
22:30 « Eglise évangélique de Pentecôte »
23:00 « Hour of grace »
23:30 Fiangonana Kimbagista [Communauté kimbanguiste]
24:00 « Eglise protestante/Animation des jeunes en Eglise »
« Eglise protestante/Paroisse Troinex-Veyrier »
24:30 « Eglise presbytérienne du Caméroun »
01:00 « Assemblée Dieu Nova Canaan »
02:00 « Centre Pleroma »
03:00 « Comunidad cristiana latino-americana »
04:00 « Full Gospel »
05:00 « Outreach deliverance center »
06:00 « Eglise protestante/Paroisses des Pâquis et de la Servette »
06:30 « Eglise libre/Paroisse des Buis »
07:00 « Eglise évangélique méthodiste »
08:00 Firavana

10 commentaires sur “07|05|18 – Alim-bavaka iraisam-pirenena [Genève, CH]”

  1. […] fiangonana 20 manentana, tanterahina ny Zoma 18 May 2007 mifoha Asabotsy maraina 19 May 2007 >>, – ny antsam-panahy izay andraisan’ny antokom-pihira avy amin’ny lafy valon’izao […]

  2. manahôna
    mahafinaritra ny mamaky ny blog nao tena ezahinao amin’ny teny Malagasy madio fa ny fanontaniako hoe: nanatrika io alim-bavaka io ve ianao de nanao ahoana?

  3. Faly mandray anao etoana ry Hanitra ary misaotra indrindra koa amin’ny fampaherezana.

    Nanatrika tany tokoa raha ny tenako🙂 Tena eo ampovoan-tanàna no misy io fiangonana « Temple de la Fusterie » io, ka lalan’ny maro rehefa mody avy miasa, satria marobe ireo fitateram-bahoaka no mifanojo eo akaikiny. Ny toetr’andro koa efa niha-fahavaratra [été] dia sady mafana ny andro no amin’ny folo alina vao miha-maizina ny andro.

    Tamin’ny 19:15 no nifamotoana ny Malagasy ary tsy nisy andraso andraso fa samy avy dia niditra nanatrika izay fotoana tao izay tonga. Fotoana fiderana izay nanaovana hira mientanetana samihafa no nataon’ny Advantista, ary avy eo narahina fotoam-bavaka izay nizarany ny mpanatrika ho antoko 6 ahitana olona tsi-folofolo avy, manao faribolana.

    Somary nafana-fo ry zareo ka somary tara izy vao nahavita ary satria asiana fotoana fohy azahoana miala-hetaheta na miditra sy mivoaka koa, dia efa tamin’ny 20:20 vao nanomboka ny fotoantsika Malagasy. Ary satria tsy mbola teo ireo izay tokony hitarika manaraka [izay tokony ho tonga 0:30 mialoha araky ny fandaminana] dia nangataka ny mpikarakara ny hanalavàna ny fotoana hatramin’ny 20:50.

    Hira sy vakiteny izay arahina toriteny fohy sy vavaka no nomanintsika ka efa nampitaina tamin’ny tompon’andraikitra mialoha ny andefasana amin’ny fahita-lavitra [rétroprojecteur] eny amin’ny rindrimbe ireo tononkira sy ny dikanteny. Nony nisasaka anefa ny fotoana dia indro nirohotra [somary tara] ireo mpandray anjara manaraka ka dia nohafohezina arak’izany ny fotoana.

    Ireo nandimby toerana dia fiangonana mihetsiketsika [azo lazaina fa pentekôtista] izay Afrikana miteny anglisy ny ankabeazan’ny mpiangona ao aminy. Ny ankamaroantsika Malagasy mbola nijanona tao nihira sy niteha-tànana fa ny sasany toy ireo izay kely anaka kosa nampilalao ankizy tany ivelany satria misy loharano mikoriana sy toerana malalaka teo ivelany, ny andro mafana rahateo.

    Satria mbola nifampiandry dia tamin’ny 22:00 tany ho any vao nisaraka teo satria ny sasany dia mbola hody any Lausanne izay 60 km avy eto Genève, moa ny sasany kosa mbola handray anjara amin’ny antsam-panahy iraisam-pirenena ny ampitson’io >> ary ny Alahady tamin’ny fotoam-pivavahana iraisam-pirenena >> no nifaranan’izany fankalazana ny fetin’ny Refôrmasiona >> izany😀

    Voalohany no nisy fotoana nahazoana nampiharihary ny harenabe misy eto Genève amin’ny fisian’ireo fomba Kristiana samihafa vokatry ny fihaviana maro ireo. Saingy tsy hotohizana isan-taona akory izy io fa fomba hafa indray no saintsain-dry zareo anomezana endrika izany amin’ny manaraka😦

    Na dia izany aza dia nifanakalo imailaka tamin’ireo fiangonana rahavavy maro ny samy mpiandraikitra sady nifanome teny ny mbola hiara-mientana hikarakara zavatra iombonana … na dia tsy vaventy be ohatr’ity aza😉

  4. Misaotra betsaka an’i tomavana namaly sy nanome ireo tatitra mapientanentana ireo dia mazotoa dia tsarovy foana ny mivavaka hoa n’ny tanindrazantsika fa zava-dehibe izany

  5. Tsy misy fisaorana ary misaotra koa amin’ny fampaherezana hivavaka satria azoko lazaina fa tena ambetiventin’ireo namana aty Soisa tokoa ny tanindrazantsika.

    Raha tsy mahadiso, ianao ve isan’ny mpiandraikitra ny vohikala Radio Agape norohinao amin’ny anaranao etsy ambony ?

  6. Tsy mpiandraikitra aho , fa namana akaiky no mpikarakara io radio io

  7. Misaotra amin’ny fanampim-panazavana dia maherezà sy mahefà be😉

  8. […] ny Alim-piangonana [nuit des églises >>], izay karazana hetsika sahala amin’ilay Alim-bavaka iraisam-pirenena notanterahina tany Genève tamin’ny taona 2007 ihany fa naka endrika hafa. Fiangonana 40 no […]

  9. Hono woà ry tomavana, inona no maha-samy hafa ny Alim-piangonana sy ny alim-bavaka? Ny zavatra atao ao anatin’ireo no tiko anontaniana?

  10. Faly mandray anao eto ry Bidy,

    Marina tokoa fa samy apetraka eo ambany fanentanan’ireo fiangonana maro samihafa ireo fotoana roa ireo ary samy tanterahina mandritra ny alina. Ny fahasamihafana dia ny tanjona kendren’ireo tompon’andraikitra mpikarakara:
    – ny tanjona tamin’ny Alim-bavaka teto Genève izao dia ny fanehoana fa na dia Tompo Iray ihany dia misy fomba fivavahana maro samihafa, fiteny maro samihafa anivon’ireo fiangonana rehetra mandray anjara,
    – ny tanjon’ny Alim-piangonana kosa dia ny hitsidihan’ny vahoaka ireo tokonam-baravaran’ireo fiangonana tao an-tanànan’i Lausanne ka hetsika maro samihafa no notanterahina fa tsy voatery ho fivavahana ihany: mozika, hosodoko, dihy, hira, hatsikana, sns …


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :