Hatramin’ny farany

Par : tomavana

Mar 8

Tags:,

Catégorie: tsetsatsetsa

8 Commentaires

Vao avy namonjy fotoam-pivavahana fanaovam-beloma aho io hariva io. Vatam-paty roa no ravahin’ireo voninkazo sesehena tery anoloana. Mpivady izy ireo, 92 sy 93 taona izao nodimandry izao.

I Ramatoabe no taizan’aretina hatry ny ela, efa nandrasana. Ingahibe vao tamin’ny herinandro no nitaraina ho vizaka ka nanomboka nitondra tehina. Ny ampitson’iny izy voatery natosika amin’ny sezan-kodia [chaise roulante]. Nindaosin’ ny « cancer » maherivaika tamin’ny Alahady lasa teo Ingahibe. Nanaraka azy ny ampitson’iny i Ramatoabe vadiny.

Ny zafikelin’izy ireo no namako. Feno dia feno ny fony raha nitarika ny fotoana izy. 68 70 taona mahery nivadiana mantsy ny dadabeny sy ny nenibeny. Iray levenana mandrakizay izy roroa. Taratry ny fiainan’izy mivady hono ny fandaozany izao tany izao hoy ireo nifandimby nandray fitenenana, nifanohana hatrany … hatramin’ny farany.

[sary nadika tamin’i equsb >>]

8 commentaires sur “Hatramin’ny farany”

  1. Sady mampalahelo no mafinaritra ilay tantara. Izany tokoa ka fitiavana.

  2. 50 %-n’ireo fanambadiana aty Soisa dia rava alohan’ny faha-5 taonany😯
    Velom-paniriana tokoa aho nandre ny tantaran’izy ireo😀

  3. Ao anatin’ny dimy taona io mihitsy no tena saro-pady ny fanambadiana. Nisy aza moa niteny hoe rehefa tsy rava ao anatin’io fotoana io dia karazandrazan’ny mafy ihany vao ho rava indray…nefa izany tsy midika hoe tsy ho rava intsony!

  4. Voalohany aloha dia faly mandray etoana anao e😀 manarak’izay ny salan’isa teto Soisa no henoko fa izaho tsy nihevitra hoe azo atao bango tokana toy izay hatrany an-tanindrazana any😯

    Mila fahalemem-panahy sy fandavan-tena isan’andro isan’andro tokoa ny fanambadiana fa raha mitady izay « tany malemy hanorenanm-pangady » fotsiny dia miafara amin’ilay « samy mandeha samy mitady »😦

  5. Une photo qui me plaît bien par sa symbolique, la route, l’arc en ciel et la simplicité de la composition

  6. Le journal local, « la tribune de Genève » parle aussi du décès de Ferdinand et Henriette Cusin-Henchoz son épouse [Un avis de décès m’est allé droit au cœur – tdg.ch du 16.03.2007 >>]

  7. sambatra izy mivady teto antany ary mino aho fa mbola samy ho sambatra koa any ankoatra any. Be tokoa ny faminganana ataon’ny satana ho an’ny fanambadiana fa zay manetry tena sy mahay mamela heloka no maharitra h@ farany, satria tanteraka tokoa ilay hoe « mitia », ary misy fiteny iray koa aza hoe « Tsy ny tiana no vadiana fa ny vady no tiavina », tena ambony indrindra tokoa ilay fitiavana an. Faly aho fa niara-nody izy mivady ary izay ihany koa no ampahereziko izay navelany. Ciao.

  8. > « Tsy ny tiana no vadiana fa ny vady no tiavina »
    mampieritreritra tokoa io teninao io🙂

    « Tsy nanam-potoana hifampitomaniana akory ry zareo. Saiky nifampitantana ry zareo no lasa » [Ils n’ont pas eu le temps de se pleurer. Ils sont presque partis main dans la main] Izany no nambaran’ny zanany vavy tamin’ny mpanao gazety nanontany azy.

    Ampitaiko amin’ilay namako ny teny maminareo, satria na izany na tsy izany Ray sy reny nahitana masoandro no indray nandao ka misy ihany ny fotoana maha-feno ny fo, na dia manaika daholo aza ry zareo fa izany no lahatra


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :