Tsy afaka hivari-lavo amin’ny alahelo aho

« Maro loatra ireo loza hitan’ny masoko ka tsy ahafahako hivari-lavo amin’ny alahelo: ny ady, ireo tsy fisiana, ny fahantrana, fa tsy fahoriana tsy akory. Mba fantatrareo moa fa ireo zanaka mpiavy dia akanga sisa nanamborana »
[J’ai trop vu le malheur pour me complaire dans la tristesse: la guerre, les privations, la pauvreté, pas la misère. Vous savez, les enfants d’immigrés sont des survivants | Aznavour, le plus grand des crooners | Le Temps, 23.02.2007]

Ny ngezalahin’ny hira madinika Frantsay sady zanaka mpiavy Armeniana, Charles Aznavour 82 taona no niteny izany toa akon’ny fanontanian’i Harinjaka sy Lillia mikasika ny fahasambarana.

Mahita akony aty anatiko izany teniny izany satria izaho koa dia mba isan’ireo miezaka ny hitady hatrany ny lafi-tsarany na dia tsy tanteraka aza ny fiainako. Dia noho ireo loza efa hitako araky ny tenin’ilay anti-dahy feno fahendrena ary ve no antony ?

Bio fohy: teraka Shahnour Varenagh Aznavourian ny 22 May 1924 tao Parisy [FR] Armeniana avy any Torkia ny reniny [Turquie] ary Armeniana avy any Zôrzia kosa ny rainy [Georgie]. 1998, notendren’ny CNN sy Time ho « Mpamalifalin’ny taonjato » izy [The Entertainer of the Century]. Amidy nanomboka tamin’ny herinandro lasa ny CD raki-kirany vaovao farany izay namboariny tany Koba « Colore ma vie » [Cuba]. Eo am-panatanterahana andian-drindran-kira fanaovam-beloma manodidina izao tontolo izao ny lehilahy ankehitriny.

[Charles Aznavour.com >>]

[Charles Aznavour – fr.wiki sy eng.wiki >>]

6 commentaires sur “Tsy afaka hivari-lavo amin’ny alahelo aho”

  1. « izaho koa dia mba isan’ireo miezaka ny hitady hatrany ny lafi-tsarany na dia tsy tanteraka aza ny fiainako. »
    Feno fahendrena tokoa izany teninao izany.
    I am also trying to see the bright side as much as possible…there are times when it’s harder than other but life is too short (as cliche as that sounds)

  2. Ohatra afaka misafidy, na mihidy ato an-trano miandry ny ririnina ho tapitra, na mivoaka milalao sy manararaotra satria « capitale mondiale du ski » i Genève😉 Ny ahy misedra ny hatsiaka no nofidiako😀

  3. « Na dia tsy tanteraka aza ny fiainako »
    Fa iza moa no sahy mihambo oe tanteraka izay tiany rehetra ? Angamba ny fahasambarana dia ilay manana tanjona sy mankasitraka rehefa misy tratra na iray aza @ireo tanjona ireo🙂

    Tonga taty Montréal i Charles Aznavour tamin’ny 2005 nijerenay, tena tsara be nampitomany ny spectacl’ny satria fatatray fa farany taty…

  4. >Angamba ny fahasambarana dia ilay manana tanjona sy mankasitraka rehefa misy tratra na iray aza @ireo tanjona ireo
    Marina mihintsy, na dia iray monja aza🙂

    Tena tiako koa ny diam-penin’i Aznavour😀 nahavoa ianareo mbola tsy fantatro hoe oviana izy no handalo, satria na dia mipetraka eto Genève aza izy dia be erehina.

  5. Tamin’ity erinandro ity hitako izy tao@ « Edith et Marcel », sarimihetsikan’i Claude Lelouch.
    Fatatrao ve ?
    Natanorezanizareo izy dia afaka nanao ny rol’any (il a joué son propre rôle dans le film, un hommage touchant que Lelouch lui a fait, à mon sens)

  6. >Tamin’ity erinandro ity hitako izy tao@ “Edith et Marcel » …

    Tsy mbola hitako saingy fantatro fa voatery nosoloina tampoka i Patrick Dewaere tokony hilalao an’i Marcel Cerdan satria namono tena izy, dia i Marcel Cerdan Jr nilalao ny toeran’ny rainy. Ankoatr’izay malaza aty ny sarimehetsika « la môme » mitantara ny fiainan’i Edith Piaf. Tsy mbola hitako fa tsara hono i Marion Cotillard🙂


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :