07|03|17-18 – Natokako ho anao, ilay voasary mamy | terre des hommes [tanàna maro]

Par : tomavana

Mar 16

Tags:, , ,

Catégorie: fanohanana

Poster un commentaire

Natokan’ny « terre des hommes suisse romande » ho anao ireo voasary mamy 200’000 mahery mba hanala hetaheta sy hanome otrik’aina. Ny fony sy ny hodiny dia afoiny avokoa raha atakalonao 2.- CHF [na mihoatra] afahany mamatsy ireo tetik’asa sahaniny toy ny mandefa zaza marary Malagasy mila fitsaboana ivelan’i Madagasikara.

[…] Mangetaheta anefa hono izy e | Dia notolorako voasary | Somary gaga anefa izy nijery ilay voasary | Voasary efa vita vaofy no nomeko azy | Nanontany azy izy e: nankaiza ny hodiny ? […]
« Voasary », Mahaleo

Koa raha misy manatona anao hivarotra voasary amin’ny Asabotsy 17 na Alahady 18 Martsa 2007, dia aza iambohoana avy hatrany fa ny « terre des hommes suisse romande » no maniry anao hanampy azy hanome fanantenana ireo zaza marary [taona 2006 | toeram- pivarotana 500 mahery | voasary 200’000 no lafo | vola 450’000.- CHF no voangona | budget Mada 402’775.- CHF].

Taona mafy hoantsika Malagasy ny taon-dasa 2006 satria zaza telo tamin’ireo notsaboina tambany fiandraiketan’ny « terre des hommes » no nindaosin’ny fahafatesana taty Soisa. Tsahivina fa amin’ny ho avy dia hisy ireo hotsaboina any amin’ny île Maurice mba hampitomboana ny isan’ireo zaza tsaboina [tsy voatery alefa aty Erôpa amin’ny sarany lafo intsony].

[communiqué de presse – tdh.ch >>]

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :