Hafatra hoan’i Madagasikara

Par : tomavana

Mar 3

Catégorie: fampisehoana, tsetsatsetsa

10 Commentaires

… avy amin’ilay Malagasy lavi-podiana.

Indray andro izay hono
Ianao sy izaho
Tandremo sao adinonao
Ianao sy izaho

Hatramin’izay mahalavitra ahy anao izay
Dia toy ny lavitra ny tenako koa aho
Ary dia mahatsiaro anao mangingina no sisa

Iray ihany no elanelan’orantsika
Saingy taona maro no mampisaraka antsika
Izany no dikany hoe any

Ny sisa tavela ?
Dia izato fahanginana
Tsindraindray ato anatiko ato

Mbola eo anivon-drano no misy anao
Tsindraindray eny amin’ny gazety
No ahatsinjovako ny salovanao

Saingy izaho lavitra anao
Dia miaina anaty efitra mozika
Elektrika sy mahatsikaiky
Miaina toy ny nofinofy aho

Ny sisa tavela ?
Dia izato fahanginana
Tsindraindray ato anatiko ato

Tsy dia ianao no manja indrindra
Anefa tsy mivadika aminao ny foko
Satria iza no mahalala
Izay hoavin’ireo fahatsiarovana iombonantsika

Eny e, maharary anao aho tsindraindray
Na dia tsy miloa-bava izany aza
Izany koa no mamahana ny fitiavana

Indray andro izay hono
Ianao sy izaho
Tandremo sao adinonao
Ianao sy izaho

Hatramin’izay mahalavitra ahy anao izay
Dia toy ny lavitra ny tenako koa aho
Ary dia mahatsiaro anao any lavitra any aho

Eny e, maharary anao aho tsindraindray
Na dia tsy miloa-bava izany aza
Ary dia mahatsiaro anao mangingina no sisa

Nadika tamin’ny « Lettre à France »-n’i Michel Polnareff amin’ny fiverenany an-tsehatra indray ny 2 Martsa 2007 rehefa avy sesi-tany 34 taona tany Amerika izy. Maro ny hirany tiako fa angamba amin’ny maha-samy « lavi-podiana » dia manana akony manokana ato anatiko ity hira iray ity😉 [isaorana i CafeDaria amin’ny sarimihetsika]

Bio fohy: teraka ny 3 Jolay 1944 tao Nérac [Lot-et-Garonne, FR] mpandihy ny reniny ary mpamoronkira [Edith Piaf, Compagnons de la chanson] ny rainy. 1955, nahazo ny loka voalohany « premier prix de solfège » amin’ny sekoly ambonin’ny mozika ao Parisy [conservatoire de Paris]. 1966, ilay hira « la poupée qui fait non » no hirany malaza voalohany. 1973, nohon’ny antony maro dia voatery nandao ny tanindrazany ny lehilahy nitodidoha any Amerika [USA], tsy mitsahatra ny manoratra anefa izy ary 30 taona lasa izay, tamin’ny taona 1977 no nanoratany ny « Lettre à France ».

[tononkira « Lettre à France » – lyricsdownload.com >>]

[tranokala ofisialy – polnaweb.com >>]

[Michel Polnareff – fr.wiki >>]

10 commentaires sur “Hafatra hoan’i Madagasikara”

  1. kanto ery ny fandikanao ity hira ity amin’ny tenin-tsika.

    Hatramin’izay mahalavitra ahy anao izay
    Dia toy ny lavitra ny tenako koa aho
    Ary dia mahatsiaro anao any lavitra any aho

    Maka tsirony😉 Misaotra indrindra

  2. « mot à mot » ihany ireo fa mbola mila fanamboarana raha tiana hampitaina ny « atmosphère »-n’ny mpamorona😉 mason-tsokina e, izay ananana ihany no apitrapitra, hafa angamba raha tena mpanankanto no mandika azy fa tsara fanahy ianao🙂 misaotra.

    Efa henonao ve « aza ilaozanao »-n’i Eric Manana, avy amin’ny « ne me quittes pas »-n’i Jacques Brel, « ‘ty valizinao azafady, azafady mba apetraho… aoka kely aloha … milela-paladia re … aza ilaozanao, aza ilaozana aho …. » nataony an-kira « version » karazana Maloya na Sega … tena hafa kely😀

  3. an an an mbola tsy re-ko😀 mangitikitika te hihaino :p

  4. Mahafinaritra kah, efa henoko ilay aza ilaozanao , tiako ilay hira.

  5. Tongasoa etoana Fanou-Axl🙂

    Tafahaona izany ny tia sy ny manina fa izaho koa mba mankafy ny endrika manokana natafin’i Eric Manana iny hira iray iny.

  6. kikou ndray eh

  7. Misaotra ny mahavangivangy e😀

  8. Tsy isaorana fa ny fifampizarana no mahafinaritra k rah jeren marin ilay sary Andoharanofotsy izay nanaitra anao io dia mafinaritra Ok

  9. Misaotra amin’ny famangivangiana sy ny fankaherezana Tolotra.

    Tohizò fa mahafinaritra ny mandre vaovao « hatàny an-tagnàgna! »

  10. Mbola ao ve


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :