07|04|20-21 – Série B tropicale | Teatra an-dampihazo [Léaz, FR]

Misy teatra na tantara an-dampihazo « Série B tropicale » izay narindra avy tamin’ny boky tantara « Rade Terminus » nosoratan’i Nicolas Fargues* [éditions P.O.L., 2004] izay mitantara ireo vazaha efatra tonga monina any Antsiranana nohon’ny antony samihafa sy ny ny fifandraisany amin’ny mponina Malagasy ao an-toerana.

Izany dia hotanterahin’ny tarika Bord’eau sy ny tarika Léaz’Art, ao amin’ny salle communale Léaz [lalàna mankany Bellegarde avy eo Saint-Julien-en-genevois, FR] ny Zoma 20 sy Asabotsy 21 Aprily 2007, manomboka amin’ny 8:30 ora alina [filankevitra +33 4 50 42 11 00 | +33 4 50 40 03 89].

Ny antokom-pihira Valihan’i Jehovah sy fikambanana Malagasy vaovao roa [samy tsy mbola manana anarana] avy ao Grand-Saconnex [CH] sy Pays de Gex [FR] dia mandray anjara amin’izany hetsika izany amin’ny fikarakarana sakafo sy fivarotana tao-zavatra hamatsiana ireo tetik’asa tohanany tsirairay any Madagasikara.

*Bio fohy: teraka tamin’ny taona 1972. Fahazazana tany Cameroun, sy Liban ary ny nosy Corse. Nandalina tamin’ny Anjerimanontolon’ny Sorbonne tamin’ny taranja « lettres.» Rehefa avy niasa roa taona tamin’ny « coopération » Frantsay tany Indonésie sy niverina tany Parisy [asa maro, isan’izany ny mannequin hoan’ny Chanel] izy dia namoaka ny bokiny voalohany « le tour du propriétaire » [éditions P.O.L, 2000]. Avy eo izy nitodi-doha any Madagasikara, ho talen’ny « l’Alliance Française »-n’ny tanànan’i Antsiranana nanomboka tamin’ny taona 2002 ka hatramin’ny taona 2006. Ny boky faran’i Nicolas Fargues, « J’étais derrière toi » [éditions P.O.L, 2006] dia mitantara ny hamafisan’ny fisarahany tamin’ny vadiny izay mainty hoditra, nanan- janaka roa ry zareo.

[« Rade Terminus » – articles de presse et avis –
pol-editeur.frhaisoratra.orgecrits-vains.com>>]

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :