Fahamarinana sy Fampihavanana|Nkosi sikelel’ iAfrika

« Tahionao Zanahary i Afrika, mba hanakoako ny lazany … »

nasandratro miadana ny sandriko milanja ny totohondriko mivokona dia naondriko ny lohako. Any amin’ireo Malagasy tsy manan-kialofana intsony, tsy manan-kohanina, nifindra monina nohon’ny rivomahery sy ireo valala be mandry miaritra ny mafy any an-tanindrazana no alehan’ny saiko omaly alina, raha namarana ny fampisehoany tamin’ity vavaka ity i Joseph Shabalala sy ireo fito lahy mpiara-dia aminy anivon’ ny tarika Ladysmith Black Mambazo izay azo adika ho Famaky Maintin’ny tanàna zolo Mnambithi [Ladysmith amin’ny teny anglisy *] avy any Afrika Atsimo .

Tsy mba nanaraka ny adi-hevitr’ireo kandida roa mifaninana ho filoha frantsay aho fa nanatrika vakoka Isicathamiya [Izy-Kot-A-Mi-Ya] izay hira vokatry ny tany an’ireo mpiasa zolo [zulu] mainty hoditra nafindra hiasa any amin’ireo toerana-mpitrandrahana vatosoa any Afrika Atsimo. Nafana ny lanonana ka na dia maotina aza ny Soisa dia tsy nisalasala raha nasainy nandroso tery amin’ny sehatra hiara-mandihy amin’ny tarika ny dihin’ny Ihhlangwini na dihin’ny langilangy zolo. Any amin’ny namako Lova izay nanandrana nandihy io dihy io tany Durban no nalehan’ny saiko😉 mitsipaka ity tongotra dia tsenain’ireo tànana roa izay ahodina any aorian’ny hatoka😀 [i Johnny Clegg e !]

Ladysmith Black Mambazo nandritra ny fampisehoana Graceland tany amin’ny kianja malalak’i Rufaro, Harare, Zimbaboe [tsy afaka notanterahina tany Afrika Atsimo noho ny lalàna mandrara ny mainty sy fotsy tsy hifangaro], miara-mihira ny Nkosi sikelel’ iAfrika amin’i Paul Simon sy Miriam Makeba [akanjo mainty] ary i Hugh Masakela [trompetra], taona 1987.

Tamin’ny fotoan’io fampisehoana io dia firenena ankila-baon’izao tontolo izao i Afrika Atsimo. Mandeha anefa ny tantara, ka navoaka tam-ponja i Nelson Mandela, lasa filoham-pirenena voalohany vokatry ny fifidianana malalaka izy. Nomeny andraikitra lehibe ny komisiona Fahamarinana sy Fampihavanana [commission Vérité et Réconciliation] satria raha hiara-monina ny « mpiavy » sy ny « tompon-tany » dia tsy maintsy mifamela [pardonner] mba ahafahany hamoha miaraka pejy vaovao amin’ny tantara iombonana.

Hendry ireo mpitondra Afrikana tatsimo satria tsy misy fanantenana azo andrasana avy amin’ny vali-kitsaka fa vao mainka mitondra fanavakavahana sy fampisarahana. Tsy mitsahatra ny manonofy aho mba hanana izany fahendrena izany ny mpitondra Malagasy.

Nofiko hono fa indray andro any, dia ho matotra sy hiray hina ny vahoaka Malagasy ary hitsahatra fa tsy hitodi-kivoho hibanjina ny lasa fotsiny, tsy hitarazoka nohon’ny vesatry ny fahiny intsony fa kosa hanomboka hiara-mibanjina sy hiatrika ny hoavy toy ny olom-banona mandray andraikitra.

*Mombamomba fohy: ny anaran’ny tarika dia avy amin’ny Ladysmith izay anarana anglisin’ny tanàna [township Mnambithi] onenan’ny tarika any amin’ny faritany Kwazulu Natal | Black na mainty toy ny ombilahy be vozona mainty izay heverin’ny tantsaha zolo ho andrian-biby ao an-tsaha | Mambazo na famaky toa fitaovana mahery hamakivaky izay sahy manohitra azy. Ny fanamian’ny tarika kosa dia Akanjo ambony afrikana, pataloha mainty, ba kiraro mena ary tennis fotsy.

[tranokalan’ny tarika – mambazo.com >>]

[sary nindramina tamin’i music.org.za >>]

[traduction française pour Vola >>] Nelson Mandela a confié une grande mission à la commission Vérité et Réconciliation, car si les « arrivants » et les « autochtones » doivent vivre ensemble alors ils doivent passer par le chemin du pardon mutuel [pour les libérer du passé], afin qu’ils puissent ensemble écrire un nouveau chapitre dans leur livre d’histoire commune.

Les dirigeants d’Afrique du Sud ont eu de la sagesse car il n’y a aucun espoir dans la vengeance, au contraire les conséquences auraient été d’agrandir le fossé entre les peuples en apportant plus de ségrégation. Je ne cesse de rêver que cette même grâce touche les dirigeants Malagasy en les dotant de cette même sagesse.

Je fais le rêve qu’un jour, le peuple uni Malagasy aura acquis la maturité nécessaire pour cesser de jeter des regards inquiets, par dessus son épaule, sur son passé trouble, ni plier sous le fardeau de son histoire, mais qu’il se redresse pour affronter l’incertitude de l’avenir tel un peuple responsable.

18 commentaires sur “Fahamarinana sy Fampihavanana|Nkosi sikelel’ iAfrika”

  1. J’ai la chair de poule en lisant ce post et en ecoutant cette version de Nkosisikeli Afrika Ladysmith. Merci mille fois pour ce tresor !!!!

  2. Tsy misy fisaorana Lova, izaho no ravo raha faly ianao !
    Ny hira « we shall overcome »-ndry Martin Luther King Jr. sy ity hira ity no ananganako totohondry mivokona rehefa mandre azy aho ho firaisan- kina sy fahatsiarovana😉
    Mitohy ny tolon’i Tommie Smith sy John Carlos, you know what I mean

  3. […] Tomavana : Tamin’ny fotoan’io fampisehoana io dia firenena ankila-baon’izao tontolo izao i Afrika Atsimo. Mandeha anefa ny tantara, ka navoaka tam-ponja i Nelson Mandela, lasa filoham-pirenena voalohany vokatry ny fifidianana malalaka. Nomeny andraikitra lehibe ny komisiona Fahamarinana sy Fampihavanana satria raha hiara-monina ny « mpiavy » sy ny « tompon-tany » dia tsy maintsy mifamela mba ahafahany hamoha miaraka pejy vaovao amin’ny tantara iombonana. […]

  4. Vao tamin’ny herinandro aho no nijery ilay sary mihetsik’i GoodBye Bafana, mitantara ny tantaran’i James Gregory mpiabina fotsy hoditra an’i Mandela tany am-ponja ary na dia betsaka aza ny tsy rariny sy fijaliana nesetrin’ny fanavakavaham-bolokoditra dia tsy nitsahatra nampiseho fahendrena i Nelson mandram-pahafaka ny ziogany tao amin’ilay tantara …(manginy fotsiny ny tsy nitazomany ny fitondrana rehefa foana ny Apartheid), dia misy an’io hira io ao anatiny, ary tonga dia ny fo no akany hivantanany. Izaho dia mametra-panontaniana toa anao: rahoviana ny ny mpitondra any amin-tsika vao hanana izany fahendrena izany (soupir) ?

  5. je viens de capter l’allusion à Ladysmith sur MM… Sarotra be la lecture en malgache, mais je vais arrêter de me plaindre🙂 Vive les vidéos🙂

    OT: c’est justement en écoutant une chorale africaine que j’ai trouvé ma prochaine destination de vacances… Windhoek pour les connaisseurs🙂

    Merci pour la vidéo ! (et pour le billet aussi même si je ne comprends pas tout :))

  6. @ Harinjaka na rahoviana na rahoviana no ho avy io fotoana io, raha tia an’i Madagasikara isika dia haharitra koa. Satria mandefitra sy maharitra ny zava-drehetra tokoa ny fitiavana [1 Korintiana 13:7 | 1 Corinthiens 13:7]🙂

    @ Vola alors des dunes au programme ? Bon vent car tu vas là « où souffle le vent »🙂
    Sinon chapeau bas d’avoir lu en Malagasy😀 Allez spéciale dédicace, trois paragraphes en français en update rien que pour toi😉

  7. Ah LBM! Que de souvenirs (on diffusait ça sur Alliance FM à Tana), merci de nous partager cet excellent morceau.
    Nelson Mandela est un homme exceptionnel, au charisme unique. Je comprends qu’il soit la personne dont faire la connaissance honore vraiment toute une vie…
    (Cadeau de Chirac pour Hulot: une rencontre avec Mandela🙂 )

  8. Ah j’ai oublié: l’homme (ou la femme) d’exception malagasy de la même fibre et sagesse est-il/elle seulement née?

  9. A mon avis il n’est pas nécessaire qu’un « héro » incarne ce changement à l’image de la chute du mur de Berlin qui est plus un acte collectif né du désir populaire de changement.
    Je vous encourage à commencer le pardon à la maison, envers nos plus proches car il est souvent plus difficile qu’il n’y paraît. Mais ne nous complaisons pas dans la modestie🙂 tout acte de pardon est un acte gratuit qui témoigne de la grandeur de celui qui pardonne. Et je veux croire au travers de la lecture de leur « plume» qu’il y a des grands parmis nous😀 de très grands même. De même la chenille doit attendre avant de pouvoir déployer ses ailes de papillon … le temps viendra mes amis, j’en suis persuadé. En tout cas rien ne me fera perdre espoir !

  10. Ciao
    volevo farti i complimenti hai un sito bellissimo un abbraccio dall’Italia
    Elisa

    Bonjour,
    Bravo! Ton site est excellent
    continuer , cest vraiment tres biens
    Amitiés
    Elisa

  11. Grazie Elisa per le sua visita🙂

  12. […] nisy ihany fotoana nanambarako ny fankafizako ilay hira « Nkosi sikelel’i Afrika » [Zanahary ô, tahio i Afrika] izay hira mamintina ny vavaka ataon’ny vahoaky Afrika Atsimo […]

  13. […] kosa dia ny ohatry Martin Luther King Jr [Nobel Fandriampahalemana 1964] sy i Desmond Mpilo Tutu [komisiona Fahamarinana sy Fampihavanana | Nobel Fandriampahalemana  1984] no mahalaza izay tiako amabara. Angamba fahavoazam-be […]

  14. […] ny hetra. – Tsy tokony avelantsika ampelatanan'olo-tokana intsony ny fahefana. – Fametrahana ny komisiona Fahamarinana sy Fampihavanana [toy ny tany Afrika Atsimo] … Fanadiovana ny gaboraraky ny tsolotsolotra anivon'ny […]

  15. Mba tahio Madagasikara. Ombao ny helatrao Tompo o ny Filoha mba ho salama sy ho tomady lalandava.

  16. Tena ontsa ny fo maheno ilay hira !Manontany tena koa aho hoe rahoviana angaha isika Malagasy no ho tafita amin’izany hevitra izany !Mandeha ny andro dia mihena hatrany ilay fanantenako !Asa ,ny tenako rahateo mora kivy sy ketraka ,na te hanao zavatra aza moa tsy hita hoe inona no atao ,ankoatran’ny mitondra am-bavaka nefa koa tsy ampy fa mitaky zavatra hafa tanteraka e !(-:

  17. @ Fahamarinana misaotra nizara teto. Tsy irery ianao fa marobe ny mizara izany fanirianao izany. Ary tsy zava-poana velively ireo vavaka asandratrao ka aza mitsahatra.

  18. […] taona 2007, nandritra ny fifandiran’ny mpifanandrina Sarkozy sy Royal fahizay dia naleoko nanatrika ny fampisehoan’ny Ladysmith Black Mambazo. Omaly kosa dia mozika klasika no nosafidiako raha nifanditra i Hollande sy i Sarkozy. Ny […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :