Misokatra ny fivarotana tapakila Eorô-kitra 2008

Nisokatra tamin’ny Alakamisy 1 Martsa 2007 ary haharitra iray volana ny fisoratana anarana hoan’ireo manam- paniriana ny hividy tapakila hoan’ny fifaninana lalao baolina kitra ho tompon-dakan’i Eorôpa 2008.

Tsahivina fa iarahan’i Soisa sy i Aotrisy [Suisse et Autriche] mikarakara ny Eorô-kitra 2008 [Eurofoot 2008] ary i Trix [kilaoty mena, kiraro sy akanjo fotsy laharana faha-20] sy i Flix [kilaoty fotsy, kiraro sy akanjo mena laharana faha-08] no anaran’ireo « mascottes ».

Maro ny mpankafy fa ny isan’ireo tapakila indray no tsy ampy ka dia antsapaka no hanendrena ny anaran’izay afaka hividy [tirage au sort]. Marihina koa fa 70.- CHF [45.- euros] ny vidin’ireo tapakila mora indrindra ary mahatratra 880.- CHF [550.- euros] kosa ny an’ireo toerana tsara amin’ny fifandonana fara-tampony fiadiana ho tompon-daka [finale].

Raha ny momba an’i Genève manokana no resahina dia hampiatrano lalao 3 dia
– ny Asabotsy 7 Jona 2008 amin’ny 20:45 ora alina [lalao faha-2],
– ny Alarobia 11 Jona 2008 amin’ny 18:00 ora hariva [lalao faha-9],
– ary ny Alahady 15 Jona 2008 amin’ny 20:45 ora alina [lalao faha-18].

Raha izaho manokana aloha dia angamba hijanona aty ivelan’ny kianja ihany satria maro no sady mahaliana ireo firavoravoana omanina handraisana ireo mpitsidika maro.

[fisoratana anarana hoan’ny tapakila – fr.uefa.com >>]

[fandaharana pdf – uefa.com >>]

[blaogy – euro-foot-2008.com >>]

3 commentaires sur “Misokatra ny fivarotana tapakila Eorô-kitra 2008”

  1. […] izany no fanasana tsotra voaraiko anefa dia nanitikitika ny saiko. Ka na dia mifanindry amin’ny fotom-panokafana ny Erô-kitra 2008 [euro 2008] izay hotontosaina aty Soisa sy Aotrisy aza … dia iezahako ny hanatrika izany […]

  2. […] roa volana lasa izay no nanambaràko ny fisokafan’ny fivarotana tapakila … tsy nitsahatra ny nivoatra ny tanana … nihaingo sy niomana ny handray ireto mpankafy […]

  3. […] tranokely milahatra eo anoloan’ny kianja filalaovana no akana ireo tapakila natao antsapaka | Les caisses alignés devant le stade pour le retrait des billets attribué par tirage au sort | […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :