Fahagagana hatrany ny zavatra rehetra

Nihaona fohy dia fohy tamin’ny namana Malagasy tonga nitsidika an’i Genève aho io hariva io. Nony nitodi-doha hody izahay dia nandalo akaikin’ity tsiritika ranon’i Genève* tarafin-jiro ao anatin’ny alina ity. Tsy voalohany aho no mahita io, fa satria nijanona namoaka fakan-tsary ilay namako dia mba naka sary koa aho sady nambarako azy fa efa isan’andro vaky aho no mahita io ka tsy dia mahataitra ahy firy intsony.

Teo am-pikendrena sy am-pandinihana izay sary halaiko anefa aho dia tsapako fa misy endrika vaovao izay mbola tsy tsikaritro teo aloha ity tsiritika ranon’i Genève ity.

Marina tokoa fa na dia mitamberina hatrany aza ireo tonon- taona [saisons] dia samihafa hatrany ny toetr’andro, ny hazavana, ireo rahona, ny lokon’ny lanitra mody masoandro, ny tsioky ny rivotra … dia hafa hatrany koa ny fampisehoana asehon’ity tsiritika ranon’i Genève ity.

Variana mihazakazaka nohon’ny fiainana ve no tsy ahitako intsony ny hasoan’ireto fampisehoana maro mivelatra eto imasoko ireto ? Ny hafa toy ireo namako aza mandeha làlana avy lavitra mba hanopy indray mipi-maso monja.

Tsy voatokana ho eny lavitra eny ihany no maitso ny ahitra fa « ho an’izay mahay mibanjina, fahagagana hatrany ny zava-drehetra » Athénagoras I (voalohany) patriarche ny fiangonana Orthodoxe any Constantinople [« pour celui qui sait regarder, tout est miracle »].

Mba hahay hibanjina daholo isika ka hanopy fijery vaovao amin’ireo harena maro izay manodidina antsika na zava- boahary izany, na fahaleovan-tena, na fahasalamana, na tsikitsikin’olona😀 Manaova Paska nohavaozina !

* Mombamomba: haavo rehefa tsy misy rivotra: 140 m | hafainganan’ny rano mivoaka ny fantsona: 200 km/h | Rano ampiasaina: 500 litres/seconde | Tambatry ny tanjaky ny milina roa: 1000 kW | Tambatry ny lanjan’ireo milina: 16 tonnes | Herin’aratra ilaina: 2400 volts | Tambatry ny tanjaky ny jiro manazava: 9000 watts | Isan’ireo jiro mpitily mampiasa » iodures métalliques »: 12 | Taona nanombohana: 1886.

**Bio fohy: Αθηναγόρας Α’ amin’ny teny grika, teraka Aristokles Spyrou ny 25.03.1886, patriarche-n’i Constantinople nanomboka tamin’ny 01.11.1948 ka hatramin’ny fotoana nodiany mandry ny 07.07.1972. Patriarche voalohany nihaona tamin’ny Papa Ray Masina Paul VI tany Jerosalema ny taona 1964.

[tsiritika ranon’i Genève – sary atoandro >>]
[mombamomba ny tsiritika ranon’i Genève – ville-ge.ch >>]

9 commentaires sur “Fahagagana hatrany ny zavatra rehetra”

  1. tsara ery ny tsiritik’i genève mirehitra jiro, amin’ny sary aza izy efa tsara ko maika angamba izay amin’ny tena izy amin’io fotoana akanao azy io … misaotra amin’ny teny mamy sy ny fankaherezana amin’izao paska izao tomavana, matetika marina dia variana sy sempotry ny fianana ka adino ireo fahasoavana maro samihafa azon-tsika isanan’andro … mamy ny miana🙂

  2. Happy Easter Tomavana !

    OT: very nice touch WRT the map of Madagascar with cyclone updates🙂

  3. Fohy dia fohy nony Paska ny andro ka be ny namana nitsidihana ny asabotsy hariva fa mbola ho hiverina.😉
    Faly nahafantatra anao izay, manomana ny sary sy ny maresaka fa tena nafinaritra be,hatsaranan-tanana izany, misaotra indrindra ho an’ny rehetra.🙂

  4. @ Harinjaka mino aho fa tsy latsa-danja amin’ity tsiritik’i Genève ity ny sary vongan’i « la bonne mère » amin’ny alina😉
    Mamy tokoa ny miaina ka samia tsara any amin’izay toerana misy antsika tsirairay avy isika mianakavy😀

    @ Lova Antenaiko fa nanao fetin’ny Paska tsara koa ianao🙂
    Ilay saritany dia mba indray « topi-maso » fotsiny dia ahitana ny fandehan-javatry ny toetr’andro any an-tanindrazana😉

    @ Tattum sady faly mahafantatra no tsy misy fisaorana, fa izaho aza no misaotra anareo sy i Tonnum tsy nandalo-tàna-misy havana … satria fantatro fa fohikely ny fotoanareo anefa ny namana hovangiana mbola maro🙂 Mandra-pihaona😀

  5. Ary vaovao amiko indray ity « tsiritika » ity.

    Ary ianareo izany anie ka mihetsiketsika mihintsy ny gasy any Geneva any é. Izahay aty Montréal moa dia tsy mifankahita matetika izay angamba no tsy mba hahitana tsiritika.😀

    Tsy hita moa fa mazana ity fiainana ity (sa ity ririnina ity)😉 ka na miredareda be aza ny lalankaleha toa ohatran’ny majombona eny foana. Ny olombelona anie tsy mahay mitia izay efa hananana fa mitsiriritra ny hafa foana🙂

  6. Ny momba ny fitsidihan-dry Tattum, fasika sy rano io e, mandalo ny rano dia mijanona izahay fasika😉

    Ankoatr’izay mihetsiketsika tokoa ny Malagasy aty manodidina aty ka mahafinaritra. Tsy arako daholo aloha ny mandeha isak’izay misy fa dia ny mampita ny filazana no ataoko😉

    >mitsiriritra ny hafa foana
    Raha tsy mitandrina tokoa dia mety ho lasa « mila voa tsy ary » araky ny tenin’ny Ntaolo😦 fa ny eo an-tanàna adino.

  7. Ny olombelona anie tsy mahay mitia izay efa hananana fa mitsiriritra ny hafa foana

    🙂 Ny raiamandreniko niteno faona hoe ratsy no mitsiriritra fa mahaiza mifaly amin’izay hanana. Ka aleo manofinofy toa izay mitsiriritra, sa ahoana?
    Si bien qu’avant de rêver d’ailleurs, il faut déjà apprendre à apprécier le lieu et le temps présent.😉 Si, si, je le fais, mais je confirme, tu habites l’une des villes les plus agréables à vivre qui m’ait été donnée de connaître… Si ce n’est la plus …🙂

    Saingy rano fotsiny izany!🙂

  8. Mananontanona ny haintany aty aminay satria baliaka hatrany ny masoandro hatramin’ny nandalovanareo taty tamin’iny Paska iny, ary sady mamerina ny fisaorana no mialatsiny raha izao vao mahavaly🙂 tsy sanatria naman’ny tezitra fa ny marina dia nanondrana very tadidy ny milina solontsaiko😦 dia mbola miezaka ny manavotra ireo fahatsiarovany aho hatramin’izao😉

    Saingy fahatsiarovana fotsiny izany!😀

  9. […] d’eau de Genève] Sary hafa | Autre photos | Other pictures | atoandro | jour | daylight >> | alina | nuit | night >> | […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :