Votsotra ve ireo 2,8 millions CHF an’i Tantely Andrianarivo taty Soisa ?


Tamin’ny 14 Febroary 2007 dia najanon’ny mpanadihadin’ny Ministère public de la Confédération [MPC] izay sampandraharahan’ny fitsarana Soisa, ireo fikarohana izay nosokafana tamin’ny faran’ny taona 2003 mikasika ny vola 2.8 millions CHF misoratra aty amin’ny banky Soisa amin’ny anaran’ingahy René Tantely Gabrio Andrianarivo, izay praiministra faran’ny fitondrana Ratsiraka, satria tsy an-tanàna « Izay porofo hentitra, sy mitombina, ary tsy azo iadian-kevitra izay hanaporofo izay fihaviana tsy an-drariny mikasika ireo vola ireo » [« la preuve formelle, solide, indubitable de l’origine illicite de ces fonds n’arrive pas à être apportée », swissinfo.org]

Rehefa avy namaky lahantsoratra telo [L’express de Madagascar sy swissinfo.org ary Madagascar tribune] mikasika io raharaha io aho dia izao no mba fanamarihana vitsy azoko atao fa aoka ny tsirairay kosa no hamaly ny fanontaniana hoe votsotra ve sa tsia ireo 2,8 millions CHF izay takian’ny fanjakana Malagasy ?

– Nihaona tamin’ny mpanao gazety tamin’ny « conférence de presse » andriamatoa Andriamparany Radavidson, ministry ny teti-bola Malagasy, ny Alarobia 2 May 2007

– Tsy nandrenesana feo ny fitondrana Soisa ary na ny gazety, na ny radio, na ny fahita-lavitra dia tsy nampita ireo vaovao nambaran’ny tranonkala swissinfo.org.

– Mihatra hatramin’ny 1 Aogstra 1990 ny lalàna Soisa iadiana amin’ny fanafenana vola azo avy amin’ny fanodikodinam- bola.

– Mikasa ny hanokatra « service de renseignement financier » atsy ho atsy ny Malagasy.

– Manana adidy fiambenana izay rohim-bola mandalo eo aminy ireo banky rehetra aty Soisa. Izay vola be dia tsy maintsy arahi-maso akaiky ary ampahafantarina ny « Ministère public de la Confédération » [MPC].

– Manana traik-efa amin’ny fikatsahana ireo vola afenin’ny mpitondra ny MPC. Tamin’ny taona 1999 dia nahatrarana 700 millions de dollars amin’ny anaran’i ny filoha Nizeriana [Nigeria] taloha Sani Abacha taty amin’ny banky Soisa [swissinfo.org >>].

– Rtoa Lala Henriette Ratsiharovola, ministry ny fitsarana Malagasy dia nandray nisesy, ny famangian’i Patrick Lamon, « procureur fédéral suisse », ireo tsoa-kevitra « conclusions préliminaires de l’enquête », ary ny fanazavana ny fanapahan-kevitry ny MPC nahatonga azy haotsotra ireo vola ireo [les éléments de la décision du MPC motivant le dégel des fonds, swissinfo.org].

– Ny Fahefam-pitsarana ihany no afaka manala ny fehy mamatotra ny kaonty iray fa tsy ny banky. Tsy mitombina izany ilay fanambarana hoe « mahaleo tena amin’ny fanapahan-keviny ireo Banky Soisa » [« les banques suisses sont souveraines dans leurs décisions », Andriamparany Radavidson, ministra Malagasy momba ny teti-bola, lexpressmada.com],

– Nosazian’ny fitsarana Malagasy hanao asa an-teri-vozona 12 taona sy handoa sazy 7 millions de dollars i Tantely Andrianarivo tamin’ny Desambra 2003.

– Heverin’ny fitsarana Soisa ho porofo tsy « hentitra » na tsy « mitombina » na azo « iadian-kevitra » izay atontam-porofo nampitain’ny fitsarana Malagasy tany amin’ny MPC hoan’ity raharaha ity.

– Handoa ny saram-pitsarana Soisa ingahy praiministra Malagasy taloha [ndlr Tantely Andrianarivo |« l’ancien premier ministre devra payer les frais de la procédure », swissinfo.org],

– Efa nolavin’ny fahefam-pitsarana Soisa indray mandeha izay fehin-kevitra nataon’ny fitsarana Malagasy, tamin’ny fikarohana izay namono an’i Walter Arnold, teratany Soisa niasa taty Madagasikara.

– Misy ny « droit de recours » any Soisa, mila apetraka ara-potoana no sady tohanana porofo mitombina izy vao manan-kery.

– Malaza ho tsy miankina na amin’ny fitondrana politika na amin’ny fitondrana diplomatika ny fitsarana aty Soisa, izany hoe tsy hampiova izay hevitry ny fitsarana izay fandavana sy fombafomba ara-diplomatika.

– Ny diplomasia sy politika kosa dia miantehitra mafy amin’izay fanapahan-kevi-pitsarana.

– Ohatra, taorian’ny raharaha Walter Arnold, dia nahena ny fanampiana an’i Madagasikara sady navatan’ny fanjakana Soisa amin’ny ONG ny fiaraha-miasany [« Madagascar a perdu son statut de pays prioritaire, le budget a été réduit de moitié et la société civile retenue comme partenaire exclusif », Departemantan’ny raharaham-bahiny Soisa, eda.admin.ch >>]

– Mipetraka aty Soisa ny « tsy meloka raha tsy efa voatsara » na « la présomption d’innocence ».

– Ny firenena Soisa dia nanao sonia ny « Fanambarana miaro ny zon’olombelona nataon’ny firenena mikambana » izay mi-toy izao ny andininy faha-11« Toute personne accusée d’un acte délictueux est présumée innocente jusqu’à ce que sa culpabilité ait été légalement établie au cours d’un procès public où toutes les garanties nécessaires à sa défense lui auront été assurées. | Nul ne sera condamné pour des actions ou omissions qui, au moment où elles ont été commises, ne constituaient pas un acte délictueux d’après le droit national ou international. De même, il ne sera infligé aucune peine plus forte que celle qui était applicable au moment où l’acte délictueux a été commis » [Art.-11. Déclaration universelle des droits de l’homme de 1948 de l’ONU].

– Hamaranako azy dia tsahiviko fa i Soisa dia firenena kely. Latsaka iva 16-heny noho i Madagasikara izy raha ny halehibe no resahina ka tsy haiko ny tsy hidera ny fanambaran’ny Ministra Andriamparany Radavidson raha nilaza izy fa « le devoir de transparence ne devrait pas s’appliquer uniquement pour les petits pays » [lexpressmada.com]. Izany hoe raha adika « tsy ireo firenena madinika [ndlr toa an’i Soisa] ihany no tokony takiana fitantanana mangalahala [ndlr fa ireo firenena lehibe toa an’i Madagasikara koa]»😉

Araky ny hevitrareo, votsotra ve ireo 2,8 millions CHF an’i Tantely Andrianarivo taty Soisa sa tsia ?

[vakio koa Déblocage en Suisse
des 2.8 millions CHF de Tantely Andrianarivo >>
]

[L’express de Madagascar | swissinfo.org
| Madagascar Tribune >>]

10 commentaires sur “Votsotra ve ireo 2,8 millions CHF an’i Tantely Andrianarivo taty Soisa ?”

  1. […] [lire aussi Votsotra ve ireo 2,8 millions CHF an’i Tantely Andrianarivo taty Soisa ? >>] […]

  2. aiza moa no ahalalana izay tena marina ry tomavana ?
    fantatra fa mikirakira volabe ny mpitondra hatramin’izay
    fantatra fa fantatry ny mpitondra tandrefana handalovan’ny vola izany

    raha olon-tsotra aloha dia fanina amin’izany fika rehetra izany e

  3. Tena mifanohitra ny tsoa-kevitry ny roa tonta:
    – ny « chargé d’affaires »-n’ny masoivoho Soisa, Benoît Girardin milaza fa tsy « hentitra » ireo porofo,
    – ny ministra Malagasy momba ny teti-bola, Andriamparany Radavidson kosa milaza fa tsy mazava ny fitantanana Soisa,
    Tena fanina tokoa raha izany 22 milliards FMG izany no isaina.

  4. Hi tomavana,

    Long time no see i know … J’espère que tout va bien du côté de la Suisse.
    Je ne veux pas vraiment m’étendre sur ce sujet mais penses-tu qu’il est vraiment nécessaire de publier la photo de cette famille sur MM? Ton point de vue est clair, le sujet semble intéresser certains toutefois sans connaître personnellement ces pauvres enfants je pense qu’ils ne méritent pas de se voir fichés de la sorte à cause de quelconques mauvaises actions de leur père.
    Il est vrai que la photo a été pris par un journaliste mais bon…

    Sur ce, bonne continuation à la blogasphère !

  5. Salut Jogany heureux de te recevoir parmi nous.
    Ta remarque est tout à fait pertinente. J’aurais pu couper le cadre au milieu en faisant disparaitre les deux enfants. Mais j’ai renoncé à cette manipulation. J’aurais aussi pu « flouter » les enfants de peur qu’on les reconnaisse. Mais j’ai renoncé estimant que la faible définition de l’image était amplement suffisante.
    Ta réaction m’interpelle sur la question du degré de menace pour la sécurité public qui justifie la pertinence d’avoir envoyé des hommes armés pour arrêter toute la famille, enfants compris ?

  6. […] [Votsotra ve ireo 2,8 millions CHF an’i Tantely Andrianarivo taty Soisa ? >>] […]

  7. […] amin’i fanjakana Siosa nohon’ny tsy fitovian-kevitra mikasika ny raharahan’i Tantely Andrianarivo [« le président annonce qu’il ne veut plus coopérer avec la Suisse » […]

  8. Hereby, I would like to highlight that the present president of Madagascar has nothing to do exept sending those previous politicians abroad in exile.That is because only he himself as a president does not want to be interfered in his power.
    Thus, he tried to find mistakes from the famous politicians in Madagascar,and his solution is to put : OR TO SEND ANY FAMOUS POLITICIANS IN JAIL. Sad ladies and Gentleman. RAVALOMANANA IS A DICTATOR! Madagascar is shaking because of the poor management. Sorry, i cant hide the truth. I am simple malagasy citizen, we are not alowed to speak. No democracy! if we speak then he will send a military to pick us up from our home.
    Everyone in abroad need to know. He is worst than ROBERT MUGABE.

  9. Welcome Anselm, thanks for sharing your thought.

    Just three remarks,
    – in this post, I tried to highlight the facts … only the facts. And this case seemed to be closed as Tantely Andrianarivo recovered his assets. I mean, would not generalize from one case.
    – Maybe the Malagasy democracy could be better but recent few examples showed that it’s on the good path : Andry TGV elected as Antananarivo’s Mayor, the court cases of Rolland Ratsiraka & Ialy Rakotoniana (Pety’s wife).
    – And finally, Robert Mugabe remained a « good boy » as long as his « business » concerned only his black brothers. The day he was hurt interests of white farmers by distributing fields (which is correct in the most african observer’s opinion) the West has found on him the worst.

    I understood what you mean, but maybe better to choose another « dictator » for comparison😉 This place is free for speech and thought so everyone is welcomed for sharing.

  10. FANAMPIM-BAOVAO : tara be ny vaovao any Madagasikara fa 10 volana aty aoriana dia mbola misy tsy mahalala ihany fa efa nikatona ela ity raharaha ity. Ny filoha Ra8 no mbola niezaka indray namoha izany nandritra ny fanaovany veloma an’i Benoit Girardin : « L’argent de Tantely Andrianarivo remis sur le tapis » | midi-madagasikara.mg – 26.02.08 >>

    Izao kosa no navalin’i Benoît Girardin, nandritra ny tafatafa fanaovam-beloma nifanaovany tamin’ny mpanao gazety « Ho ahy dia mari-panajana ny fahaizana mangina. Raharaha eo am-pelatanan’ny fitsarana ny raharaha mikasika ny volan’i Tantely Andrianarivo. Tsy afaka ny hanambara izay maha tsy an-drariny izay fihavian’io vola io raha ny tenako manokana – vola efa naverina amin’i Tantely Andrianarivo – sady toa hoe tsy ho azon’ny mpitondra fanjakana Malagasy ankehitriny takiana intsony. Tsy ampy ny sori-dalàna Malagasy hanarakarahana io raharaha io. Ary manaja ny fehin-dalàna iraisam-pirenena mikasika ny raharaha iraisam-pirenena [réglementation de Droit international public] ny Ministeran’ny raharaham-bahiny Soisa » Benoît Girardin : « L’argent de Tantely Andrianarivo apparemment irrécupérable » | midi-madagasikara.mg – 06.03.08 >> Marihò ilay hevitra fonosin’ny lohateny izay toa mamela varavarana mivoha hoan’ny fanantenana … izany ve tsy tena famahànan-dalitra ny vahoaka mihintsy !


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :