07|03|29 – Mba ho lovan’ny taranaka fara-mandimby

« Tompo ô mandre ahy ve ianao ? Tompo malala ô mandre ahy ve ianao ? » [Lord, can you hear me now ? Lord, my sweet Lord can you hear me ?] izany fanontanian’i Eric Kolo amin’ny hira « Falling » [potraka na solafaka] izany no mbola mamerovero ato an-tsaiko raha nifoha aho anio rehefa avy nanatrika ny andian-kiran’ny tarika KOLO [soratana K.O.L.O ankehitriny] tany amin’ny Cully Jazz Festival.

Nanontany tena aho izay mety ho tao an-tsain’ireo olona [Malagasy sy vazaha] izay tsy hifoha intsony ny ampitson’io andro 29 Martsa 1947 io. Nahatsiaro adino tanteraka ve ry zareo ? Sa tezitra ? Sa potraka sy kivy ? Sa velom- panantenana fa ny ampitso tsy ho toy ny anio ? Satria tsy misy mahalala izay ora sy fotoana tokoa isika.

60 taona izay no lasa tamin’ny tantaran’i Madagasikara, tao ny mamy tao koa ny mangidy. Fombako hatrany ny miatrika ny ho avy, manahy anefa aho fandrao adinontsika ny lasa ka zary amidintsika varo-boba ny fahafahana izay novidiana lafo tamin’ny alalan’ny aina nafoin’ireo maherifom- pirenena.

Madagasikara afaka sy mahaleotena no nolovaintsika, mba tany manao ahoana no havelantsika ho lova hodimbiasin’ ireo taranaka fara-mandimby ?

[Hihaino an’i Falling – kolo-music.net >> ]

[KOLO amin’ny myspace – myspace.com/kolomusic >>]

[lohahevitra sahala >>]

8 commentaires sur “07|03|29 – Mba ho lovan’ny taranaka fara-mandimby”

  1. Tsara fipetraka be ilay fanontaniana … androany vao tena tsapako ny lanjan’ireo tolona nataon’ny mahery fon’ny firenen-tsika ary tena mampiheritreritra tokoa. Soa fa afaka isika. Ary izao Andriamanitra izao mijery ambany fa tsy mijery ambony🙂 Indraidray aza dia lasa ny saiko miheritra hoe mba nanao ahoana tokoa moa ny fiainantsika raha tsy nisy ny fanjana-hantany ? tsara ery ny fiarahamonina nisy tany amintsika talohan’ny fanjanahantany – nifanampy ny fokonolona – tsy nisy basy tany amintsika ary tsy niady ny olona – nifanambady ny mpanjakan’ny faritra tsiray tany amin-tsika ka fitiavana zany no politika economikan-tsika🙂 … tsara e ? simba be nefa isika zao. Mino aho anefa fa indray andro any isika mbola hivoaka mpandresy🙂 sa ahona ozy toi ? tsy kivy🙂

  2. tiako be ny revin’ny kolo🙂 merci tomavana … tonga dia ao tsara fa misaotra

  3. Hita fa tsara fiomanana ry zareo fa tena nivoaka tsara tan-tsehatra izay « énergies » tiany nampitaina hany ka namaly ireo mpijery … hipoka ny toerana … nafana ny korana😀

    Tsy mahazo kivy aloha na dia toa ny eo ihany no eo😉 mampieritreritra ihany anefa fa toa tsy mila vazaha akory … fa isika samy isika ihany dia afaka hamotika ny hoavintsika … raha ny tombontsoa samirery ihany no katsahina … fa tsy mahay miara-miasa😦

  4. hay ve ny « sweet lord » no nahatonga an’ilay hoe « tompo malala » e ! ahoana ianareo amin’ny hoe « tompo mamy » ?

    ny amin’ny tena votoatin’ilay post aloha dia tsy hitako loatra izay holazaina ka tsy hampangidihidy ny maro.

    Paska ny andro …
    pouce, peace & love !

  5. Tsy hita fa ny fandikana dia famadihana « traduire c’est trahir »🙂

    Izay mangina marina volamena … fa manantena ny hevitrao tsy ho ela😉 mirary Paska finaritra ho anao koa😀

  6. […] ka hanopy fijery vaovao amin’ireo harena maro izay manodidina antsika na zava- boahary izany, na fahaleovan-tena, na fahasalamana, na tsikitsikin’olona Manaova Paska nohavaozina […]

  7. Azafady tompoko

    azonao atao ve ny manome ahy formation mikasika ny wordpress ????????

    please send me a new

    http://inovaovao.blog4ever.com

    thanks

    A+

  8. Salama,
    raha misy fomba azo anampiako dia apetraho izay fanontaniana🙂 saingy tiako ny mapahafantatra fa ilay « wordpress.com » maimaim-poana no ampiasaiko ka tsy misy kitikitika fa mandeha avy hatrany.


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :