Jiro tapaka|Ho maizina ny ririnina amin’ny tanàna maro

Par : tomavana

Avr 29

Catégorie: tsetsatsetsa

5 Commentaires

Matetika no tapaka ny herin’aratra [na jiro] sy rano any amin’ny tanàna any Madagasikara. Efa manomboka zatra ny Malagasy ka samy mampiasa hevitra hiafiana mandra- piandry izay fiverenany. Zary lasa fiteny fampiasa an-davan’ andro ny hoe « delestazy ». Ankehitriny, ny anton’ny fahatezerana any Antsiranana, Mahajanga sy Toliary dia satria fahasimbana fa tsy fahampiana intsony no mitranga.

Rehefa tonga ny tsy fahampiana, ny delestazy izay azo adika hoe fanamaivanana [délestage: action de délester, d’enlever une charge, afin d’alléger quelque chose – cnrtl.fr >>] dia midika fiverenana amin’ny laoniny afaka fotoana fohy, rehefa sahala ny « ‘ty sy ‘nday » [l’offre et la demande]. Ary raha misy ilana azy dia fanaon’ny JIRAMA ny mizara ny fahatapahana mba tsy ny faritra iray amin’ny tanàna foana no voa fa mifanesy tapaka jiro ny faritra rehetra.

Araka ny fanambaran’ny orinasa JIRAMA [JIro sy RAno MAlagasy] dia mbola haharitra telo volana ireo fanamboarana ireo. Amin’ny volana Jolay izany vao hiverina amin’ny sakany sy an-davany ny herin’aratra, ny andro anefa manomboka maizina nohon’ny tonon-taona ririnina.

[Délestage, pas de solutions durables avant le mois de juillet – midi-madagasikara.mg>>]

[le choix des centrales éléctriques thermiques en question >>]

5 commentaires sur “Jiro tapaka|Ho maizina ny ririnina amin’ny tanàna maro”

  1. […] koa Ho maizina ny ririnina amin’ny tanàna maro >>] […]

  2. Izy io dia olana hatramin’ny taona 2003 tany ho any mihitsy! toa minia tsy miraharaha ny sasany amin’ny mpitondra. Tamin’izany ny niantombohan’ny resaka dia hoe hampiana ny tubines ao Andekaleka…kanjo tsy hita izay tohiny mandraka androany. Toa habobo fotsiny ny nilzanan’ny tompon’andraikitra amin’ny hanavaozana ny famokarana herinjiro fa ilay mpanodina herinjiro amin’ny alalan’ny solika izay efa tsy mety intsony indray no tadiaviny atao vahaolana…

    Tsy vahaolana anefa no ataony izao fa famonoana afo fotsiny!!!

  3. Misaotra betsaka anao izay manatrika any am-potony amin’ny fanampim-panazavanao

    Izaho koa dia tena zendana amin’ity fikasana hividy mpanodina herinjiro amin’ny alalan’ny solika 40 ity😦 Mampalahelo fa tsy mbola mipetraka any amintsika ilay fiteny hoe fitsinjovana ny fitondram-bahoaka [gouverner c’est prévoir]. Tsy tambo ireo voina midona voajanahary toy ny rivomahery izay tsy azo ialana.

  4. Vaovao farany: dimy volana taty aoriana dia miverina amin’ny laoniny inray ny herin’aratar any Toliary « Toliara débarrassé du délestage » – lexpressmada.com >>

    Fampatsiahivana:
    – 13 Febroary 2007, tapaka ny Jiro nohon’ny fahasimban’ny « groupe electrogène »
    – 27 Martsa 2007, nisy filaharan’ny mpianatra izay nitazonana am-ponja ny « senateur »
    – 17 Jolay 2007, novelomina tamin’ny 03:00 ora tolakandro ity milina manome 3,5 Mégawatts izay nafindra avy tany Mahajanga ity.

  5. – 1 Aogositra 2007, roa herinandro monja no niverenan’ny herin’aratra amin’ny laoniny dia niverina amin’ny aizina indray i Toliary, tapaka ny herin’aratra nohon’ny fahasimban’ny milina matanjaka indrindra any an-toerana « Un groupe en panne. La Cité du Soleil dans le noir » – le Quotidien via wanadoo.mg >>


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :