Hitako taty Genève Ravalo

Isan-taona rehefa miverina ny volana Martsa, rehefa manomboka mihamaro ireo fiarakodia mitondra laharana vahiny mivoivoy eran’ny tanàna, rehefa mahita fiara tsy mbola fahitan’ny maso [raha tsy amin’ny gazety], rehefa maharitra folo andro ireo « embouteillage » eny amin’ny « autoroute » … mizarazara ny mponin’i Genève, ao ireo mandositra misitaka ny tanàna, ny sasany manao izay hanahirana na hanararaotra ireo mpiavy, ary ny ankamaroany tsindrian-daona be ihany ny hamonjy ny « salon de l’auto » tsy indray mandeha fa indroa, intelo … Satria afaka mitondra mody ny maso amin’ity indray mitoraka ity. Dia mifampitaha ireo sary nalaina. Sary anoloan’ny Porsche, sary akaikina Ferrari, tao anaty Hummer … raha ireo bisikleta no tena manaitra ahy😉 tsy aritro fa indro nentiko ho anareo ireo sarin-dRavalo ireo.


[FR] J’ai croisé Ravalo à Genève cette semaine alors que je visitais le salon international de l’Automobile.
[8 se dit « valo » en malgache donc R8 = Ravalo, c’est aussi une contraction de Ravalomanana, nom du président de la république de Madagascar].

[ENG] I met Ravalo in Geneva this week when I visited the international motor show.
[8 is « valo » in Malagasy language then R8 = Ravalo which is also a contraction of Ravalomanana, name the President of the Republic of Madagascar].

© tomavana | R8 |

[flash momba ny Audi R8 >>]

[Salon de l’auto de Genève>>]

12 commentaires sur “Hitako taty Genève Ravalo”

  1. Tsy ratsy🙂 za teo am-pamakiana dia nitaintaina hatramin’ny farany[suspense]. Tapitra ilay tantara vao kôpy aho fa kay tsy ilay R8 n’eritreretiko🙂

  2. Mety ho sarotsarotra kokoa angamba ny hihaonana amin’ilay R8 heverinao😀 sady misy koa ireo izay mihevitra fa izay mpiara-dia aminy ihany no tokony hihaona aminy mialoha [prioritaire]😉

  3. Hay ve renault 8 no lazainareo fa ravalo e. Ireny ve tsy efa fiara tranainy e, ny antsika mbola jojopil be na dia efa niasa 5 taona aza.

  4. Misaotra amin’ny famangiana Aro a ! Mialatsiny fa mbola maizina ihany ity blaogy ity anefa tsy adinoko ilay fanamarihanao😉

    Audi fa tsy Renault ilay Ravalo hitako kah😉 jojopil be ilay izy, sady matanjaka be no lafo, toerana roa monja, 8 cylindres en V, 4.2 l, 420 ch
    [Ravalo @ fandaharana turbo.fr >> | sarin-dRavalo hafa – d0wn.com >>]

  5. ka er huit no soratra teo ka no… ireny no malaza any @ tanàna taloha…ary mason’i Tomavana ve io revolver be io? tena mijaly aho mamaky ity tableau noir ity nefa ny lakré tsy dia mazava, efa tokony hisolo koa ny solomasoko no tena marina e, fa raha sendra misy azo atao hanampiana ahy hamaky eto dia isaorako mialoha e. ciao.

  6. > ary mason’i Tomavana ve io revolver be io?
    Tena voa indray aloha aho tamin’iny e😉

  7. […] sy ny fihaonam-be fivoriana sy sakafo iraisana any amin’ny tranoben’ny Palexpo [ilay fanaovana fampiratiana fiarakodia malaza eto Genève]. Marihina fa ny alin’ny faran’ny taona dia hataon’izy ireo am-bavaka any […]

  8. […] andro ka naleoko nitsidika ny tsenabe tao amin’ny trano malalaka Palexpo. Ilay toerana ampiratiana fiarakodia amin’ny volana Martsa iny >>. Avo ny vovonana ka azon-dry zareo napanidinana tsara ity fiaramanidina miendrika baolina […]

  9. […] fiarakodia marobe mitanjozotra manerana ny tanàna, nohon’ny hamaroan’ireo mpamangy ny Fampiratiana Fiarakodia Iraisampirenena eto Genève izay misokatra amin’ity herinandro ity. Taorian’ny fakandrivotry ny ririnina izay […]

  10. […] Hitako taty Genève indray Ravalo tamin’ity herinandro ity raha namangy ny Fampiratiana Fiarakodia Iraisampirenena aho. Dia io […]

  11. otran’ny te ahita an tgv kou zah an

  12. Tongasoa eto rivotra

    Misaotra amin’ny soso-kevitra, fa raha tsinjoko izy dia ampitaiko eo ihany😉


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :