Marie-Laure Jaomatana | Styliste – Créatrice de Mode

Santionan’ny asa-tànan-dRamatoa Marie-Laure Jaomatana, Malagasy mpamorona fitafiana sy firavaka ary forongony fihaingoana [réalisation de vêtements sur mesure et prêt-à-porter | Bijoux et accessoires de mode], izay nanatanteraka filaharana fampiratiana [défilé de mode] omaly [tany Chéserex, CH >>].

Pataloha manasa-dranjo « jeans » tsotra sy akanjo ambony mainty mampiseho soroka no iakanjoany. Randrana tsotra mivona ivoho kosa ny volo izay mandravaka ny endriny. Meva tsy mila forongony afa-tsy ilay rojo volamena milanja vatosoa tokana eny ambozònany. Toa mifanohitra amin’ny halavorary sy ny hasarobidinin’ireo akanjo noforoniny izay nilahatra vao tsy ela teo.


Tsy miala eny amin’ny endriky Ramatoa Jaomatana ny tsiky izay taratry ny toky ananany amin’ny asa vokatry ny herim- pony. Tsy afenina fa babo tanteraka sy mihorakoraka ireo mpijery manohana sy mankahery ireo tovovavy mitafy ireto akanjo. Marihina koa fa raha voalohany izao no manao filaharana fampiratiana ivelan’ny faritry Paris izy dia efa taona maro izy no mampisedra ny fitsaran’ireo mpijery ny asa-tanàny.

Nambarany mantsy fa efa ho efatra taona any ho any izao no nimasoany tanteraka tamin’ny famoronana fitafiana sy forongony. Ary ankehitriny dia efa mamoaka andian’akanjo « collections » 3 isan-taona izy izao.

« Éthnique » no iantsoany ny fianakavian’ireo akanjo foronony. Miezaka izy ny manome toerana ireo fitaovana betsaka avy any Madagasikara amin’ny fampiasana izany amin’ireo akanjo sy forongony ataony [lamba landy, ankoran-driaka, ets]. Isan’ireo tanjony mantsy ny hampahalala bebe kokoa ny traik’efan’ny tao-javatra Malagasy, faniriany koa ny hizara fahasoavana amin’ny fanomezana asa ny mpiray tanindrazana na amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa akaiky na amin’ny fanorenana orinasa vaovao any aoriana any.

Azo lazaina fa notezaina anivon’ny fianakaviana mpanjaitra Ramatoa Jaomatana satria maro ireo mpanjaitra amin’ny fianakaviany. Ambonin’izany fototra nipoirany izany no namaharany ny talentany sy nanorenany ireo fikarohany samirery mba hampivelatra sy hampiakatra izany fahalàlany ny famoronana akanjo izany ho avo lenta.

Nisy nanamarika ireo mpijery fa jenitra loatra ireto tovovavy fa tsy mba velontsiky sy mampiseho ny fifaliany mandray anjara amin’ny hetsika toy itony. Satria ireo akanjo dia marevaka sy miramirana toa miantso hoe « andeha hilalao » anefa ireo mpitondra azy toa malomaloka endrika sy maontina be ihany [stress angamba ?]. Tsy zatra filaharana fampiratiana [défilé de mode] raha ny tenako manokana ary tsy fantatro koa raha « mannequin professionelle » izy ireto. Anefa raha izaho aloha dia tsy hahavita na dia ny ampahany amin’ny nataon’ireto mpilahatra. Araka ny hevitro aza, vao mainka mivoaka ny hatsaran’ireto akanjo, sy ny halalin’ireo fikarohana ny fampivadiana ireto fitaovana maro samihafa izay manome endrika tokana ireo akanjo tsirairay [original].

Raha ny fahitako azy dia karazan’akanjo mihaja fitondra miangaly ny ankamaroany amin’ny nasehony teo, tsy sahy ny nanontany izay mety ho vidiny aho na dia nanitikitika ahy aza izany satria na izay manavaka izay karazan-damba samihafa aza tsy haiko akory😦 ary amiko mila resahina milamina ny hasarobidin’ny atsimpirihan’ny asa tanàny. Koa aza misalasala ianareo ny mametra-panontaniana [jaomatana [amin’ny] orange.fr |+33 8 79 65 81 26 | +33 6 63 92 12 81] ary aza menatra koa ny manonòna ny anarako raha mitady ho sarotra ny ady varotra 😉

Isaorako eram-po Ramatoa Marie-Laure Jaomatana tamin’ny fahatsorany sy netezany namaly ireo fanontaniana vitsivitsy, na dia tery aza ny fotoany. Mendrika ny ho fantatra ny traik’efany ka dia mirary soa ny fitohizan’ny asany.

© tomavana | ML Jaomatana 2007 | Chéserex

ML Jaomatana | jaomatana.com >> |

4 commentaires sur “Marie-Laure Jaomatana | Styliste – Créatrice de Mode”

  1. [tsara be] Misaotra an’i tomavana amin’ny fampahafantarana ny asa-tanan’i Marie-Laure (MLJ). hoatran’ny tany an-toerana mihitsy ny tenako eo ampamakiana ny lahatsoratrao.

    Tsy mpandalina haingo aho, nefa kosa dia anisy teny kely satria dia midera ny hetsika toy izao. Raha ny fahafantarako azy mantsy dia vitsy dia vitsy ireo mpamorana haingo ambony fanidina any amin-tsika [haute couture] raha hoarina amin’ny isan’ny Mpanjaitra (izay misy isan-tokatrano?) Ary vitsy lavitra ny isan’ny fampilaharana (matso?)] [défilé] izay hita taratra amin’ny tsy fahazaran’ny [mannequin] indraindray araka ny voalazanao etsy ambony.

    Raha ireo sary ireo anefa no dinihana dia tsy mena mitahy amin’ny ireo haingo avy amin’ny firenen-kafa ny vita malagasy. Manana ny maha-izy azy ny asa-tanan’i MLJ [identité sy personnalité] identité ohatra ilay somary mitafy lamba kely amin’ny tanana akavanana ery ambony ? ary personalité ohatra ny fivelarana amin’ny lafy valon’ny nosy sy afrika manontolo amin’ny anarana entin’ireo modely « Ethnique » ? [Vita magasy]

    Maniry aho ny hitohizan’ny asany, ary maniry ko aho ny hamirapiratany sy hanaovany matson’haingo [défilé de mode] any Dago mba ho ataon’ny ankizy modely… tsy voatery ny Lamba landy sy ny lamba soga ihany akory ny Lamba mendrika hampisehoana ny « haute couture gasy » ary eto am-panoratana eto aza dia lasa ny saiko miheritreritra fa mety ny fiheverana fa ireo lamba roa ireo ihany no lamba no isan’ny sakana maha-vitsy an’isa ny styliste any amin’tsika. Ireo mpamorona malagasy vitsivitsy hitako mantsy dia miamtoka tanteraka amin’ireo lamba roa ireo, hany ka tsy hita firy intsony ny mampiavaka ny tsirairay ary voafetra eo aman’ny loko ampiasaina, hany ka tsy dia re loatra isika amin’ity lafiny iray ity …

    Hevitra manokana ihany ny ahy, tsy mpandalina haingo tsy akory, na ko lehilahy jejo fa tia zava-kanto fotsiny🙂 hey, ary mba nolazainy anao marina ve hoe naninona no tsy nisy fitafian-dehilahy ? sa nisy ?😉

  2. Asa na ny mpilahatra lehilahy no tsy nisy fa tsy nisy tokoa akanjon-dahy tany. Ny tsara angamba dia ny manontany azy mivantana izay antony😉

  3. Manao ahoana ianao Tomavana. Sendra nitady dikan-teny no nahatongavako teto. Nitady ny hilaza ny hoe « accessoires de mode » amin’ny teny gasy dia tonga teto aminao. Dikan-teninao izany io nampiasaiko ao amin’ny teny fanolorana ny blaogy-ko io. Mankasitraka tompoko.

  4. Salama Sy🙂 faly aho raha afaka nanampy anao. Mirary soa!


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :