Lohasaha izay mitomandavana …

… o mangina, mangina sady tony … alokalofan’ny havoana tsy hita fetra .

Tsy gaga angamba ianareo raha ambarako fa na dia tsy sahala amin’ny any an-tanàna Malagasy aza dia ahatsiarovako an’ity hira ity ny lohasahan’i Val d’Anniviers izay alokalofan’ny vohitra misy an’i Saint-Luc* sy ireto Alpes. Vao avy napetrak’i GoogleEarth ny saritanin’ny Val d’Anniviers dia tsy aritro fa io nadikako ho anareo io.

Eny ambanivohitra eny | Tendre village natal

Eny ambanivohitr’eny lahy
Lohasaha zay mitomandavana
O mangina, mangina sady tony
Alokalofan’ny havoana tsy hita fetra Fiverenana:
Koa herezo anie ny dianao razandry
Fa i neny anie
Fa i neny anie dia efa sasa miandry
Afindrafindrao izany tongotra
Fa maika hody ery ambanivohitra

Any ianao ry Madagasikara
Nosy mamy anivon’ny riaka
Sariaka, sariaka sady kanto
Atopatopan’ny onja sesilany

Dans mon tendre village natal
Des vallées se succèdent
Si calmes, calmes et si sereines
Abritées par des collines infinies Refrain:
Accélère tes pas petit frère
Chère Mère
Chère Mère est déjà impatiente
Pressons nos pas
Rentrons vite dans notre doux foyer

Chère Madagascar
Douce île au milieu de l’Océan
Si joviale, joviale et si belle
Chahutée par des vagues interminables

Ny dikanteny kosa dia niantehitra betsaka tamin’ny asa nataon-dry Nelly Victoire MALELA, sy Manantsoa TIANA ary Darafify RALAIVAO ka isaorana azy ireo [Montage Poétique: « Cris de douleur, chants d’amour et de fraternité » | Quinzaine de la Francophonie 2000 | Université Senghor, Alexandrie, 30 Mars 2000 pdf >>].

[*vakio – Eny an-tendrombohitra eny no fonenako >>]

3 commentaires sur “Lohasaha izay mitomandavana …”

  1. Rariny raha faharoa soisa amin’ny filaharan’ny firenena sambatra indrindra eran-tany fa tsy vitan’ny manan-karena ara-bola fa tena manan-karena tokoa amin’ny tontolo iainana.Izaho dia Nionona fotsiny tamin’ny Ricola sy ny chololat ary ny famataran’andro kay misy an’izao zavatra tsara be toy izao😉

  2. Efa nambarako an’i Lova fa mendri-piderana ny vahoaka Soisa hoy aho amin’ilay izy « minia mipetraka amin’ny toerana sarotra onenana »😀 ny any amintsika raha ampitahaina no tena paradisa [dobera moa no nambarako tamin’izay]

    Rehefa mananika ireo làlana ireo ianao dia manontany tena hoe inona loatra no manosika an-drizareo hanori-ponenana any an-kodahoda any ?

    Tsaroaka fa izaho nanam-paniriana hitsidika lalina ireo « canyons rats, lémuriens, etc. » tany Isalo dia namaly ilay mpitarika hoe tsy mbola misy nandeha lavitra any fa angamba mitranga any Bongolava raha tohizana😯 tsy mahafa-po ahy ilay angamba fotsiny ao amin’ny valiteniny rehefa hitako fa ny hafa aza mianika tendrombohitra tena avo arovana ranomandry sy tafio-drivotra mahery😉 hiaraka « hi-explorer » toerana tsy dia faleha any Madagasikara ve ?

  3. raha izao no mitohy dia tsy ho ela intsony isika dia hiaraka hanondrana toerana tsy dia faleha🙂
    Misy fomba fitenin’ny ankizy izay manao hoe :

    « raha mitohy ny hazo(azo) dia lasa an’ny an-danitra ny voalavo »

    Mitombo miha-mitombo ihany ny zavatra azo atao tsara any amin-tsika🙂


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :