07|03|22 – Andro iraisam-pirenena hoan’ny rano | World Water Day

« Fiatrehana ny fihavitsian’ny rano » [Faire face à la pénurie d’eau | Coping with water Scarcity] no loha-hevitra tiana hampitaina amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena hoan’ny rano taona 2007 [wwd07].

Tsy misy andro tsy andrenesana fa tapaka ny rano tary, delestazy tetsy … Efa isan’andro isan’andro no miatrika ny fihavitsian’ny rano ny vahoaka Malagasy ka angamba tsy mila azavaina be aminy intsony izay fihafiana nohon’ny tsy fisian’ny rano fa ny vaha-olana no andrandrain’ny maro.

Asa izay kabary hataon’ireo manam-pahefana mandritra izany fankalazana izany satria raha ilay mpikaroka momba ny rano eny Ankatso dia kivy be ihany rehefa nandre ny fanaovan-tsonia ny fanondranana rano Malagasy. Satria tsy nisy adihevitra ary na izy aza tsy nahita izay vokatry ny fikarohana manohana ity fanapahan-kevitra ity, na izay anaran’ireo mpikaroka nanao fandalinana.

Vao omaly ny WWF* no nampitandrina ny amin’ny haha-ritra ireo renirano ngeza folo manerana izao tontolo izao noho :
– ny fitrandrahan’ny olombelona: ny Danube [Erôpa], sy ny Salouen [Azia] ary ny Plata [Amerika latina],
– ny fitrohana be loatra hoan’ny fambolena: ny Rio Grande [Amerika], sy ny Gange [India],
– fisondrotry ny mari-pana: ny Indus [Azia], sy ny Nil [Afrika]
– korontana ara-java-boahary: Murray-Darling [Aostralia]
– fitrandrahana trondro be loatra noho ny jono: Mekong [Azia]
– fandotoan’ireo orinasa an’arivony: Yangtze [Azia]

Hitantsika fa ireo renirano be aza dia mety ho ritra ihany raha tsy mitandrina. Tsy tiako raha hamonjy ireo renirano ireo ny reniranon’i Mananara any aoriana any. Tsy izaho ihany anefa fa izay feo rehetra henoko momba ity raharaha ity dia toa mitsipaka daholo. Amiko manokana dia isan’ny olana ny tsy andrenesana ny feon’ireo izay manohana ny fanondranana rano sy ny tsy fisian’ny adihevitra an-kianja- malalaka andraisan’ny mpikaroka isan-karazany anjara.

Tantara fohy: ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana [assemblée générale de l’ONU] dia nanapaka ny 22 Desambra 1992 ny fanapahana A/RES/47/193 izay manambara ny 22 Martsa ho « Andro iraisam-pirenena hoan’ny rano » manomboka ny taona 1993. Miova isan-taona izay loha-hevitra hodinihina: 2006 : L’eau et la culture | 2005 : L’eau, source de vie | 2004 : L’eau et les catastrophes | 2003 : De l’eau pour le futur | 2002 : De l’eau pour le développement | 2001 : De l’eau pour la santé | 2000 : De l’eau pour le XXIe siècle | 1999 : La vie à l’aval des cours d’eau | 1998 : L’eau souterraine – la ressource invisible | 1997 : L’eau dans le monde : en existe-t-il assez? | 1996 : De l’eau pour les villes assoiffées | 1995 : Les femmes et l’eau | 1994 : La sauvegarde de nos ressources en eau est l’affaire de tous.

tomavana | WWD 2007

[Andro IP hoan’ny rano 2007 – unwater.org >>]

[*World’s Top Rivers at Risk – panda.org>>]

[adihevitra momba ny fanondranana rano tarihin’i Many >>]

[Fiarovana ny aina ny fiarovana ny rano – Malagasy Miray >>]

[Vaovaon’ny rano any Madagasikara – sahra.arizona.edu>>]

5 commentaires sur “07|03|22 – Andro iraisam-pirenena hoan’ny rano | World Water Day”

  1. Momba ny fahazoan’ny vahoaka ny rano madio any Madagasikara dia tsy fantatra intsony izay salan’isa inoana. Ny Talata 20 Martsa ny gazety Taratra dia mamoaka ny salan’isa 74% eny ambonivohitra ary 34.7% eny ambanivohitra >> ireo olona mahazo rano madio. Telo andro monja taty aoriana dia niova izany satria ny Zoma 23 Martsa dia 64% sisa ny eny ambonivohitra ary 30% eny ambanivohitra >>.

    Fa na izany na tsy izany iva dia iva ireo salan’isa ireo ary na ireo olona eny an-tanan-dehibe izay heverina hoe mahazo rano aza dia tsy voamarika hoe tapaka tsy anki-janona io rano io😦

  2. […] tomavana | WWD 2010 WWD 2009 WWD 2008 WWD 2007 […]

  3. […] tomavana | WWD 2009 WWD 2008 WWD 2007 […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :