07|03|28 – KOLO | Malagasy any amin’i CULLY JAZZ FESTIVAL [Lausanne, CH]


Misy Malagasy mandray anjara amin’ny Cully Jazz Festival.
I Eric Kolo sy ny tariny izay mitondra ny anarany [soratana K.O.L.O ankehitriny] dia hanao rindran- kira ao amin’ny Caveau Heineken, ny Alarobia 28 Martsa, 8:30 ora alina, « Festival off », tsy misy vidim- pidirana.

« ¿ Porqué ? » feon’i Eric Kolo mandravaka ny sarimihetsika « Quiero vivir » nototonsain’i Muriel Brener ary nivoaka ny taona 2006 [bande original du film documentaire].

Ny faha-25 taonan’ny CULLY JAZZ FESTIVAL● dia ankalazaina ny Zoma 23 Martsa 2007 ka hatramin’ny Asabotsy 31 Martsa 2007 [filankevitra +41 21 799 40 40]

Bio fohy: teraka tao Antananarivo ary nifindra monina teto Genève tamin’ny taona 1978 fony izy 3 taona monja. Mahazo teny gasy tsara na dia somary miraiki-dela aza 🙂 Fahazazana tao Genève ary nanohy fianarana lalàna momban’ny zon’ny mpamorona [droits d’auteurs] tany Amerikaa [USA]. Mbola mpianatra izy no mikarataka mikarama mihira miaraka amin’ny gitarany samirery amin’ny ireo bar maro any New-York izay tanànany faharoa. Taona 2005, niverina aty Genève ary ny fiaraha-miasany amin’i Stéphane Guex no fototry ny tarika KOLO izay iarahan’izy roa lahy mamorona ny hira rehetra [tonony sy feony Eric Kolo ary mpandrindra Stéphane Guex]. Nanampy azy ireo ho mpiara-dia tamin’ny sakeli-dalan’ny fiainana i Laurent Nicolas amin’ny batterie, i Mathieu Karcher amin’ny gitara ary Blaise Pitteloud amin’ny « basse ». Eo am-pikarakarana ny kapila CD izao ny tarika KOLO.

[hira hafan’ny tarika KOLO – kolo-music.net >>]

[KOLO amin’ny myspace – myspace.com/kolomusic >>]

[KOLO any amin’ny Malagasy Miray >>]

[fandaharana CULLY JAZZ FESTIVAL● – cullyjazz.ch >>]

Publicités

5 réflexions sur “07|03|28 – KOLO | Malagasy any amin’i CULLY JAZZ FESTIVAL [Lausanne, CH]

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s